“Asa lehibe: Hiran’ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2021,” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 22–25.
Asa lehibe
Hiran’ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2021
Misy asa mila hatao
nomanina ho anao
fony mbola tsy ary ‘ty tany ity.
Anananao ny hery
hiadiana mba tsy ho very
hiatrehanao izany dia.
Fialofana amin’ny rivo-mahery,
Izy tsy hamela anao ho irery.
‘Ty asa lehibe nomena antsika.
dia anisan’ny tajon’ilay Ray.
Koa aza kivy e! F’ Izy homba anao re,
hitarika anao n’aiza aleha.
Fa asa lehibe dia lehibe ’ty asa lehibe.
Tolory Azy ity fo
Fa Izy haneho tokoa
hoe iza ianao ary ho aiza moa.
Koa araho Izy re
dia handroso sy handeha
‘ty asa lehibe.
‘Ty asa lehibe nomena antsika.
dia anisan’ny tajon’ilay Ray.
Koa aza kivy e! F’ Izy homba anao re,
hitarika anao n’aiza aleha.
Fa asa lehibe dia lehibe ’ty asa lehibe.
© 2020 an’ny Intellectual Property, Inc. All rights reserved.
Ity hira ity dia azo adika raha ampiasaina any am-piangonana na any an-tokantrano ka tsy atao itadiavam-bola.
Ity fanamarihana ity dia tsy maintsy hita eo amin’ny tahadika tsirairay izay atao.