Seminera
Môzià 1: “Raha tsy teo ireto takelaka ireto”


“Môzià 1: -Raha tsy teo ireto atakelaka ireto,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 1,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 1

“Raha tsy teo ireto takelaka ireto”

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Inona no mety ho fiantraikan’ny soratra masina eo amin’ny fihazonana finoana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainanao? I Benjamina Mpanjaka dia nampianatra ny zanany ny anjara asa manan-danjan’ny soratra masina eo amin’ny finoan’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fanirianao handalina ny soratra masina.

Inona no tena ilaina amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

  • Mety hanao ahoana ny fiainantsika raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina hafa?

ChurchofJesusChrist.org

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto, na valio ao anatin’ny diary fandalinanao:

  • Inona no zavatra tsapanao momba ny soratra masina? Nahoana?

  • Raha manohy ny fahazaranao amin’izao fotoana izao eo amin’ny fandalinanao ianao mandritra ny taona maro manaraka, dia inona no ho fiantraikan’izany aminao raha ny eritreritrao?

  • Raha tsy manana fahazarana mandalina soratra masina ianao amin’izao fotoana izao, inona no ilainao ho takarina na ho tsapa mba hanombohana mandalina izany?

Manohiza mieritreritra momba ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ity lesona ity ianao. Hamaky torohevitra momba ny soratra masina avy amin’i Benjamina Mpanjaka izay nomeny an’ireo zanakalahiny ianao. Katsaho ny hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fomba ahafahan’ny soratra masina mitahy ny fiainanao.

Torohevitra avy amin’i Benjamina Mpanjaka

I Môzià, rain’i Benjamina Mpanjaka, dia nampitandreman’ny Tompo fa tokony hiala eo amin’ny tanindrazany ny olony. Rehefa nankatò izy ireo dia nahita ny vahoakan’i Zarahemlà (jereo ny Ômnia 1:12–19). Ireo vondron’olona roa ireo dia niara-nivondrona teo ambanin’ny fitarihan’i Môzià, izay notendrena ho mpanjaka, ary tamin’ny farany i Benjamina dia tonga mpanjaka taorian’ny rainy. Mety hanampy ny famantarana kokoa ny momba an’i Benjamina Mpanjaka mialoha ny handalinanao ny zavatra nampianariny ireo zanany.

Vakio ny Tenin’i Môrmôna 1:12–18 sy ny Môzià 1:1 hitadiavana ireo fahasarotana natrehin’i Benjamina Mpanjaka sy ny zavatra nataony nanaitra anao.

  • Inona no hitanao?

  • Inona no antony mety hanirianao handre torohevitra avy amin’i Benjamina Mpanjaka?

Vakio ny Môzià 1:2–7 hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Benjamina Mpanjaka ireo zanakalahiny momba ny soratra masina. Mety hanampy ny mahafantatra fa “ny misterin’ Andriamanitra dia ireo fahamarinana ara-panahy tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’ny fanambarana” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Misterin’ Andriamanitra,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). ChurchofJesusChrist.org

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity:

    • Inona no nianaranao avy amin’i Benjamina Mpanjaka momba ny soratra masina?

Ireo dia ny sasantsasany amin’ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’i Benjamina Mpanjaka:

  • Raha tsy mandalina ny soratra masina tsy tapaka sy amim-pahazotoana isika, dia mety ho very tsikelikely ny finoantsika.

  • Hahazo tombontsoa amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina amim-pahazotoana isika.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mety ho very tsikelikely ny finoantsika raha tsy mandalina ny soratra masina isika?

Ny Tompo dia nampanantena fa hitahy antsika amin’ny lafiny maro rehefa mamaky ny soratra masina isika. Halalino ny vitsivitsy amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary tadiavo ny sasantsasany amin’ireo fitahiana ireo:

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona amin’ireo fitahiana ireo no irinao indrindra eo amin’ny fiainanao?

    • Ahoana no hampitomboan’ireo fitahiana ireo ny finoantsika ny Tompo sy ny filazantsarany?

Soratra masina sy ny finoantsika

Nampianatra toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ny tanjona fototry ny soratra masina rehetra dia ny hameno ny fanahintsika amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany, i Jesoa Kristy—finoana fa misy Izy Ireo; finoana ny drafitry ny Ray ho an’ny tsy fahafatesantsika sy ny fiainantsika mandrakizay; finoana ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, izay mamelona ity drafitry ny fahasambarana ity; finoana mba hahatonga ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho fomba fiainantsika; ary finoana mba hahalalana “ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesoa Kristy, izay [nirahiny] ” (Jaona 17:3). (D. Todd Christofferson, “Ny fitahian’ny soratra masina,” Liahona, mey 2010, 34)

  1. Mba hanampiana anao hisaintsaina ny fomba nampitomboan’ny soratra masina na nahafahany mampitombo ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia ataovy ny roa farafahakeliny amin’ireto manaraka ireto:

    1. Soraty ny toko sy andinin-tsoratra masin’andininy roa na telo izay nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fiainanao na ny fijoroana ho vavolombelona anananao, indrindra fa momba an’i Jesoa Kristy na ny Ray any An-danitra. Ahoana no nanampian’ireo soratra masina ireo anao? Mety hanao ahoana ny fahasamihafan’ny fiainanao raha tsy mbola namaky ireny andininy ireny mihitsy ianao?

    2. Halalino mandritra ny dimy minitra ny soratra masinao. Tadiavo ny fahamarinana rehetra izay mety hanampy hanao hitoetra ho mahatoky amin’ny Tompo sy ny filazantsarany. Ifantohy izay fahatsapana mety hanampy ihany koa. Manorata momba ny zavatra niainanao.

    3. Mandefasa hafatra an-tsoratra na miresaha amin’olona iray izay heverinao fa mahatoky tanteraka amin’i Jesoa Kristy Tompo. Anontanio izany olona izany hoe inona no anjara asan’ny soratra masina amin’ny fanampiana azy hitoetra ho mahatoky.

    4. ChurchofJesusChrist.org.

Ny fandalinana soratra masina ataonao manokana

Saintsaino ny fandalinanao soratra masina. Amin’ny fomba ahoana no itomboan’ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mandalina amim-pahazotoana ny tenin’ Andriamanitra ianao? Misy zavatra tsapanao fa tian’ny Tompo hataonao ve mba hanatsarana ny fandalinanao? Hevero ny hanoratra izay tanjona rehetra mety hapetrakao ao anatin’ny diary fandalinanao.

Hamoaka printy