“Môzià 2:19–41: ‘Tahiana amin’ny zava-drehetra,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Môzià 2:19–41,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Môzià 2:19–41
“Tahiana amin’ny zava-drehetra”
Vonona ny hanao inona ianao mba hahazoana fahasambarana tsy manam-pahataperana? Nanasa ny olony ny Mpanjaka Benjamina hikatsaka fahasambarana amin’ny alalan’ny fiainana sy fanokanan-tena marina ho an’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hikatsaka “ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra” (Môzià 2:41).
Isao ireo fitahiana
Hirao na vakio ny tonon’ilay hoe “Isao ireo fitahiana” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, no. 16), na jereo ity horonan-tsary manaraka ity. Eritrereto ny tonony sy ny fifandraisan’izany amin’ny fiainanao.
Makà iray na roa minitra hanaovana lisitra ao amin’ny diary fandalinanao ireo fitahiana nomen’ Andriamanitra anao.
-
Inona no tsikaritrao na nianaranao avy amin’ny fitanisanao ireo fitahiana azonao?
Rehefa nampianatra mikasika ny asa fanompoana ny Mpanjaka Benjamina dia nanasa ireo Nefita izy hieritreritra ny fomba hikatsahan’izy ireo sy handraisany ireo fitahian’ny Ray any An-danitra. Rehefa mandalina ianao anio, dia saintsaino ny fomba efa nitahian’ny Tompo anao rehefa miezaka mitandrina ny didiny ianao.
Vakio ny Môzià 2 :19–25, ka tadiavo ireo valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’Andriamanitra ireo Nefita? Hevero ny hanamarika izay rehetra fitahiana itovianao amin’izy ireo.
-
Inona no ataon’ ny Ray any an-danitra rehefa mankatò ireo didiny isika? Manao ahoana no hafaingainana hanaovany izany?
-
Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao mikasika an’ Andriamanitra?
Rehefa avy nanampy ny Nefita hamantatra ireo fitahiana azon’izy ireo i Benjamina Mpanjaka, dia nanambara fa ny zanany lahy Môzià no ho mpanjaka vaovaon’izy ireo. Nampahatsiahiviny azy ireo ny fomba maro mety hahaverezan’ny olona ny fitahiana azon’izy ireo amin’ny alalan’ny fifandirana, fandikan-dalàna, fikomiana, ary fandikana ny didin’ Andriamanitra. Nampianatra ny vokatra mandrakizain’ireny fihetsika ireny ihany koa izy ary nanome fampanantenana an’ireo izay mitandrina ny didy. (Jereo ny Môzià 2:29–40.)
Voatahy sy sambatra
Vakio ny Môzià 2:41, hitadiavana fampanantenana iray nomen’i Benjamina Mpanjaka.
-
Ahoana no mety hahafahanao mamintina ny andininy 41 ho fitsipi-pahamarinana iray?
Iray amin’ireo fampanantenana natao ao amin’ny Môzià 2:41 ny hoe raha mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika, dia hitahy antsika ara-nofo sy ara-panahy Andriamanitra. Na izany aza, misy betsaka kokoa azontsika ianarana avy amin’io andininy io amin’ny alalan’ny fandalinana mitsitokantokana ny andianteny tsirairay.
Ny fitahiana ara-nofo dia mety hahitana ireo zavatra toy ny fahasalamana ara-batana, ny firoboroboana, na fitahiana hafa mifandray amin’ny fiainana an-tany. Ny fitahiana ara-panahy dia zavatra izay maharitra mandrakizay. Izy ireny dia ahitana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny fianakaviantsika, ny famelan-keloka amin’ny ota, ny tari-dalana avy amin’ny Fanahy Masina, sy ny sisa.
Saintsaino
Rehefa vitanao ny sahanasa fianarana, dia makà minitra vitsy “hiheverana ny toetry ny fitahiana sy ny fahasambara[nao].” Saintsaino ary manorata momba ny fihetsikao manoloana an’ Andriamanitra sy ny fankatoavana ny didiny ao amin’ny diary fandalinanao. Ampidiro ao anatin’izany ny fomba ahafahanao manorina sy mampihatra ny finoanao mba handraisana ireo fitahiany. Saintsaino ny fomba hiantraikan’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.