2021
Ilay tanjona lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny
Janoary 2021


“Ilay tanjona lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny,” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 3–5.

Ilay tanjona lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny

Ilay asa izay natombok’i Joseph sy i Hyrum Smith, mbamin’ireo olona mahatoky hafa maro dia mbola mitohy ao amin’ny Fiangonana ankehitriny.

Sary
I Joseph sy i Hyrum Smith

Rehefa nandeha tany anaty ala i Joseph Smith fony izy zatovo mba hivavaka, dia nahazo fahitana mahagaga izy, izany no fantatra ankehitriny amin’ny hoe ny Fahitana Voalohany.

Tao amin’io fahitana io dia niteny tamin’i Joseph ny Mpamonjy fa voavela ny helony. Namaly ny fanontanian’i Joseph koa Izy ary nilaza fa tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo fiangonana nisy tamin’izany fotoana izany no “ankatoavin’ Andriamanitra ho ny fiangonany sy fanjakany.”

“Ary tamin’izay fotoana izay koa,” hoy i Joseph, “dia [n]ahazo fampanantenana [aho] fa ny fahafenoan’ny filazantsara dia tokony hampahafantarina ahy amin’ny fotoana ho avy.”1

Sary
Fahitana Voalohany

Taorian’io fahitana be voninahitra io, dia nivoaka ny Alakely Masina i Joseph mba hanomboka ny fiomanany ho lasa mpaminanin’ Andriamanitra.

I Môrônia sy ny Bokin’i Môrmôna

Telo taona taty aoriana tamin’ny 1823 dia nisokatra indray ny lanitra, ka izany dia tafiditra tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo andalam-pitohizan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany. Nisy anjely antsoina hoe Môrônia niseho taminy ary nilaza “fa manana asa hampanaovina [azy] Andriamanitra … [ary nisy] boky iray milevina, voasoratra amin’ny takela-bolamena” izay mirakitra “ny fahafenoan’ny Filazantsara maharitra mandrakizay” (Joseph Smith—Tantara 1:33–34).

Sary
I Joseph Smith mandray ireo takela-bolamena

Nony farany dia azon’i Joseph sy nadikany ary navoakany ilay rakitsoratra fahiny izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe ny Bokin’i Môrmôna.

Mpirahalahy tsy mifanary

I Hyrum rahalahin’i Joseph dia nanohana tsy tapaka an’i Joseph. Niara-niatrika mpihetraketraka sy fanenjehana i Joseph sy Hyrum nandritra ny fiainan’izy ireo. Ohatra, nijaly izaitsizy tao anatin’ny toe-javatra tena nahonena tao amin’ny fonjan’i Liberty tao Missouri nandritra ny dimy volana nandritra ny ririnina mangatsiakan’ny taona 1838–39 izy ireo.

Raha teo am-piatrehana fanenjehana i Hyrum dia nampiseho finoana an’ireo fampanantenana nataon’ny Tompo izy ary tao anatin’izany ny fahazoana antoka fa afaka ny handositra ireo fahavalony izy raha toa ka safidiny izany. Tamin’ny volana jona 1844 dia nomena an’i Hyrum ny safidy hiaina na hanolotra ny ainy mba hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra ary “hamehezany ny tenivavolombelony amin’ny rany”—eo akaikin’i Joseph, ilay rahalahiny malala (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:39).

Herinandro iray talohan’ny namonoana azy ireo tamin’ny fomba feno habibiana, dia nasain’i Joseph naka ny fianakaviany ary handositra i Hyrum. Mbola tena mihetsi-po tokoa aho rehefa mahatsiaro ilay valin-teny nomen’i Hyrum: “Ry Joseph, tsy afaka ny handao anao aho.’’2

Noho izany dia nandeha tany Carthage i Joseph sy i Hyrum, ka maty maritiora ho an’i Kristy sy ny anarany izy ireo tany. “Teo amin’ny androm-piainany dia tsy voazarazara izy ireo ary tamin’ny fahafatesana dia tsy tafasaraka!” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3; nampiana fanamafisana).

Sary
I Hyrum sy i Joseph Smith

Antso mba hihetsehana

Isika dia tokony hahatsiaro lalandava ilay sarany nefain’i Joseph sy i Hyrum Smith, miaraka amin’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy mahatoky hafa, ho fanorenana ny Fiangonana mba hahafahanao sy izaho mandray ireo fitahiana maro sy ireo fahamarinana nambara rehetra izay ananantsika ankehitriny. Tsy tokony hohadinointsika velively ny fahatokian’izy ireo!

Talohan’ny nahafatesany tamin’ny 1844 dia nanoratra taratasy nifono hafanam-po ho an’ireo Olomasina i Joseph. Nanao antso mba hihetsehana izy, izay mbola mitohy ato amin’ny Fiangonana ankehitriny:

Ry rahalahy [sy anabavy], Tsy hitozo ao amin’ity tanjona lehibe tokoa ity va isika? Andeha handroso fa tsy hihemotra. Mahereza ry rahalahy [sy anabavy]; dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ny fandresena! …

“… Aoka isika, amin’ny maha-fiangonana sy vahoaka ary Olomasin’ny Andro Farany antsika, hanatitra fanatitra amim-pahamarinana ho an’ny Tompo.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:22, 24; nampiana fanamafisana).

Eritrereto hoe inona no fanatitra ho haterinao amim-pahamarinana ho an’ny Tompo amin’ny andro ho avy manaraka. Aoka ianao ho be herim-po. Zarao amin’ny olona iray atokisanao izany ary indrindra indrindra makà fotoana hanaovana izany!

Fantatro fa faly ny Mpamonjy rehefa manolotra fanatitra avy amin’ny fontsika amim-pahamarinana isika tahaka ny nahafaly azy tamin’ny fanatitra natolon’ireo mpirahalahy miavaka ireo, dia i Joseph sy i Hyrum izany ary ireo Olomasina mahatoky hafa rehetra.

Fanamarihana

  1. Joseph Smith, “Church History,” Times and Seasons, Mar. 1, 1842, 707; jereo koa ny josephsmithpapers.org.

  2. Joseph Smith, “History of Joseph Smith,” The Latter-day Saints’ Millennial Star,Apr. 19, 1862, 248; nampiana fanamafisana.

Hamoaka printy