Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 1 Nefia 3:7: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo”


“Fifehezana fotopampianarana: 1 Nefia 3:7: -Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 1 Nefia 3:7: -Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: 1 Nefia 3:7

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo”

Sary
I Nefia niaraka tamin’i Lehia tao an-dainy

Nianaranao tamin’ny lesona teo aloha fa manomana lalana hatrany ny Tompo mba hahafahantsika manatanteraka izay andidiany antsika mba hataontsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 1 Nefia 3:7, hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hazavao dia tadidio

Tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanao fanazaran-tena hanazava ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny teninao manokana. Misy fomba maro be ahafahanao mitahy ny fiainan’ireo olona manodidina anao rehefa mahatakatra tsara kokoa sy manazatra tena manazava ny fotopampianaran’ny Mpamonjy hita ao amin’ny soratra masiny ianao.

Vakio ny 1 Nefia 3:7 ary fintino amin’ny teninao manokana ny zavatra ampianariny.

Miezaha mieritreritra toe-javatra ahafahan’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’io andininy io manampy olona iray. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Fahamarinana inona avy amin’io andininy io no hozarainao amin’ny olona iray ao anatin’ilay toe-javatra izay neritreretinao? Nahoana?

  • Inona avy ireo fomba samy hafa mety hanomanan’ Andriamanitra lalana hahatanterahantsika ny zavatra angatahiny?

  • Inona no zavatra niainanao azonao zaraina mba hanehoana ilay fahamarinana hoe manomana lalana hahatanterahantsika izay rehetra asainy ataontsika Andriamanitra?

Makà minitra vitsy hitadidiana ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 1 Nefia 3:7: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.” Fomba iray anaovana izany ny fieritreretana didy samihafa nomen’ny Tompo ary mamerina ao an-tsainao ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina isaky ny mahavita didy iray.

Fampiharana hanazaran-tena

Samy hiatrika toe-javatra sarotra daholo isika rehetra ary hangatahin’ Andriamanitra hanao zava-tsarotra eo amin’ny fiainantsika. Ny fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy dia afaka manampy anao hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy rehefa miatrika ireny toe-javatra ireny ianao.

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto, ary misafidiana anankiray izay tianao hifantohana amin’ny sahanasa manaraka.

  1. Tia ny Tompo i Soa ary te hanompo ao amin’ny Fiangonany. Kanefa vao haingana izy no naharay andraikitra hosahanina ao amin’ny Fiangonana izay tsapany fa tsy hainy ny hanatanterahana azy. Nekeny ilay andraikitra nomena azy saingy misalasala izy ny hiroso amin’ny fanatanterahana izany.

  2. Kivy amin’ny toe-javatra iainany i Rova satria sahirana mafy amin’ny fitandremana didy iray izy. Nisy fotoana izy nankatò ilay didy saingy tsy nanao izany foana izy.

Manao asa amim-pinoana

Vakio ny andiam-pehezan-teny 5–7 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety hahafahan’ny teny nambaran’ny Loholona Holland ao amin’ny andiam-pehezan-teny 6 manampy an’i Soa sy i Rova?

  • Raha tsy afaka manatanteraka ny zavatra angatahin’ Andriamanitra avy hatrany i Soa na i Rova, dia ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra ao amin’ny andiam-pehezan-teny 7 manampy?

  • Raha nanana eritreritra nitovitovy tamin’ny an’i Soa na i Rova ianao, dia inona no nanampy na afaka manampy anao handroso amim-pinoana an’i Jesoa Kristy?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Vakio ny andiam-pehezan-teny 8 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.. Hevero ny hanisy marika fehezan-teny na hevitra anankiroa farafahakeliny izay heverinao fa afaka manampy an’i Soa na i Rova.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahan’ny tsirairay amin’ireo fehezan-teny nosafidinao manampy an’i Soa na i Rova?

  • Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy ny fomba itondrany ny zanany ka afaka manampy?

  • Afaka manampy amin’ny fomba ahoana ny fijerena ilay toe-javatra amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Vakio ny andiam-pehezan-teny 11 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Aiza no asainao hitadiavan’i Soa na i Rova fahamarinana izay afaka manampy azy?

Makà minitra vitsy hamakafakana ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra mba hitadiavana ireo fahamarinana izay hitanao fa azo ampiharina amin’io toe-javatra io. Loharano iray azonao safidina ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hita any amin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hamaky ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ka tadiavo ireo andian-teny izay afaka manampy. Alaivo antoka fa isan’ireo loharanom-pahalalanao ampiasainao ny 1 Nefia 3:7.

  • Inona ny zavatra hitanao ka azonao zaraina?

  • Ahoana ny fomba nahafahan’ireo fahamarinana izay hitanao ireo nitondra fiovana teo amin’ny fiainanao?

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Hamoaka printy