“1 Nefia 8:1–18: Ny fitiavan’ Andriamanitra no mampilendalenda indrindra amin’ny zavatra rehetra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“1 Nefia 8:1–18: Ny fitiavan’ Andriamanitra no mampilendalenda indrindra amin’ny zavatra rehetra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
1 Nefia 8:1–18
Ny fitiavan’ Andriamanitra no mampilendalenda indrindra amin’ny zavatra rehetra
Ahoana no hamaritanao ny fitiavan’ Andriamanitra? Nahita hazo tsara tarehy tao anatin’ny fahitana i Lehia. Nihinana ny voan’ilay hazo izy, ary “tena mamy izany, manoatra noho izay rehetra” efa nandramany hatrizay (1 Nefia 8:11). Ilay hazo sy ny voany dia maneho ny fitiavan’ Andriamanitra izay niseho tamin’ny fahaterahana, fiainana, asa fanompoana ary sorom-panavotan’i Jesoa Kristy. Io fitiavana io dia “nameno fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahin’i [Lehia]” (1 Nefia 8:12). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampitombo ny fanirianao hahatsapa fifaliana amin’ny alalan’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Haizina sy fahazavana
Mpandahateny maro tamin’ny fihaonambe maneran-tany no nizara tantara mahakasika fiainana haizina ara-batana narahina fahatakarana tsy nitsaha-nitombo sy fankasitrahana fahazavana. Ezaho alaina sary an-tsaina ireto toe-java-misy manaraka ireto. Vakio na jereo ny iray amin’ireo tantara ireo.
Mitaingina bisikileta ao anatina tonelina mirefy 24 kilaometatra (jereo ny Vern P. Stanfill, “Safidio ny fahazavana,” Liahona, nôv. 2015, 55–57).
Ny jiron’ny Tempoly any Salt Lake tsy mirehitra amin’ny alina (jereo ny Sharon Eubank, “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” Liahona, mey 2019, 73–76).
Midina amin’ny alalan’ny tady any anaty lava-bato lalina (jereo Timothy J. Dyches, “Ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana,” Liahona, mey 2021, 112–15).
Nivavaka ho an’ny famindram-pon’ny Tompo i Lehia
Raha nipetraka tany an-tany foana i Lehia dia nizara tamin’ny fianakaviany ny antsipirian’ny fahitana iray izay hitany. Tao amin’io fahitana io dia tany amina “tany foana maizina sy mahonena” izy (1 Nefia 8:4).
Vakio ny 1 Nefia 8:5–8, hitadiavana ny zavatra niseho tamin’i Lehia sy ny fahatsapany. Mety hanampy ny fakana sary an-tsaina ny zavatra novakinao. Mitadiava antsipirian-javatra manoritsoritra izay afaka manampy anao hamorona sary an-tsaina na haka sary an-tsaina ilay tranga ho toy ny sarimihetsika.
-
Inona araka ny eritreritrao no karazana eritreritra na fahatsapana nahatonga an’i Lehia hivavaka mba hahazo famindram-po?
Makà fotoana hisaintsainana ireo fomba samihafa mety hahatsapantsika haizina eo amin’ny fiainantsika sy ireo antony mety hitarainantsika amin’ny Tompo mba hahazo famindram-po.
Vakio ny 1 Nefia 8:9–12 hitadiavana ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Lehia.
Ao amin’ny diary fandalinanao dia manaova sary tsotsotra maneho ilay hazo hitan’i Lehia. Ataovy eo amin’ilay hazo ny sarin’ilay voany, ary asio anarany ilay voankazo miainga amin’ny fanazavan’i Lehia ao amin’ny 1 Nefia 8:10–12. (Mba hahitana famaritana fanampiny hanomezana anarana ilay voankazo, dia vakio ny 1 Nefia 15:36 sy ny Almà 32:42.) Rehefa manao sary ianao dia eritrereto ny zavatra mety hasehon’ilay hazo sy ny voany.
Taty aoriana dia naniry ny hahalala sy hahatakatra manokana ilay fahitana, miaraka amin’ny hevitr’ilay hazo hitan’i Lehia i Nefia. Teo am-pieritreretana ny zavatra nampianarina azy i Nefia no nampisehoan’ny Fanahy Masina fahitana momba an’i Maria Virijiny nitrotro an’i Jesoa zazakely teny an-tànany (jereo ny 1 Nefia 11:13, 20).
Jereo ity sary manaraka ity ary eritrereto ny antony mety ho nampisehoana izany tamin’i Nefia tamin’ny fotoana naniriany hahalala ny hevitr’ilay hazo.
Vakio ny 1 Nefia 11:21–23, hitadiavana ny zavatra hafa naseho an’i Nefia sy ny fomba nanampian’izany azy hahalala ny dikan’ilay hazo. Azonao asiana anarana araka ny zavatra ianaranao ilay hazo.
-
Ahoana araka ny eritreritrao no fomba anampian’ny Mpamonjy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra?
Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Ny asa fanompoana tety an-tany sy ny sorompanavotana ary ny Fitsanganana amin’ny maty notanterahin’i Jesoa Kristy Tompo no fanehoana lehibe indrindra ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ireo zanany. Ilay voa teo amin’ilay hazo dia azo raisina ho toy ny fanehoana ireo fitahiana entin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. (David A. Bednar, “Avia Fa Ho Hitanareo,” Liahona, nôv. 2014, 109)
-
Avy amin’ny fahitana hitan’i Lehia sy ny teny nambaran’ny Loholona Bednar, inona avy no fahamarinana hitanao momba ny fitiavan’ Andriamanitra?
Mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy fifaliana lehibe amin’ny alalan’i Jesoa Kristy
Fahamarinana azontsika ianarana ny hoe ny fitiavan’ Andriamanitra izay miseho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, dia mampilendalenda kokoa mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ary mitondra fifaliana lehibe.
Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy anao hahafantatra ny fomba mety hahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra anao noho i Jesoa Kristy. Rehefa manao ireo sahanasa ireo ianao, dia miezaha mamantatra fitahiana maro izay tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary soraty eo ambonin’ilay voankazo nataonao sary na manodidina azy izany.
Sahanasa 1
Vakio ny zavatra nijoroan’i Lehia ho vavolombelona rehefa avy nahita io fahitana io izy ao amin’ny 1 Nefia 10:5–6. Mamakia ihany koa sasany amin’ireto soratra masina manaraka ireto na mijere hafa izay maneho ireo fitahiana azontsika raisina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy: Isaia 53:4–5; Jaona 1:17; Môzià 4:2–3; Almà 7:11–12; Helamana 5:12.
Sahanasa 2
Mijereva iray amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, hitadiavana ireo fitahiana izay tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy:
“Sorompanavotana—Tsy zavatra mitranga indray mandeha” (3:00)
“Noho Izy” (2:36)
“Fiadanana ao amin’i Kristy” (4:09)
Sahanasa 3
Saintsaina ireo fomba niainanao ireo fitahiana atolotr’i Jesoa Kristy na ny nahitanao izany tamin’ny fiainan’olon-kafa. Mety hahitana ireo fomba nitahian’ny Tompo anao tamin’ny fotoan’ny haizina izany.
Inona no nianaranao?
Makà fotoana hamerenana mijery ireo fitahiana azontsika raisina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay nosoratanao teo amin’ny sarim-boankazo nataonao. Saintsaino ny antony mahatonga ireo fitahiana ireo ho “mahasambatra ny olona” (1 Nefia 8:10), sy ho “tena mamy, manoatra noho ny zava-drehetra” (1 Nefia 8:11), ary mameno anao “amina fifaliana mitafotafo” (1 Nefia 8:12).