2023
Tsy mipetraka amin’ny tany intsony ny ankizy mpianatra ao Shifwankula, Zambia fa amin’ny dabilio amin’izay
Desambra 2023


Vaovao Momba ny asa Fanasoavana

Tsy mipetraka amin’ny tany intsony ny ankizy mpianatra ao Shifwankula, Zambia fa amin’ny dabilio amin’izay

Ny fanomezana avy amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia namatsy ilay sekoly tamina efitrano fianarana vaovao miisa sivy sy dabilion-tsekoly 500 isa ary toeram-pivoahana valo.

Any amin’ny faritra manamorina an’i Lusaka, renivohitr’i Zambia no misy ny sekoly ambaratonga fototra Shifwankula Primary school. Noho ny hoe izy io irery no hany sekoly ambaratonga fototra eo amin’ny faritra misy azy, dia ankizy manodidina ny 4600 eo ho eo no beazina ao amin’izany. Mitolona isan’andro amin’ny fahateren’ny efitrano fianarana sy ny fahavitsian’ny dabilio ho an’ny mpianatra ary ny fahavitsian’ny trano fivoahana i Shifwankula. Noho ireo olana ireo dia lasa mampianatra intelo miantoana isan’andro ireo mpampianatra. Adiny telo isan’andro monja no maha ao an-dalikasy ny mpianatra ary matetika izy ireo no voatery mipetraka amin’ny tany.

Vao haingana no nisy fanomezana avy tamin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay nanampy tamin’ny fanamaivanana ny toe-draharaha tao amin’ny Shifwankula Primary School sy nanaisotra ny sasantsasany tamin’ireo sakana nisy teo amin’ny fanabeazana teo anivony. Izany fanomezana izany dia nanome vatsim-bola nanorenana efitrano fianarana sivy ary koa nandoavana ny saran’ny fanavaozana ireo efitrano fianarana miisa 18 efa misy. Ambonin’izany dia nisy dabilion-tsekoly niisa 500 nomena ary toeram-pivoahana vaovao voavoatra.

Nandritra ny lalonanam-panolorana, izay natao amin’ny volana mey, ny Filoha Blessing Mushala, lehiben’ny faritra an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, dia nanoritsoritra ny mety ho fiantraikan’ilay fanomezana.

“Inona no dikan’izany ho an’ireo zanatsika?

“Izany dia midika fa ireo mpianatra 500 izay nipetraka tamin’ny tany taloha dia afaka kosa ankehitriny ny hianatra am-pilaminana eo amin’ny dabilion-tsekoly. Izany dia midika fa ireo mpianatra izay zara raha afaka nianatra adiny telo isan’andro fahiny dia hanana fotoana misimisy hifaneraserana amin’ny mpampianatr’izy ireo ary hanana fahafahana lehibe kokoa ny hahomby eo amin’ny lafin’ny fianarana. Izany dia midika fa hisondrotra ny kalitaon’ny fanabeazana eo anivon’i Shifwankula.”

Izany tetikasa izany no tanteraka dia noho ny fanampiana nihoatra ny 257000 dolara amerikana (mihoatra ny 5 tapitrisa Kwacha, vola Zambiana) avy tamin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny vola fanampiana dia nangonina avy amin’ireo mpikamban’ny fiangonana manerana izao tontolo izao.

Nilaza ny Filoha Mushala fa “voninahitra [ho an’ny fiangonana] ny niara-niasa tamin’ny Ministeran’ny fampianarana Zambiana sy ireo mpanabe hajaina eto anivon’ny Shifwankula Primary School” ary nampiany hoe: “tahaka ny nanoloran’i Jesoa Kristy fankaherezana tamin’ny toerana rehetra nalehany, dia miezaka ny manao toy izany koa izahay … ny fanomezana atolotray no fomba entinay anehoana aminareo fa tia anareo sahala amin’ny itiavanan’i Jesoa Kristy anareo izahay.”

Hamoaka printy