2021
Hoy ny olona amiko hoe fieboeboana ny milaza fa ny fiangonantsika irery ihany no Fiangonana marina. Inona no tokony holazaiko azy ireo?
Janoary 2021


“Hoy ny olona amiko hoe fieboeboana ny milaza fa ny fiangonantsika irery ihany no Fiangonana marina. Inona no tokony holazaiko azy ireo?” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 31.

Teneno mivantana

Hoy ny olona amiko hoe fieboeboana ny milaza fa ny fiangonantsika irery ihany no Fiangonana marina. Inona no tokony holazaiko azy ireo?

Sary
fotoam-pianarana ao am-piangonana

Ny Tompo mihitsy no nilaza tamin’i Joseph Smith fa ity Fiangonana ity no “ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo, izay ankasitrahako, Izaho Tompo, raha miteny amin’ny fiangonana manontolo fa tsy amin’ny mpikambana tsirairay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30).

Io fanambarana io dia tsy midika fa tsara kokoa noho ny olon-kafa isika. Saingy izany dia midika fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy. Izy no mitarika izany, Izy no namerina izany tamin’ny laoniny, ary Izy no nanome izany ny fahefany. Noho izany, dia misy ireo zavatra sasantsany izay ity Fiangonana ity irery ihany no misy azy, toy ireo mpaminany sy ireo apôstôly, ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana, ary ny Bokin’i Môrmôna. Feno fankasitrahana noho ireo zavatra ireo isika, ary te hizara ireny amin’ny hafa am-pitiavana tena marina—tsy hoe akory satria te “ho marina” isika na koa hoe te “hampitombo ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana.”

Na dia afaka mijoro ho vavolombelona amim-pahasahiana sy amim-pahatokian-tena momba ny Fiangonana aza isika, dia tsy tokony hieboebo velively amin’ny hafa na mampiseho tsy fanajana ny zavatra inoan’izy ireo. Hoy ny Mpaminany Joseph Smith indray mandeha: “Tsy mangataka ny olona hanary izay tsara ananany isika; ny hany angatahantsika aminy dia ny ho tonga mba haka bebe kokoa” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 155).

Hamoaka printy