“Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:41—-Ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“Môzià 2:19–41,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
Fifehezana fotopampianarana: Môzià 2:41
“Ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra”
Tao amin’ny lesona iray tany aloha dia nianaranao fa raha mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika, dia hitahy antsika ara-nofo sy ara-panahy Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny Môzià 2:41, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.
Ianaro tsianjery dia hazavao
Fampiharana hanazaran-tena
Alaovy sary an-tsaina ity rafi-tantara manaraka ity:
I Nivo dia nianatra lesona fifehezana fotopampianarana tao amin’ny seminera izay nanasongadina fa ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra dia mitondra fahasambarana sy fitahiana eo amin’ny fiainantsika. Taorian’izay, nahatsiaro ho nikorontan-tsaina momba ny zava-misy iainany i Nivo. Miezaka mitandrina ireo didy izy saingy tsy tsapany hoe mahalasa ny fiainany ho mora kokoa, sambatra kokoa, na tsara kokoa izany. Mbola sarotra foana ny fianarany any am-pianarana ary manana olana vitsivitsy amin’ny fianakaviana sy namana izy. Raha tokony hitondra fahasambarana ny fankatoavany ireo didy, nahoana no mahatsapa toy izany izy?
Manao asa amim-pinoana
Vakio ny andiam-pehezanteny 5–6 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mitadiava andian-teny izay afaka manampy an’i Jenna.
-
Inona no azonao zaraina avy amin’ireo andiam-pehezanteny ireo mba hanampiana an’i Jenna hanao asa amim-pinoana?
-
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’izany manampy an’i Jenna?
Mamakafaka amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny foto-kevitra sy fanontaniana
Vakio ny andiam-pehezanteny 8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mitadiava andian-teny izay afaka manampy an’i Nivo.
-
Inona no mety hozarainao amin’i Nivo?
-
Inona no antony mety hizaranao izany aminy?
Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra
Vakio ny andiam-pehezan-teny 11 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mitadiava andian-teny izay afaka manampy an’i Nivo.
-
Inona avy no loharano avy amin’ Andriamanitra hafa azonao atoro an’i Jenna mba hitodihany?
-
Ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’izany azy?
-
Valio ao anatina andiam-pehezan-teny ahitana fehezan-teny 5 farafahakeliny ity fanontaniana manaraka ity.
-
Ahoana no ahafahan’i Jenna mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny Môzià 2:41 mba hamahana ny olany?
-