2021
Asa lehibe
Janoary 2021


“Asa lehibe,” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 20–21.

Asa lehibe

Teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2021:
Fotopampianarana sy Fanekempihavana 64:33–34

Nanasa anao ny Tompo handray anjara amin’ny “asa lehibe indrindra” eto an-tany.1

Sary
Fangon’ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2021

Ry zatovovavy sy zatovolahy mahatalanjona isany, anisan’ny mandray anjara amina zavatra mahafinaritra tokoa, dia ny “mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe [iray]” ianareo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33). Izany asa izany dia manampy ny Tompo, Jesoa Kristy, hanatanteraka ny asa nanirahana Azy rehefa mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny lafy roa an’ny voaly sy ny fanorenana an’i Ziona isika.

Mirotsaka ao amin’ny tafiky ny tanora

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanasa anareo tsirairay hirotsaka amin’izany asa izany mba ho anisan’ny “tafiky ny tanoran’ny Tompo.”2 Fa inona moa izany hoe tafika? Ny tafika dia rantsana iray manaraka fiofanana manokana natao hiaraka hanatontosa asa voafaritra. Izany dia midika fa ianareo zatovolahy sy zatovovavy dia anisan’ny rantsana iray manaraka fiofanana manokana mba hitady sy hanatontosa ny anjaranareo ao amin’ilay asa lehiben’ny Tompo.

Rehefa nasain’ny mpaminany ianareo hijery ny tanjon’ny fiainanareo omban’ny fifantohana amin’ny fanangonana an’i Isiraely, dia nanomboka nanahaka ny fiainan’i Mosesy ny fiainanareo. I Mosesy, izay notezaina ho toy ny zanakalahin’ny mpanjakan’i Egypta dia voatery nandositra namonjy ny ainy ary taty aoriana dia lasa faly tamin’ny fiainany tsotra tamin’ny fiandrasana ondry. Saingy niantso azy ny Tompo ary nilaza hoe, “Manana asa ho anao aho” (Mosesy 1:6). Ny Raintsika any An-danitra dia nahafantatra izay tsy fantatr’i Mosesy: dia ny hoe afaka ny ho fitaovana lehibe i Mosesy, miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra, amin’ny famonjena firenena lehibe iray—afaka hahavita na inona na inona izy.

Afaka mitondra fiovana ianareo

Mety manontany tena ianareo hoe: “Fa izaho anie tsy i Mosesy e! Izaho ve dia mba afaka ny hitondra fiovana akory eo amin’izao tontolo izao?” Nisy ny fotoana nahatsapanay toy izany, saingy rehefa ela ny ela dia fantatray fa eny ny valiny. Isan’andro izahay dia mahita zatovo tsotra izay misafidy ny tsy hiaina fiainana tsotra. Manana hery mitaona mahery vaika amin’ireo manodidina azy ireo izy ireo amin’ny alalan’ny fiainan’izy ireo mangina ny maha-mpianatra marina an’i Jesoa Kristy azy ireo. Mampivelatra ny talentan’izy ireo sy manampy ny fianakavian’izy ireo hahomby izy ireo. Nantsoin’ny mpaminany ianareo “[h]andatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe.” Rehefa matoky an’i Jesoa Kristy isika ary mitady ny hanaraka ny sitrapony, dia hitondra fiovana isika!

Tsy irery ianareo ao amin’izany. Rehefa mirotsaka ao amin’ny tafiky ny Tompo ianareo, dia manatevin-daharana ny vondrona lehiben’ny zatovo manerana izao tontolo izao ianareo. Soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra aminareo izahay mbamin’ireo ray aman-dreninareo, ireo mpitarika, sy ireo namana, ireo apôstôly sy mpaminany, ary ireo anjelin’ny lanitra mihitsy, isika rehetra miara-milofo hanatontosa ny asan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88).

Avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe

Ho ataontsika tsikelikely izany. Ny Tompo dia manasa antsika hanao dingana kely sy tsotra rehefa mirotsaka amin’ity asa lehibe ity (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33). Asa atao tsy tapaka sy amim-pahatokiana no hampandroso antsika hatrany, ary hanasa antsika hanolo-tanana sy hanampy ireo izay manodidina antsika. Ny sasany amin’ireny zavatra tsotra ireny dia afaka ampifanarahanareo amin’ny tanjona manokana satria tsy ary hitovy daholo ny dian’ny tsirairay.

Mivavaha hahafantaranareo hoe iza ianareo sy hahatakaranareo ny anjara asanareo manokana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Mivavaha hahafantaranareo ny zavatra kely sy tsotra izay tokony ho ataonareo isan’andro. Mety ho tsy maintsy hanao zavatra tsy mampahazo aina anareo ianareo, saingy raha vonona ny hanao ny zavatra mifanaraka amin’ny fitaomam-panahy raisinareo ianareo, dia homena bebe kokoa ianareo.

Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson: “Eo am-pikatsahantsika ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia vao mainka tokony ho avy amin’ny nahim-po kokoa ny ezaka ataontsika hihainoana Azy. Mila ezaka an-tsitrapo sy tsy tapaka ny famenoana ny fiainantsika isan’andro amin’ny teniny sy ny fampianarany, ary ireo fahamarinany.”3

Hampivelatra ny fahafahanareo manao zavatra sy hampitombo ny fifalianareo ny Tompo

Rehefa mikatsaka fanambarana ianareo dia hitarika anareo ny Tompo hampiasa ny talentanareo sy ny maha-ianareo anareo manokana hanompoana sy hiainana ny filazantsara. Hanitatra ny sainareo, sy ny fahaizanareo-mamorona, ary ny fahafahanareo manao zavatra amin’ny fomba tsy ampoizinareo Izy.

Rehefa atolotrareo ny Tompo ny fonareo sy ny sainareo marisika dia hahita namana sy fahafahana manompo misimisy kokoa ianareo. Hihamafy orina ny fahafantaranareo ny tenanareo sy sy ny tanjonareo, ary hahita fifaliana ianareo.

Mety hionona amin’izay misy sy tsy ho rototra isika indraindray, kanefa Andriamanitra dia manomana zavatra hafa ho antsika. Tahaka ny nananany asa lehibe ho an’i Mosesy no ananany asa lehibe ho anareo. Aza ketraka! Matoky tanteraka anareo izahay, ry tafiky ny tanoran’ny Tompo.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), 3, HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org.

  2. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” 12, HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org.

  3. Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, apr. 2020 ( Liahona, mey 2020, 89.

Hamoaka printy