Seminera
Môzià 2:1–18: “Eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo”


“Môzià 2:1–18: -Eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 2:1–18,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 2:1–18

“Eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo”

Sary
I Benjamina Mpanjaka miresaka amin’ny vahoaka

Inona no mahatonga ny mpitarika iray ho lehibe? Ao amin’ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka, isika dia mahita santionany amin’ny hoe karazana mpitarika sy maodely fakan-tahaka toy ny ahoana izy ho an’ny vahoakany. I Benjamina Mpanjaka dia nanompo an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanompoany ny olony sy ny fampianarany azy ireo mba hifanompo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanompo tsara kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana tsara kokoa ny hafa.

Ahoana no fahitanao ny asa fanompoana?

Makà 60 segondra hanoratana fomba betsaka isan-karazany araka izay tonga ao an-tsainao ka ahafahanao manompo olona iray amin’ity herinandro ity.

  • Inona no mety handrisika ny olona iray hanao ireo zavatra ireo?

  • Inona no antony mety hampisalasala ny olona iray hanao ireo zavatra ireo?

Iza amin’ireto manaraka ireto no mety hamaritra indrindra ny fahatsapanao amin’izao fotoana izao momba ireo fahafahana misokatra hanompoana?

  • Mitady fahafahana misokatra manompo aho.

  • Mamaly avy amin’ny foko aho rehefa angatahina hanampy.

  • Te hanompo aho saingy hitako hoe sarotra ny manao ny asa fanompoana ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainako.

  • Ohatran’ny mieritreritra foana aho fa hisy olona hafa hanao ilay asa fanompoana.

  • Tia manompo aho saingy matahotra ny mety handraisan’ny hafa ahy.

  • Tia manompo aho saingy miady mafy amin’ny faniriana ny ho tsikaritra sy hankasitrahin’ny hafa.

  • Hafa:

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia eritrereto ny fomba sy antony mety hahafahanao manompo tsara kokoa ireo manodidina anao, manomboka androany.

Ny ohatra amin’ny fanompoana nasehon’i Benjamina Mpanjaka

Rehefa nanakaiky ny fiafaran’ny fiainany i Benjamina Mpanjaka, dia nangataka an’i Môzià zanany lahy hiantso ny vahoaka Nefita izy mba hahafahany miresaka amin’izy ireo. Niangona isam-pianakaviana tao amin’ny tempoly izy ireo mba hihaino an’i Benjamina Mpanjaka (jereo ny Môzià 2:1–9).

Vakio ny Môzià 2:10–14, hitadiavana ny fomba nanompoan’i Benjamina Mpanjaka ny olony.

Sary
sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1.  Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no manaitra anao indrindra momba an’i Benjamina Mpanjaka?

    • Mety hiova toy ny ahoana ny fianakavianao, ny sekolinao, na ny vondrom-piarahamonina misy anao raha miaina amin’ny fomba niainan’i Benjamina Mpanjaka ny olona?

Ny antony anompoantsika

Vakio ny Môzià 2:15–18, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Benjamina Mpanjaka momba ny asa fanompoana.

  • Inona avy ireo fahamarinana hitanao ao?

Ny Môzià 2:17 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’i Benjamina Mpanjaka ny hoe “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

  1.  Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Amin’ny fomba ahoana no hoe manompo an’ Andriamanitra isika rehefa manompo ny hafa?

    • Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo ka mampahatsiahy anao momba an’i Jesoa Kristy?

Vakio ity teny nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) manaraka ity, ary tadiavo ny zavatra ampianariny momba ny fifandraisana misy eo amin’ny fanompoantsika ny hafa sy ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra:

Rehefa mijery mankany an-danitra isika, dia tsy maintsy mianatra momba ny andraikitsika hitodika amin’ny any ivelany. Mba hahitana fahasambarana marina dia tsy maintsy mikatsaka izany amin’ny fifantohana any ivelan’ny tenantsika isika. Tsy nisy olona nianatra ny dikan’ny fiainana raha tsy efa nanolotra ny tenany hanompo ny mpiara-belona taminy. … Ny Testamenta Vaovao dia mampianatra fa tsy azo heverina ny fanarahana an’i Kristy raha tsy manolo-tena tsy amim-pitiavan-tena ho an’ny olombelona. …

Miandrandra ny Mpamonjy ho ohatra ho antsika amin’ny fanompoana isika. Na dia tonga teto an-tany tamin’ny naha-Zanakalahin’ Andriamanitra Azy aza Izy dia nanompo tamim-panetrentena ireo nanodidina Azy. Tonga avy any an-danitra hiaina ety an-tany amin’ny maha-olombelona mety maty Azy Izy ary hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny filazantsarany feno voninahitra dia nanova ny fisainan’izao tontolo izao. Nitsodrano ny marary Izy, nahatonga ny mandringa handeha, ny jamba hahiratra, ary ny marenina handre. Nanangana ny maty mihitsy aza Izy. (Thomas S. Monson, “The Joy of Service,” New Era, ôkt. 2009, 4, 6)

  • Ahoana no andrisihan’ny fieritreretana momba ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy anao mba hanompo ny hafa?

Azonao atao ny mijery ity horonan-tsary manaraka ity, “Service through Song” (3:19), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny ohatra fanampiny dia azo jerena eo ambanin’ny lohateny hoe “Inona no ohatra sasantsasany amin’ny fanompoana tahaka ny an’i Kristy?” ao amin’ny fizarana hoe “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?”.

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha voatahy anao tamin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa?

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha voatahy anao tamin’ny alalan’ny fanompoana nataon’ny hafa?

Manaova drafitra

Ny Rahavavy Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nizara ity fahatakarana manan-danja momba ny fanompoana ity. Diniho ny zavatra ampianariny rehefa miomana hanao drafitra hanompoana ny hafa ianao. Jereo ilay horonan-tsary hoe “You Are the Gift” (0:54), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity teny nambara manaraka ity.

Raha manova ny fomba fijerintsika isika mba tsy ho resaka fanomezan-javatra loatra ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana fa famaliana kosa ny hetaheta mba hifandray aman’olona, fanomezana fahafahana hanao fifanakalozan-kevitra manan-danja, ary famoronana fifandraisana mahasoa sy tsara, dia afaka mandefa antsika amina toerana iray ny Tompo. …

… Tadidio fa, tahaka ny Mpamonjy, ny tenanao dia isan’ireo fanomezana tsara indrindra azonao omena ireo olona hafa mila fanampiana. (Sharon Eubank, “Turning Enemies into Friends” [Fifanakalozan-kevitra tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 23 jan., 2018], 6–7, speeches.byu.edu)

  • Inona no nanaitra anao indrindra tamin’ny zavatra nampianarin’ny Rahavavy Eubank momba ny fanompoana?

Inona avy no fomba sasantsasany ahafahanao manao ny zavatra nampianariny? Eritrereto ny fianakavianao, ny namanao, na ny fiarahamonina misy anao. Mivavaha mba hangatahana amin’ny Ray any An-danitra hanome anao aingam-panahy momba ireo fomba mety hahafahanao manompo. Ao amin’ny diary fandalinanao, manorata anaran’olona izay tonga ao an-tsaina sy hevitra momba ny fomba ahafahanao manampy azy ireo. Tapaho hoe rahoviana ianao no handray andraikitra eo anatrehan’ireo fahatsapanao. Mety misy zavatra azonao atao amin’izao fotoana izao.

Hamoaka printy