2021
Mianatra ny fitenin’ny Fanahy
Janoary 2021


“Mianatra ny fitenin’ny Fanahy,” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 16–18.

Avia, hanaraka Ahy

Mianatra ny fitenin’ny Fanahy

Ny fanambarana dia toy ny fiteny iray izay ilaintsika tsirairay ianarana.

Sary
fiteny

Sary nataon’i Michael Mullan

Mety ho henjana ny mianatra fiteny vaovao. Raha efa nianatra fiteny hafa ianao tany am-pianarana na nanandrana nianatra teny hafa samy irery, dia mety ho fantatrao izany avy amin’ny zavatra niainanao! Mitaky asa mafy sy fahazotoana izany. Nianatra espaniôla aho nandritra ny misiônako, mafy izany tamin’ny voalohany, saingy niaraka tamin’ny fanampian’ny Fanahy, dia haiko niandalana ilay izy.

Tiako ny mieritreritra fa karazana fiteny ny fanambarana—ny fitenin’ny Fanahy—izay ilaintsika hianarana mandritra ny fiainantsika. Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”1

Rehefa eritreretinao ilay izy dia misy itoviany betsaka ny mianatra fiteny vaovao sy ny mianatra ny fitenin’ny Fanahy. Jereo ireto fitoviana manaraka ireto—tena afaka manampy anao hianatra bebe kokoa momba ny fomba handraisana ny fanambarana amin’ny alalan’ny fitenin’ny Fanahy ireo.

Fomba fianarana

Rehefa manomboka mianatra fiteny vaovao isika, dia misy ireo fomba samihafa izay mety amin’ny olona samihafa mba hampilentika ao an-tsaina ny zavatra. Ho ahy ny fandalinana ny fitsipi-pitenenana sy ny fitsipi-panoratana no tena nanampy ahy tamin’ny fianarana ny fiteny espaniôla. Ny misiônera sasany dia tia kokoa miresaka amin’ireo mpiara-mitory tamin’izy ireo. Ny fomba iray dia mety manampy kokoa noho ny iray hafa—tadiavo izay mety indrindra ho anao.

Ary tsy mitovy koa ny fomba hahatsapantsika rehetra na handrenesantsika rehetra ny Fanahy. Ohatra, ny reniko. Nandritra ny fotoana ela mandra-pahalehibe ahy, dia nanahy aho hoe tsy afaka mahatsapa ny Fanahy satria izaho dia tsy mba nahazo fitaomam-panahy nitovy tamin’ny fomba nahazoany ny azy mihitsy. Lazalazainy foana fa ireo fitaomam-panahy dia toy ny teny tonga ao an-tsainy. Tsy nitranga tamiko mihitsy izany, koa dia nieritreritra aho hoe tsy afaka mahatsapa ny Fanahy aho izany. Saingy rehefa nandeha ny fotoana dia lasa fantatro fa amin’ny alalan’ny fahatsapana na eritreritra amin’ny ankabeazan’ny fotoana no ifandraisan’ny Fanahy amiko fa tsy amin’ny alalan’ny teny. Fahatsapana fiadanana, sy fifaliana, ary fitiavana no azoko lazaina hoe mifandray amin’ny zavatra niainako momba ny fanambarana.

Tahaka ny fomba fianarana, ny fomba iray hahatsapana ny Fanahy dia tsy hoe tsara kokoa noho ny iray hafa. Tsy mitovy isika tsirairay avy, ary miresaka amintsika tsirairay amin’ny fomba samihafa ny Fanahy. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia azontsika hianarana ireo fomba samihafa rehetra iresahan’ny Fanahy amintsika. Mety “[h]anazava ny sain[tsika]” Izy, na “[h]ilaza fiadanana [amin]’ny saintsika,” “[h]iteny ao an-tsain[tsika] sy ao am-pon[tsika],” na “hitoetra ao am-pontsika,” na mety hahatsapa mahamay ao an-tratrantsika isika, na “ho tsapa[ntsika] fa marina izany,” ary fomba maro hafa koa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:15, 23; 8:2; 9:8).

Rehefa mandalina ny soratra masina isika ary mizatra mihaino ny Fanahy, dia afaka mamantatra ny fomba firesahany amintsika isika.

Mangataha fanampiana

Sary
tanana

Rehefa mianatra fiteny vaovao ianao, dia mety hanampy tokoa ny mangataka fanampiana avy amin’olona mahay ilay fiteny. Manampy tokoa ireo boky sy ireo loharanom-pitaovana hafa, kanefa manafaingana kokoa ny miresaka amin’ny olona izay miteny ilay fiteny.

Rehefa te hianatra bebe kokoa momba ny Fanahy isika dia afaka mahazo fanampiana fanampiny raha mangataka ny olona azontsika itokiana ny fomba fihainoany ny Fanahy—mety ho olona ao amin’ny fianakaviana izany, na mpitarika, na namana. Kanefa ny zavatra manan-danja indrindra dia ny manontany ny Ray any An-danitra. Azontsika atao ny mangataka Aminy zavatra toy ny fahafahana bebe kokoa hihainoana ny Fanahy na fanampiana amin’ny famantarana rehefa mahazo fitaomam-panahy. Raha toa isika ka manetry tena, sy mangataka Azy mba hanampy antsika, ary manam-pinoana fa hanampy antsika Izy hianatra ny fomba hahatsapana ny Fanahy, dia hanampy antsika Izy.

Mandraisa an-tsoratra

Sary
kahie fandraisana an-tsoratra

Rehefa mianatra fiteny iray ianao, dia tena manampy be mihitsy ihany koa ny fandraisana an-tsoratra. Nentiko nanaraka ahy manontolo andro ny kahie fandraisana an-tsoratra hanoratako izay teny vaovao henoko, ary nanandrana ny nanoratra tao amin’ny diariko tamin’ny teny espaniôla aho isa-kalina mba hahazoako manazatra tena. Tsy lavorary ny fitadidiantsika, koa ny fandraisana an-tsoratra dia mamela antsika hamerina hijery ireny any aoriana.

Nasain’ireo mpitarika antsika isika hanoratra ireo fahatsapana ara-panahy voaraintsika mba tsy hanadinoantsika azy ireny.2 Ny fandraisana an-tsoratra ny zavatra toy ireny dia afaka manampy antsika hahatsapa ny Fanahy amin’ny fomba samihafa: (1) Afaka manampy antsika hahatsiaro ireo fitaomam-panahy sy ireo fahatsapana rehefa aty aoriana izany. Mety hanampy anao amin’ny ho avy ireo fitaomam-panahy noraisinao taloha, na koa mety hampahatsiahy anao fotsiny izany fa efa niresaka taminao tokoa ny Fanahy. (2) Fomba iray tsara hanarahanao ny fomba nahatsapanao ny Fanahy taloha koa izany mba hahafahanao mamantatra izany tsara kokoa amin’ny ho avy. Amin’ny alalan’izany ianao dia afaka manomboka mamantatra ny Fanahy amin’ny fomba mazava kokoa.

Miezaha hatrany

Sary
famakiana ny soratra masina

Ary farany, saingy tsy ny kely indrindra, aza milavo lefona. Na dia manana ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny aza ianao, dia mety tsy hahay tanteraka ny fiteny iray izany ao anatin’ny fotoana fohy. Rehefa manazatra tena tsy tapaka sy miasa mafy ianao, dia hitombo ny fahalalanao sy ny fahaizanao ny fitenin’ny Fanahy, kanefa tsy maintsy manana finoana sy faharetana ianao.

Ny fianarana mandray fanambarana ary fahafahana mifandray kokoa amin’ny Fanahy dia tena ezaka mandritra ny fiainana manontolo. Azoko antoka fa raha manontany ireo ray aman-dreninao na ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana ianao, dia hilaza izy ireo fa mbola mianatra hatrany ihany koa izy ireo. Koa aza kivy raha toa ka elabe ilay izy—tsy ianao irery no mbola eo am-pianarana toy izany! Mila fotoana daholo isika mba hianarana fiteny vaovao. Koa manàna faharetana, miezaha hatrany, ary ho eo ny Tompo hanampy anao hianatra ny fitenin’ny Fanahy.

Hamoaka printy