2021
Mihaino, sy mitandrina, ary manaraka
Janoary 2021


“Mihaino, mitandrina, ary manaraka,” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 32.

Teny farany

Mihaino, sy mitandrina, ary manaraka

Sary
Mihaino, mitandrina, ary manaraka

Ny teny voalohany indrindra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ny hoe mankatoava (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1). Ny dikan’izany dia “mihaino ombam-pikasana ny hankatò.” Ny hoe mihaino dia midika hoe “Henoy Izy,” mihaino izay lazain’ny Mpamonjy ary avy eo dia manaraka ny toroheviny. Ao amin’ireo teny roa ireo hoe: “Henoy Izy,” dia manome antsika lamina ny Tompo hahazoana fahombiazana sy fahasambarana, ary fifaliana eto amin’ity fiainana ity. Tokony hihaino ny tenin’ny Tompo isika, hitandrina azy ireny, ary hanaraka izay nolazainy antsika!

Aiza no azontsika aleha raha hihaino Azy?

Afaka mitodika any amin’ny soratra masina isika. Afaka mihaino Azy ao amin’ny tempoly ihany koa isika. Maheno Azy mazava kokoa ihany koa isika rehefa manatsara ny fahaizantsika mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina. Ary farany dia mihaino Azy isika rehefa manaraka ny tenin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Inona no hitranga rehefa mihaino sy mitandrina ary manaraka amin’ny nahim-po kokoa izay nolazain’ny Mpamonjy sy izay lazainy amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny mpaminaniny ianareo? Mampanantena aho fa hotahiana amin’ny hery lehibe kokoa ianareo hahafahana miatrika ny fakam-panahy sy ny ady ary ny fahalemena. Mampanantena fahagagana eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy ary ny asanareo andavanandro aho. Ary mampanantena aho fa hitombo ny fahafahanareo mahatsapa fifaliana na dia mitombo aza ireo zavatra mampisafotofoto eo amin’ny fiainanareo.

Hamoaka printy