Seminera
1 Nefia 8:19–38: Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra


“1 Nefia 8:19–38: Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“1 Nefia 8:19–38: Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 8:19–38

Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra

Sary
Lehia eo amin’ny anja-by

Olona be dia be eo amin’izao tontolo izao no te hahatsapa fifaliana sy fitiavana saingy tsy mahalala hoe aiza no ahitana izany. Tamin’ny alalan’ny fahitana hitany momba ilay hazon’aina i Lehia dia nianatra momba ny làlana tsy maintsy diavintsika sy ny fomba hijanonana amin’izany mba hisitrahana ireo fitahian’ny fitiavan’ Andriamanitra. Afaka manampy anao hanaraka ny tenin’ Andriamanitra hitarika anao amin’ireo fitahiany lehibe indrindra ity lesona ity.

Ny fahitan’i Lehia

Sary
Ny nofin’i Lehia

Makà fotoana hijerevana io sary hosodokon’ny fahitana hitan’i Lehia io. Izy io dia ahitana ilay hazo, izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra, sy ny voany, izay maneho ireo fitahiana natolotra tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny David A. Bednar, “Lehi’s Dream: Holding Fast to the Rod,” Ensign, ôkt. 2011, 32–37). Ahitana singa fanampiny maro ihany koa izy io.

  • Inona no hitanao ho miavaka indrindra amin’io sary hosodoko io?

  • Inona no azonao ianarana avy amin’ny zavatra jerenao?

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:

Mety hihevitra ianao fa tsy manan-danja manokana aminao ny nofy na ny fahitan’i Lehia, saingy manan-danja izany. Tena ao anatin’izany ianao, ao anatin’izany isika rehetra. (Boyd K. Packer, “Finding Ourselves in Lehi’s Dream,” Liahona, aog. 2010, 22)

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mikatsaha tari-dàlana avy amin’ny Ray any An-danitra mba hahatakarana ny fomba mety hifandraisan’ny fahitan’i Lehia amin’ny fiainanao. Mitadiava fahamarinana izay mety hanampy anao handray ilay fifaliana nampanantenaina amin’ny alalan’ny Mpamonjy, eo ihany koa ny hoe inona avy ireo sakana mety hilainao ialana na resena.

Olona maro mibosesika

Tao amin’ny nofiny i Lehia dia nahita “andian’olona tsy hita isa” (1 Nefia 8:21) niezaka nihazo ny lalana izay nitondra nankeo amin’ny hazo. Niatrika singa maro izay nisy fiantraikany tamin’ny fahafahan’izy ireo nanatona ilay hazo izy ireo: zavon’ny haizina, ny anja-by ary olona tao amina trano lehibe sy malalaka. Afaka mahita ireo singa telo ireo eo amin’ny sary hosodoko eo ambony ianao.

Rehefa mamaky ny 1 Nefia 8:22–34 ianao, dia tadiavo ireo singa ireo sy ny zavatra heverinao fa asehony. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Nahita anja-by sy ireo izay lavo i Lehia” (3:30), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Ao amin’ny diary fandalinanao dia manaova sary fanehoana tsotra an’ilay zavon’ny haizina sy ilay trano lehibe sy malalaka.

    • Inona araka ny eritreritra no mety hasehon’ireo singa ao amin’ny fahitan’i Lehia ireo?

    Tatỳ aoriana dia hitan’i Nefia tao anatina fahitana ny zavatra hitan-drainy ary nohazavainy ireny sariohatra ireny. Vakio ny 1 Nefia 12:17–18 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Nefia. Raketo an-tsoratra ny zavatra ianaranao.

    • Ahoana no fisehon’ilay trano mijoalajoala sy malalaka ary ilay zavon’ny haizina amin’izao androntsika izao?

    • Ahoana no anaovan’ireny sakana ireny izay hahavery làlana ny olona ankehitriny?

    • Inona no zavatra nianaranao ka zava-dehibe ny fahatakarana azy momba ny dianao eo amin’ny fiainana?

Eritrereto ny fakam-panahy atrehinao sy ny fiantraikan’ny avonavom-po aminao. Saintsaino ny fomba entin’izany manao izay hahavariana anao na manankantsakana ny fahafahanao manatona an’i Kristy sy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.

Ny fanampiana omen’ Andriamanitra antsika

Tao amin’ny fahitana hitan’i Lehia Andriamanitra dia nanomana fomba hanampiana ireo zanany hanatona ilay hazo ihany koa. Nisy “làlana ety sy tery” (1 Nefia 8:20) izay nitondra tany amin’ilay hazo. Teny an-dàlana dia nanome “anja-by” iray izay nitarika ny olona Izy (1 Nefia 8:19, 24, 30).

  • Inona no heverinao ho manan-danja amin’ilay hoe anja vita amin’ny vy?

Vakio ny 1 Nefia 15:23–25 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Nefia momba ny hevitr’ilay anja sy ny fampanantenany momba izany.

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Ao amin’ny diary fandalinanao dia manaova sarin’ilay anja-by ary soraty ny zavatra asehon’izany.

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe raha mihaino sy mihazona mafy ny tenin’ny Tompo isika, dia tsy haharesy antsika ny fakam-panahin’ny fahavalo.

  • Ahoana no ahafahan’ireo tenin’ny Tompo ao amin’ny soratra masina sy ireo lazain’ny mpaminany manome fiarovana sy tanjaka mandritra ny fotoan’ny fakam-panahy?

  • Inona avy ireo ohatra sasany amin’ny fomba ahafahan’ny tenin’ny Tompo mitarika antsika handray fitahiana sy fifaliana omen’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany?

  • Inona no ampianarin’io fahamarinana io anao mikasika ny Tompo?

Hamaranana ity lesona ity, dia saintsaino ny misy anao amin’izany fahitana izany. Ahoana no nanatonanao ny Mpamonjy, ary ahoana no anohizanao miezaka manatona Azy? Inona no zava-mahavariana na fakam-panahy atrehinao? Ahoana no anampian’ny Tompo anao amin’ny alalan’ny teniny?

Hevero ny hanombana ny tanjon’ny fandalinanao soratra masina sy ny fomba anampian’izany anao, ary koa ireo fanatsarana na fanovana tianao hatao. Raha tsy manana tanjona amin’ny fandalinana ianao, dia hevero ny haka fotoana kely hanaovana anankiray.

Hamoaka printy