“Famerenana fifehezana fotopampianarana 6: Takaro ary hazavao,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Famerenana fifehezana fotopampianarana 6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Famerenana fifehezana fotopampianarana 6
Takaro ary hazavao
Ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hanampy anao hahatakatra ireo fampianaran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary ho afaka hanazava izany amin’ny teninao manokana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny fahamarinana sy hanazava izany avy amina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.
Paikady
Eritrereto ny fanatanjahan-tena, ny lalao ataon’olona maro, ny lalao mampiasa karatra, na ny jeu vidéo tianao indrindra.
-
Inona avy no paikady manampy mba handresena ao anatin’ilay fanatanjahan-tena na lalao tianao indrindra? Nahoana?
-
Nahoana no manan-danja ny fananana paikady na drafitra amina lalao iray?
ChurchofJesusChrist.org.
-
Ankoatra ny famakiana ny soratra masina, ahoana no ahafahan’ny fananana paikady hahazoana fahatakarana tsara kokoa ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina manampy anao?
-
Inona avy no paikady nampiasainao ka nanampy anao hahatakatra ny soratra masina?
Misy paikady maro hanampiana anao hahatakatra lalina kokoa ny soratra masina. Ao amin’ity lesona dia hanana fahafahana manandrana paikady iray ianao mba hahatakarana tsara kokoa andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.
Etsy ambany ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy ao amin’ny antsasany voalohany amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mifantena iray na maromaro izay tianao hotakarina lalina kokoa.
Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja
Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)
Andinin-tsoratra masina |
Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina |
---|---|
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “[Esory] ny maha olona araka ny nofo [ … ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina Aoka ianareo hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo.” |
© 2023 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved.
Halalino ny fahatakaranao
Vakio ny andininy na ireo andininy nosafidinao.
-
Inona avy amin’ireo andininy ireo no tianao ho takatra tsara kokoa? Inona no paikady azonao ampiasaina mba hanaovana izany?
Ampiasao ity paikady manaraka ity, na anankiray hafa fantatrao, mba hampitomboana ny fahatakaranao ilay andininy na ireo andininy nofantenanao. Hanana fahafahana hanazava ny zavatra nianaranao taty aoriana kokoa tao amin’ny lesona ianao.
Ny gazetiboky Ho zatovo mahery! dia matetika ahitana sahanasa fandalinana soratra masina antsoina hoe “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra,” izay manazava na mamaritra teny manan-danja na andian-teny avy amina andinin-tsoratra masina. Mba hahitana sahanasa “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” iray, dia jereo ny “Mandatsaka fanorenana,” Ho zatovo mahery!, jan. 2021, 19.
Foròny ny “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” anao manokana ho an’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana voatanisa etsy ambony. Raha mankafy zava-kanto ianao, dia hevero ny hampiditra sary na loko ao amin’ny pejy “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” izay anao. Ampiasao ireto torolalana manaraka ireto mba hanampy anao hamorona izany:
-
Soraty eny amin’ny tampon’ilay pejy avokoa ny teny rehetra ao amin’ilay andinin-tsoratra masina nosafidinao.
-
Misafidiana teny na andian-teny dimy farafahakeliny avy amin’izany andinin-tsoratra masina izany ary tanisao eo amin’ny ilany havia amin’ilay pejy izany. Mamelà toerana ampy hasiana fanamarihana eo akaikin’ny teny na andian-teny tsirairay.
-
Mitadiava ary manaova lisitrana famaritana, fanazavana, ohatra, andinin-tsoratra masina mifandray, na teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ireo teny na andian-teny avy amin’ilay andinin-tsoratra masina. Tanisao eo akaikin’ny teny izay mifandray aminy izy ireo. Azonao atao ny mampiasa fitaovana toy ny Torolalana ho an’ny soratra masina, na ireo lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na ireo gazetibokin’ny Fiangonana.
-
Mampidira, eo amin’ny faritra iray ao amin’ny tahirin-kevitrao, andiam-pehezanteny iray momba ny zavatra nianaranao na tianao hotsaroana avy amin’io andininy io. Ampidiro ny zavatra ampianarin’izany anao momba ny Mpamonjy, na ny Fiangonany, na ny iraka ataony hamonjena antsika.
Raha tianao, dia avereno amina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray hafa avy ao amin’ilay lisitra io sahanasa io.
Zarao ny zavatra nianaranao
Mitadiava namana akaiky na olona ao amin’ny fianakaviana hizarana ny pejy “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” nataonao. Hazavao ny sasany amin’ireo zavatra nianaranao momba io soratra masina io rehefa mandray anjara amin’io sahanasa io ianao.