2021
Mandatsaka fanorenana
Janoary 2021


“Mandatsaka fanorenana,” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 19.

Andalana anampy andalana

Mandatsaka fanorenana

Ny teny filamatra amin’ity taona ity dia manampy anao hahafantatra sy hahatakatra ny anjara asanao amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Sary
Mandatsaka fanorenana

Fanaovan-tsoa

Manao soa izay mitaona na mamporisika ny hafa ho handray sy hanao zavatra mendrika sy tsara.

Fanorenana

Ny tapany ambany amin’ny trano, izay ifaharan’ny vesatry ny trano eo amboniny.

Asa lehibe

Ny asa lehibe ataontsika dia ny hanampy hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany, anisan’izany ny fanangonana ny Isiraely.1

Avy amin’ny zavatra madinika

Izay zavatra kely tsara rehetra ataonao dia manampy hananganana zavatra lehibe.

Ny fo sy ny saina marisika

Ny Tompo dia mila antsika hanokana ireo faniriantsika, sy ny eritreritsika, ary ny zavatra tsapantsika ho amin’ny asany.

Mihinana ny soa amin’ny tany

Avy ao amin’ny Testamenta Taloha, izany dia midika hoe miroborobo be tokoa (jereo ny Isaia 1:19).

Ziona

Ziona dia mety hidika hoe: ny vahoakan’ny Tompo, toerana izay honenan’ny vahoakan’ny Tompo, na ny fomba fiainan’ny vahoakan’ny Tompo (madio fo, miaina lalàna selestialy).

Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ziona,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; Sujets de l’Evangile, “Sion,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy