Seminera
1 Nefia 6–7: Mamantatra “ny zavatr’ Andriamanitra”


“1 Nefia 6–7: -Mamantatra ny zavatr’ Andriamanitra,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 6–7: ‘Mamantatra ny zavatr’ Andriamanitra,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 6–7

Mamantatra “ny zavatr’ Andriamanitra”

Sary
I Nefia sy ireo rahalahiny miresaka amin’i Isimaela

Raha tokony hanoratra rakitsoratra hotehirizina ho an’ny taranaka ho avy mba hianarany ianao, dia inona no mety hampidirinao ao? Naneho ny faniriany i Nefia mba hahatonga ny zavatra nosoratany hahafaly an’ Andriamanitra sy handresy lahatra ny hafa hanaraka an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia hanampy anao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy anao amin’ny fandalinana ataonao sy amin’ny fiainanao.

Inona no antony handalinana ny Bokin’i Môrmôna?

Alaovy sary an-tsaina ny mety hamalianao raha ametrahan’ny olona iray ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:

  • Be dia be ny boky mombana fivavahana sy ny fahatongavana ho olona tsara kokoa, koa nahoana aho no tokony hamaky ny Bokin’i Môrmôna? Hitondra inona ho ahy izany? Inona no mampiavaka na maha-tsara kokoa azy io noho ny boky hafa?

Nizara ny fikasany na ny tanjony i Nefia tamin’ny alalan’ny firaketana an-tsoratra ny zavatra nataony ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Nefia. Ny fahafantarana ireo tanjona ireo dia afaka manampy antsika hahatakatra ny antony tokony hamakiantsika ilay boky sy ny zavatra azon’izany atao ho antsika.

Vakio ny 1 Nefia 6:3–6 ary hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny izay mampahafantatra ny tanjon’i Nefia tamin’ny fanaovany ny rakitsorany. Mety hanampy ny mahafantatra fa “ny Andriamanitr’i Abrahama, … i Isaka, ary … i Jakoba” (andininy 4) dia anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity:

    • Ahoana no hanazavanao ny antony niraketan’i Nefia an-tsoratra ny zavatra nataony?

Araka ny nambaran’i Nefia dia natao handresena lahatra antsika hanatona an’i Jesoa Kristy ny asasorany ary tsy ahitana afa-tsy zavatra mahafaly an’ Andriamanitra ihany.

Makà fotoana hieritreretana ny zavatra niainanao mikasika ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna hatreto.

  • Manampy anao hahafantatra ireo zavatra mahafaly an’ Andriamanitra ve ny Bokin’i Môrmôna? Raha izany no izy dia amin’ny fomba ahoana?

  • Tsapanao ve fa ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna dia manampy anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ary ho voavonjy? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

  • Ahoana no mety haha-fitahiana eo amin’ny fiainanao ny fahafantarana ny zavatr’ Andriamanitra sy ny fanakaikezana an’i Jesoa Kristy?

Manatona an’i Jesoa Kristy ary mahafantatra ireo zavatra mahafaly an’ Andriamanitra

Fahaizana mandalina soratra masina tena ilaina ny mitady ireo tanjon’i Nefia rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao. Hanana fahafahana hampihatra ny fanaovana izany ianao rehefa mandalina ny 1 Nefia 7.

Azo zaraina ho ampahany telo lehibe ny tranga tantarain’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 7. Vakio ireto famintinana ny ampahany tsirairay manaraka ireto: Misafidiana iray ary halalino kokoa izany hitadiavana izay zavatra mahafaly an’ Andriamanitra sy manampy antsika hanatona an’i Kristy.

Tapany 1. 1 Nefia 7:1–5. Niverina tany Jerosalema i Nefia sy ireo rahalahiny mba handresy lahatra ny fianakavian’i Isimaela hiara-handeha amin’izy ireo any amin’ny tany nampanantenaina. Namela an’i Nefia sy ireo rahalahiny hanambady ary hanana fianakaviana izany.

Tapany 2. 1 Nefia 7:6–18. Nofatoran’i Lamàna sy i Lemoela i Nefia ary nokasainy havela ho faty tany an-tany foana izy. Saingy nampihatra finoana lehibe i Nefia ka dia nanafaka azy tamin’ny fomba mahagaga ny Tompo.

Tapany 3. 1 Nefia 7:17–22. Tamin-kitsimpo no namelan’i Nefia ireo rahalahiny tamin’ny fikasana hamono azy, ary niara-niverina tany amin’i Lehia sy i Sarià izy ireo.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Raketo an-tsoratra ny andalan-tsoratra masina nosafidinao hohalalinina, ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no nianaranao avy amin’ny fandalinanao ka heverinao fa hahafaly an’ Andriamanitra sy hanampy anao hanatona an’i Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra nianaranao manampy anao eo amin’ny fiainanao?

Saintsaino ny zavatra niainanao tamin’ny fianarana nataonao androany rehefa nitady manokana ireo zavatra izay hanampy anao hanatona an’i Jesoa Kristy sy mahafaly an’ Andriamanitra ianao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity:

    • Ahoana no mety hihatsaran’ny fandalinanao soratra masina raha toy izany hatrany no fomba hanaovanao ny fandalinanao?

Hamoaka printy