Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:17—“Ny fanompoana an’Andriamanitrareo”.


“Fifehezana Fotopampianarana: Môzià 2:17—‘Ny fanompoana an’ Andriamanitrareo,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana Fotopampianarana: Môzià 2:17,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:17

“Ny fanompoana an’Andriamanitrareo”.

Sary
zatovolahy mamangy lehilahy zokiolona

Ao amin’ny lesona “Môzià 2:1–18,” dia nianatra ianao fa “rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo” (Môzià 2:17). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny Môzià 2:17, sy hanazava ilay fotopampianarana ary hanazatra tena amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Vakio ny Môzià 2:17 sy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao Matio 22:36–39, hitadiavana izay fitovitoviana.

  • Inona avy no fitovitoviana hitanao amin’ny Matio 22:36–39 sy ny Môzià 2:17?

  • Ahoana no hanazavanao ny fotopampianaran’ny fanompoana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andininy ireo?

Makà minitra vitsy hianarana tsianjery ny toko sy andininy ary andianteny manan-danjan’ny Môzià 2:17. Soraty amina taratasy izany: “‘Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo’ (Môzià 2:17).” Makà roa minitra hamerenana im-betsaka araka izay vitanao ilay andian-teny manan-danja sy ilay toko sy andinin-tsoratra masina.

Ento mandehandeha miaraka aminao mandritra ny tontolo andro ilay taratasy. Mandritra ny tontolo andro rehefa tsapanao ilay taratasy na tadidinao fa ao, dia miezaha mamerina ilay andianteny manan-danja sy toko sy andininy ao an-dohanao. Alohan’ny handehananao matory, dia miezaha mamerina izany tsy ankijery.

Fizàrana mampihatra

Vakio hatramin’ny farany ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Misafidiana fehezanteny iray avy amin’ny fizarana tsirairay izay hitanao fa manan-danja manokana. Hevero ny hanasiana marika ireo fehezanteny ireo. Ataovy an-tsaina ireny fehezanteny ireny rehefa manatanteraka ity fampiasana manaraka ity.

Amin’ny ankapobeny ny fanompoana dia zavatra iainana mahafinaritra ho an’ireo izay mandray anjara sy ireo izay tompoina. Na izany aza, misy ihany koa ireo olana izay mety ho ampahany amin’ny fanompoana. Saintsaino ny làla-misokatra hanompoana vao haingana nanananao. Inona avy no sasantsasany amin’ireo olana niaraka tamin’ilay fanompoana? Inona avy ireo antony sasany mety hahatonga ny olona hisafidy ny tsy hanompo ny hafa?

Soraty ny rafi-tantaranao manokana mamaritra olana iray amin’ny fanompoana. Ity misy ohatra iray: I Sophia dia nangatahin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana misy azy hitondra zavatra manokana ho ana tsingerintaona any amin’ny ankizivavy iray tsy dia mazoto ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy misy azy. Rehefa tonga teo am-baravarana ilay ankizivavy, dia tsy dia nisariaka tamin’i Sophia izy. Nahatsapa ho voaratra i Sophia sady lasa, ary nanenina tamin’ny nanaovany ilay fanompoana.

Manao asa amim-pinoana

Sary
mari-pamantarana, raketo
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no maha-hetsi-pinoana ny manompo na dia eo aza ireo fanamby?

    • Ahoana no ahafahan’ilay fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Môzià 2:17 manampy ilay olona ao amin’io zava-misy io hanao asa amim-pinoana?

Fakafakao amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ireo foto-kevitra sy fanontaniana.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no miova rehefa mahita ilay rafi-tantara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ianao?

    • Ahoana no ahafahan’ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Mosiah 2:17 manampy ilay olona hijery ireo zavatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

    • Inona araka ny eritreritrao no mety ho nataon’ny Mpamonjy tao anatin’io toe-javatra io?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Mitadiava soratra masina fanampiny na fanambarana avy amin’ny fihaonambe maneran-tany izay azonao zaraina mba hanampiana olona iray hanompo amina toe-tsaina feno fahavononana. Mba hanaovana izany, dia andramo tadiavina ao ami’ny application Médiathèque de l’Évangile ny hoe “fanompoana”, ary avy eo dia jereo ireo soratra masina na lahateny nandritra ny fihaonambe izay miseho. Azonao atao koa ny mitady hoe; “fanompoana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.

  1. Soraty ilay soratra masina na tenin’olona hitanao, ary farito ny fomba hanampian’izany ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara.

Hamoaka printy