2023
Avy any Cape Town ka hatrany Port Louis, indreto ny sasantsasany tamin’ireo fomba nanampiantsika mba #HanazavanaIzaoTontoloIzao tany atsimon’i Afrika
Desambra 2023


Vaovao eo an-toerana

Avy any Cape Town ka hatrany Port Louis, indreto ny sasantsasany tamin’ireo fomba nanampiantsika mba #HanazavanaIzaoTontoloIzao tany atsimon’i Afrika

Nitarika tetikasa fanasoavana ny mpiara-belona miisa 26 tany amin’ny fiaraha-monina nisy azy ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanampiana ny olona hahatsapa ny fahazavan’i Kristy.

Nandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy farany teo ireo mpikambana tao amina tsatòka 26 dia nifanome tanana tamin’ireo fikambanana mpanasoa ny fiarahamonina sy ireo mpiray monina taminay mba “hanazava izao tontolo izao”.

Ny tetikasa fanao isaky ny Krismasy #HazavaoIzaoTontoloIzao, izay nahatratra ny fahenintaonany ankehitriny, dia mamporisika ny olon-drehetra maneran-tany, tsy mifidy fireham-pinoana, mba hizara ny fifaliana entin’ny fitiavan’i Kristy amin’ny alalan’ny fanompoana.

Indreto misy fomba vitsivitsy nifanampian’ireo mpandray anjara tany Afrika Atsimo hanomezana fikarakarana sy fankakaherezana ary fifaliana an’ireo olona tany amin’ny fiaraha-monina nisy azy ireo. Inona no hataonao mba #HanazavanaIzaoTontoloIzao amin’ity vaninandron’ny Krismasy ity?

Nankany amin’ireo trano fivarotana lehibe ireo mpirotsaka an-tsitrapo tao Springs mba hanangona fanomezana ho an’ireo ankanin-jaza

Any Springs, faritra atsinanan’i Johannesbourg any Afrika Atsimo, dia trano fivarotana lehibe efatra no nanaiky nampiantrano ireo “baoritra ho an’ny tolo-tanana” Hazavao Izao Tontolo Izao mba handraisana ireo fanomezana ho an’ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa manokana izay nila fanampiana.

Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia nanome tamin’ny fotoan’izy ireo nihazona tranoheva tany amin’ireo trano fivarotana lehibe sy nandray akanjo efa nampiasaina, fitaovam-pidiovana sy fitaovam-pianarana ary fitaovam-panadiovana ho an’ireo tokantrano sahirana. Avy eo ireo mpirotsaka an-tsitrapo dia nivory tany amin’ireo ankany mba hanomezana ireo entana voangona. Iray tamin’ireo ankany nisitraka izany ny Vita Nova Centre, ankany izay mikarakara ireo olona tratran’ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha (Paralysie cérébrale), Syndrome de Downe sy autisme ary ireo olona manana olana ara-batana sy ara-tsaina.

Ny tetikasa iray hafa tamin’ireo tetikasa ana asa fanompoana nokarakarain’ny tsatòka dia ny tao amin’ny St Francis Care Centre, toerana fikarakarana marary efa ho faty sy fanomezana fikarakarana fialana nenina ho an’ireo olona mijaly noho ny toe-pahasalamana mampidi-doza sy mametra ny andro iainana. Nandray anjara tamin’ireo asa fikolokoloana zaridaina izay tena nilaina tao amin’ilay ankany ireo mpikambana, nialohan’ny niverenan’izy ireo niara-nilalao tamin’ireo marary.

Nandany efatra herinandro i Jasmine Westpfahl (11) nanamboarana satroka ba 20 vita amin’ny kofehy volonondry ho an’ireo zaza menavava kamboty. Nomeny ny ankany St Francis Children’s Home ireo satroka ba ireo niaraka tamina akanjo fanomezana hafa izay nangonina avy tamin’ny fiarahamonina.

Mpirotsaka an-tsitrapo ao Ladysmith, Afrika Atsimo mamelom-bolo ny Children’s Home, akany fitaizana ankizy

Ireo mpikamban’ny fiangonana ao Ladysmith, Afrika Atsimo dia nanome lambam-baravarana vita tanana nananika ny 200 isa an’ny Môrester Children’s Home.

Ny Môrester Children’s Home dia mikarakara ireo ankizy izay nesorina tamin’ny fianakaviany noho ny didy avy amin’ny fitsarana vokatry ny toe-javatra iainana mampidi-doza sy tsy mahasoa ao amin’ny tokantrano misy azy ireo. Mampiantrano ankizy miisa 157 ao amina trano miisa 11 ao Ladysmith sy ny faritra manodidina ilay akany.

Nandritra ny fitsidihanay ilay ankany fitaizana dia hitanay fa efa tonta sy vasoka ireo lambam-baravarana ary matetika izany no lambam-baravarana roa samy hafy mihantona eo amin’ny varavarankely iray. Tsapanay fa ny lambam-baravarana dia mifandray amin’ny fahazavana, ary izany dia mety indrindra amin’ny hetsika ataonay,” hoy ny Rahavavy Susan De Klerk, Talen’ny serasera ao amin’ny Distrikan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao Ladysmith.

Ireo ora maro lany tamin’ny fanjairana ireo lambam-baravarana sy ireo ora maro fanampiny lany tamin’ny fanavaozana ireo lambam-baravarana nisy tao Môrester dia nanome lambam-baravarana niisa 198.

Fanampin’izany dia nanome harato iray filalaovana volley sy baolina volley roa ary koa baoritra ana bisikitra ilay vondrona.

Nanganohano ny mason’i Nobambo Nzinya, mpanao asa sosialy ao Môrester Children’s Home raha naneho ny fankasitrahany tamin’ireo ezaka nataon’ireo mpirotsaka an-tsitrapo.

“Tsy sasatra ny nanontany ahy foana ireo ankizy hoe rahoviana hono ny ankany no hividy bisikitra ho azy ireo ho an’ny Krismasy. Ary tsoriko fa haiko izay nolazaina azy ireo satria fantatro fa tsy misy vola hividiana bisikitra ho an’ny Krismasy,” hoy i Nobambo Nzinya.

“Izahay ato amin’ny ankany manontolo dia feno fankasitrahana lehibe. Ny asa fanompoana nataonareo dia manaporofo fa miara-miasa amin’ny Fanahy Masina ianareo.”

Ireo mpirotsaka an-tsitrapo tao Cape Town, Afrika Atsimo dia #NanazavaIzaoTontoloIzao tao amina toby fikarakarana ireo zaza amam-behivavy niharan’ny herisetra

Ireo mpikambana sy mpitarika rantsana tao Cape Town dia nikarakara hetsika mba hanangonana sy hanomezana amboarana fitaovana ho an’ny ankizy ao MOSAIC, fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa, miankina amin’ny fiarahamonina, izay mikarakara ny zaza amam-behivavy ka manome tolotra fanohanana sy fanampiana mahakasika ny fitsarana ary fampiofanana ho an’ireo izay efa niharan’ny herisetra.

Na dia tsy hahasakana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy aza ireo amboarana fitaovana izay ahitana akanjo, atin’akanjo, famaohana tarehy, kilalao, fitaovam-pidiovana, ranom-boankazo, sy nouilles instantanées ary bisikitra, dia tsy hisalasalana fa hanatsara ny fiainan’ireo olona niharam-pahavoazana izany.

“Maro be ireo mpikambana avy amin’ny faritra misy anay no nirotsaka tamin’ity tetikasa ity. Tao ireo mpitarika rantsana nanangona sy nandray fitaovana ary mbola nisy mpitarika hafa fanampiny nanatitra izany tany amin’ny toerana nisy ilay hetsika,” hoy i Denise Van Der Merwe, Talen’ny seraseran’ny tsatòkan’i Cape Town an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

“Namory tamim-pitandremana ireo fanomezana ny mpirotsaka an-tsitrapo, ary ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana kosa dia namporisika ireo mpikambana ao amin’ny rantsana misy azy ireo mba handray anjara amin’izay fomba rehetra azon’izy ireo atao. Fitiavana sy fanompoana be dia be no natolotra tamin’ity tetikasa ity, hany ka tsy misy fomba mahalaza azy,” hoy izy nanohy.

Mpaninjara entana manerana ny firenena roa lehibe indrindra ao Afrika Atsimo no niara-niasa tamin’ny Fiangonana tamin’ny fanomezana sy fanomezana fihenam-bidy tamin’ireo fitaovana nomena ireo niharam-pahavoazana vokatry herisetra natao taminy.

Naneho ny fankasitrahany lehibe tamin’ny tsatòkan’i Cape i Tarisai Mchuchu-MacMillan, Tale mpanatanteraka ao MOSAIC, noho ilay asa fanompoana.

“Feno fankasitrahana tokoa aho ny amin’ny nisafidianan’ny tsatòkan’i Cape Town an’i MOSAIC. Nandritra ny vanim-potoanan’ny Krismasy ilay hetsika #HazavaoIzaoTontoloIzao dia nanamaivana ny enta-mavesatry ny ankizy maro be izay misitraka ny tolotra omenay ato Thuthuzela Care Centres tamin’ny alalan’ny fanomezana tamim-pahalalahan-tanana amboaram-pitaovana,” hoy i Mchuchu-MacMillan.

Mpirotsaka an-tsitrapo tao Maurice mandoko akanin-jaza

Tao amin’ny Ranomasimbe Indiana dia mpirotsaka an-tsitrapo maro avy amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao Maurice no nivondrona nandoko trano iray izay nampiantrano zaza kamboty enina tao amin’ny S.O.S children village.

Ilay akany ho an’ny zaza kamboty tao Maurice dia mpomba ny fampivelarana ny ankizy sy ny fanohanana ireo ankizy kamboty amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo trano, fiarovana sy fanabeazana ary fikolokoloana ara-pahasalamana.

Naneho ny fankasitrahany i Mr. Christiano Arlando, Talen’ny S.O.S children village, tamin’ireo ezaka nataon’ny mpikambana. “Tsapako ny finiavana hanampy tao amin’ireo mpikambana nandritra ilay asa fanompoana nandokoana ny iray tamin’ireo tranon’ny ankizy,” hoy i Arlando.

Mihosin-doto ireo mpirotsaka an-tsitrapo any Durban, Afrika Atsimo amin’ny fitandrovana ny arabe ho madio

Nanao t-shirts miloko mena “Light the World” ireo mpirotsaka an-tsitrapo ka nandray an-tanana ny hanadio ireo arabe an’ny moron-tsiraka atsimo (South Beach) sy ny seranan-tsambon’i Durban.

Io fanadiovana io dia niaraha-niasa tamin’ny governemantam-paritr’i Ethekwini sy ny Gagasi FM, trano fampielezam-peo eo an-toerana ao KwaZulu-Natal.

Ilay hetsika fanadiovana dia tafiditra tamin’ireo ezaka mitohy ataon’ilay Tanàna amin’ny fitandrovana ireo arabe an’i Ethekwini ho madio, no sady fanaovana fanairana amin’ny fomba fanariana fako araka ny tokony ho izy.

Rehefa fantatra ny toerana hodiovina ary voapetraka ny camiao fitondrana entana (fiara pickup), dia raikitra namafa ireo arabe an’ny moron-tsiraka atsimo sy ny seranan-tsambon’i Durban ireo mpikamban’ny fiangonana sy ny kaomininan’i Ethekwini ary ny Gagasi FM niaraka tamin’ny kifafa eny amin’ny tanana ila ary fanariam-pako vita amin’ny plasitka mainty eny amin’ny tanana iray hafa.

Lamba fitafy, plastika sy fonon-tsakafo vita amin’ny polystyrene ary tavoahangin-java-pisotro amin-taonina no voahangona.

Manazava fiainan’olona maro ny tsatòkan’i Bulawayo, Zimbabwe

Taorian’ny roa herinandro niasana fatratra, ireo mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny tsatòkan’i Bulawayo sy i Nkulumane Zimbabwe dia namita tetikasa fanaovana asa fanompoana roa tao amina ankany roa, dia ny Ramstein Salvation Army Home of the Aged sy ny Qinisani Daycare Orphanage.

Fanalana ahitra ny tokotany sy fanadiovana ireo ankany ary ny fanamboarana ny tranom-bitro no nibahana ilay fotoana nanaovana ilay tetikasa fanaovana asa fanompoana. Bitro efatra avy no nomena tany amin’ireo ankany roa tonta. 

Ny Filoha Mzingaye Ndlovu, mpitarika ao amin’ny fiangonana ao Buluwayo, dia niteny tamin’ireo mpanatrika nandritra ny lanonam-panolorana, tranga maharavo izay nihiran’ireo mpikamban’ny Fiangonana hiran’ny Krismasy ho an’ireo be antitra.

“Mitozoa amin’ny fanarahana ny ohatr’i Jesoa Kristy ary hazavao koa ny tontolo eto Ramstein Salvation Army Home of the Aged. I Jesoa Kristy Tompontsika dia nandehandeha nanao fanompoana izay naharitra hatramin’ny telo taona. [Nandritra izany telo taona izany] dia tsy nisy na inona na inona ka hoe niompana tamin’ny fanompoana Azy. Nikasatsaka ny hampisandratra ny hafa Izy,” hoy i Ndlovu.

I George ao Afrika Atsimo: Manazava ny manodidina azy

Amin’ny alalan’ny fitandrovana ny tena fanahin’ny Krismasy, ny Loholona sy ny Rahavavy Miller, izay misiônera manompo ao amin’ny faritr’i George-Knysna ao amin’ny moron-tsiraka Andrefan’i Afrika Atsimo, dia nandray anjara tamina fombafomba Krismasy fanaon’ny mpiray monina izay hanaingoana trano amin’ny jiro.

Ireo trano manamorona ny arabe iray any amin’ny faritra ambanivohitra dia mametraka jiro Krismasy eo ivelan’ny tranon’izy ireo mandritra ny seho fampisehoana jiro iray izay manintona ny mpitsidika rehetra avy any an-tanan-dehibe. “Ny tranonay no trano voalohany amin’ny rehetra izay mampiranty eo an-tokotany ny sary sikotra kely maneho manontolo ny fahaterahan’i Kristy izay hitan’ny olona an-jatony,” hoy ry Miller.

Tamina tetikasa iray hafa mitondra ny lohateny hoe “Hazavao izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fanampiana ny olona iray hanampy olona iray hafa”, ireo misiônera dia nahita faritra iray tao an-tanan-dehiben’ny faritr’i George izay nila fanatsarana.

“Nahita toeram-pilalaovana iray izay nila fanatsarana fatratra izahay teo amin’ny tanàna teo an-toerana, ka dia nitafa tamin’ireo mpikarakara ilay toeram-pilalaovana sy mpiray monina mpirotsaka an-tsitrapo iray izay nanampy tamin’ny fanadiovana ilay toeram-pilalaovana,” hoy ny Loholona Miller.

“Avy eo dia nanamarina ireo trano sy fitaovana ampiasaina sy ny zavatra mila fanamboarana izahay. Nifandray sy nihaona tamin’ireo manam-pahefana tao amin’ny governemanta izahay ka nanolotra drafitra amin’ny antsipiriany azy ireo sy naneho ny finiavantsika fiangonana manontolo hanampy amin’ny famatsiam-bola ireo zavatra izay fanavaozana voalohany ho fampandehanana ilay tetikasa. Nankatoavin’izy ireo ny volavolan-kevitra nomenay voalohany ka nanafatra fampitaovana fanatsarana vitsivitsy izahay,” hoy ry Miller.

Hamoaka printy