2023
Fahasalamana ara-tsaina: Rahoviana no tokony hikatsaka fanampiana
Desambra 2023


Pejy ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo

Fahasalamana ara-tsaina: Rahoviana no tokony hikatsaka fanampiana

“Aza mitoka-monina ao amin’ny tontolo kelinao. Tsy ho tafavoaka samirery amin’izany ianao,” hoy Rahavavy Naume Dube nanoro hevitra an’ireo tanora izay miady mafy amin’ireo olana mahakasika ny fahasalamana ara-tsaina.

Tsy mbola nisy ohatran’ny ankehitriny ny isan’ireo tanora eo amin’izao tontolo izao izay mitolona eo amin’ny resaka fahasalamana ara-tsaina. Araka ny OMS na Fikambanambe Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana, dia tanora 10 taona ka hatramin’ny 19 taona iray amin’ny fito no miaina olana ara-tsaina.

Maro tamin’ireo fanontaniana naroson’ireo zatovo tsy mitonona anarana ao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo tamin’ny Loholona Ronald A. Rasband no mahakasika io lohahevitra io ihany. Niresaka momba ny tebiteby ireo zatovo, ny fahakiviana sy ny tolona mba hahatsapana fifaliana.

Vao tsy ela Rahavavy Naume Dube, izay vadin’ny Loholona Edward Dube, Filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo, no niresaka momba an’io olana io tamin’ireo zatovo sy tanora vao herotrerony tany Zimbabwe.

“Raha nitety an’izao tontolo izao aho dia nianatra fa ny tebiteby sy ny hakiviana eo anivon’ireo zatovo mitovy aminareo dia tena betsaka raha ny tarehimarika,” hoy izy.

Matetika dia tsy takatry ny zatovo akory ny zavatra izay lalovany. “Ka dia mijaly ao anaty isika. Hoy isika, izaho no olana, tsy maintsy izaho no mamaha izany,” hoy Rahavavy Dube.

Kanefa tena manan-danja be ny manatona olona izay atokisanao rehefa miady mafy ianao, na ara-tsaina izany na ara-pihetsaham-po. “Aza mitoka-monina ao anatin’ny tontolo kelinao,” hoy Rahavavy Dube. “Tsy ho tafavoaka samirery amin’izany ianao.”

Misy boky torolalan’ny Fiangonana hoe ‘Fahasalamana ara-tsaina’ manazava hoe: “Ny olona rehetra dia samy mandalo alahelo, na fahasorenana, na tebiteby, na tototry ny olan’ny fiainana. [Saingy] raha manohy miady mafy mandritra ny herinandro maromaro ianao na mihoatra, na raha manomboka misy fiantraikany eo amin’ny fiainanao andavanandro ireo fambara—any an-trano, na any am-piasana, na any an-tsekoly, na eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa—dia mitadiava fanampiana.

“Miresaha amin’olona iray atokisanao, toy ny olona ao amin’ny fianakaviana, na namana, na filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, na eveka, na matihanina eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina. Ny fikarakarakana mialoha sy matetika ireo olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina no fomba mahomby indrindra, ary afaka misoroka krizy any aoriana.’1

Ankoatra ny fanohanana ara-tsosialy, dia mety mila fanoroan-kevitra na fanafody ianao, hoy Rahavavy Dube. Ireo dingana izay indraindray ilaina ireo dia tafiditra amin’ny fanohanana antsika sy ny lalana mankamin’ny fahasitranana.

Saingy indraindray sarotra ny mamaritra hoe sendra mandalo fotoan-tsarotra fotsiny ve isika sa manana olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina.

Io boky torolalana io ihany no milaza hoe “ny matihanina amin’ny fahasalamana ara-tsaina dia afaka manampy anao hamantatra ny maha samy hafa ny aretina ara-tsaina sy ny fihetsika voajanahary asetrintsika amin’ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana.” Ny aretina iray voafaritra ho misy idirany amin’ny fahasalamana ara-tsaina dia tokony ho raisina ho tena misy tahaka ny aretina hafa rehetra.

Diniho ity manaraka ity eo am-piheveranao ny iresahana amina matihanina eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina

  • Efa naharitra hafiriana izay ianao no niaina ireo olana ireo?

  • Moa ve fantatrao raha misy olona ao amin’ny fianakavianao efa niaina olana mitovy amin’izany?

  • Moa ve ireo olana ireo miteraka fahoriana lehibe eo amin’ny fiainanao?

  • Moa ve tsy manampy ireo ezaka ataonao samirery hahatsapana ho metimety kokoa?

  • Moa ve misy olona atokisanao efa niteny zavatra momba ny mahazo anao sy ny fihetsikao?

Ny lafiny hafa tokony hodinihana dia hoe hatraiza ny fiantraikan’ireo fambara ireo eo amin’ny fiainanao andavanandro. Ohatra, izao no aroson-dRahavavy Dube:

“Rehefa tsy mahaliana na tsy ahitanao fifaliana intsony ireo zavatra atao; rehefa mahatsiaro ho tsy misy dikany ianao, na hoe tsy mahavita na inona na inona; raha tsy mahavita mifantoka amin’ny fianarana ianao, ka toa ratsy daholo ny zava-drehetra; raisinao ho fahavalonao daholo ny olona rehetra; na tsaroanao ho afoin’ny Mpamonjy izany ianao … raha izay dia tokony raisinao ho tena manan-danja ireo fahatsapana ireo.”

Mety ho sarotra ny manatona olona hitady fanampiana, saingy afaka manampy anao be izany dingana izany.

Ireo bokin’ny Fiangonana dia mamporisika hoe “mivavaha mba hananana risi-po hiresaka amin’olona iray atokisanao, toy ny hoe fianakaviana, na namana, na mpitarika ato am-piangonana, na matihanina eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina. Tsarovy fa misy olona mora mandray ary mora mahatakatra kokoa noho ny hafa, noho ny fahalalany, sy ny fahaizany mangoraka, ary ny zavatra efa niainany.

“Mangataha fotoana manokana aminy hifampiresahanareo—mety hanampy anao kokoa ny fifampiresahana raha toa ilay olona iresahanao ka efa niomana ary vonona hifantoka amin’izay hambaranao. Azonao atao ny milaza (na manoratra hafatra) tsotra tahaka ny hoe “E! Mandalo fotoan-tsarotra aho izao ary tena mila olona afaka hihaino.”

Vakio ireto fanontaniana manaraka ireto ary diniho izay fomba azonao hamaliana izany. Afaka manampy anao ireto hevitra ireto hanombohana resaka.

  • Inona no zavatra tsapanao raha ny ara-batana? Resaho ireo fambara tsapanao, toy ny havizanana mitarazo, marary andoha matetika, saina tsy mitombina, maloiloy, tsy mahatombina, miadana kokoa ny fihetsika na ny fiatrehanao zavatra, fampiasana fanafody na zava-pisotro na zava-mahadomelina amin’ny fomba mampidi-doza, manakotsako noho ny antony tsy fantatra, na fiovana eo amin’ny fahazotoana homana na ny lanja na ny torimaso.

  • Inona no zavatra tsapanao eo amin’ny ara-pihetseham-po? Mahaiza manazava—be dia be ny zava-mitranga rehefa mahatsiaro ho tototra izay ianao ka mitolona amin’ny aretina ara-tsaina. Alaivo antoka fa voalazanao ireo fahatsapana tahaka ny fahakiviana, fankahalana ny tena, fahakizitinana, fitokana-monina, tebiteby, alahelo, tahotra na fahatsapana ho meloka. Resaho hoe impiry isaky ny inona ianao no mahatsapa ireo fihetseham-po ireo.

  • Inona no ady atrehanao eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa? Diniho ny fomba fifandraisanao amin’ny fianakavianao, ireo namanao, ireo mpiara-miasa aminao, sy ny hafa. Resaho izay mety ho fiovana tsikaritrao eo amin’ny fihetsikao, toy ny hoe alahelo matetika na tsy fanta-pihaviana, ny fihatahana amin’ny hafa, tsy dia miraharaha fidiovana, tsy liana amin’ireo zavatra atao izay mahafinaritra anao teo aloha, na lasa tsy mavitrika sy kamokamo.

  • Inona no maha lasa sarotra ny misaintsaina? Mety ho tena manahirana ny fiainana andavanandro rehefa voatohintohina na sahirana ny fahafahanao misaina. Resaho izay fambara soritraretina mety anananao, toy ny eritreritra handratra tena, tsy mety tapa-kevitra, miroroa saina, sahirana mitadidy zavatra, na eritreritra ny ho faty na ny hamono tena. Resaho hoe impiry isaky ny inona ianao no manana ireo eritreritra ireo ary koa hoe inona no tianao hiova.”2

Farany, tsarovy fa na manao ahoana na manao ahoana fahatsapanao sy zavatra iainanao, dia tiana hatrany ianao, tsy misy fepetra.

“Misy anankiray—dia ny Mpamonjy—izay tia antsika tokoa,” hoy Rahavavy Dube. “Na inona na inona isika, na iza na iza isika, na inona na inona vitantsika.”

Raha mila fampahalalana misimisy kokoa na raha mila fanampiana mahakasika ny fahasalamana ara-tsaina, dia midira ao amin’ireo pejy Faire face aux défis de la vie na Fanampiana amin’ny fiainana.

Tsoratra

  1. “How Can I Tell If I’m Just Having a Hard Time Right Now or If I’m Struggling with a Mental Health Challenge?,” in Help for Me, Mental Health, Life Help, Gospel Library.

  2. “I Feel So Alone. How Can I Help Someone Better Understand My Needs?,” in Help for Me, Mental Health, Life Help, Gospel Library.