2021
Saram-pianarana avy amin’ny holatra
Janoary 2021


“Saram-pianarana avy amin’ny holatra,” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 6–7.

Saram-pianarana avy amin’ny holatra

Inona no lesona azoko ianarana avy tamin’ny zavatra tsy mampi-te-hihinana toy ny holatra?

Sary
Zatovovavy manao kimono mitazona holatra

Sary nataon’i Julia Yellow

Tsy tia holatra aho. Na ny fofony na ny endriny—tsy tiako mihitsy! Nefa ny ray aman-dreniko dia nanomboka namboly holatra tamin’ny fahazazako, koa dia nihinana izany isan’andro amin’ny sakafo rehetra izahay. Mandritra ny fotoam-pijinjana, dia manampy ny ray aman-dreniko aho mandrapaha-alina ny andro. Ny asako dia ny mandanja 200 grama-na holatra, mametraka izany ao anaty fonosana, ary manidy izany. Tadidiko fa nahafinaritra ahy ny miresaka amin’ny fianakaviako. Toy ireny hoe manao takarivan’ny mpianakavy isan’andro ireny.

Izany koa no fampidiram-bolan’ny fianakaviana, koa tsy maintsy manampy izahay mpianadahy avy. Nisy indro kely anankiroa anefa: Ny voalohany dia amin’ny fotoana tokony hiasanay no fandehanan’ny fandaharana tiako indrindra amin’ny fahitalavitra, koa dia tsy afaka nijery izany aho. Ary faharoa, mandra-pahavitako ny asa, dia lasa mainty avy amin’ny holatra ny tanako, ary sarotra ny manala ilay loko sy fofona amin’ny savony. Fony mbola zaza aho, dia fanaoko ny mitaraina hoe nahoana aho no tsy maintsy manampy miasa mafy isan’andro.

Fidiram-bola tsara nandritra ny elaela ny holatra, saingy taty aoriana dia nihidina ny vidiny satria nihabetsaka ny mpamboly holatra, ary nijanona tamin’ny fambolena holatra ny ray aman-dreniko. Noheveriko fa noho ny fidinan’ny vidiny ihany no nijanonan’izy ireo, kanefa naheno zavatra nahagaga ahy aho rehefa nahavita ny fianarako tany amin’ny ambaratonga ambony.

Nanomboka namboly holatra ny ray aman-dreniko hanokanana vola ho ahy sy ny anadahiko mba hahafahanay mankany amin’ny oniversite. Ny hany antony nijanonan’ny ray aman-dreniko dia satria nahatratra ny tanjona nenjehiny izy ireo. Noho ny nahafantatra an’izany aho dia menatra ny fitarainako taloha. Tsy fantatro fa niasa ho an’ny saram-pianarako amin’ny ho avy aho. Ary ny tena nahavariana dia nanampy ahy ny fianakaviako!

Nitaraina isan’andro hatrany aho tsy nahafantatra akory hoe ny fambolenay holatra anie ka handoavana ny saram-pianarako. Ny fitarainako dia toy ny an’i Lamàna sy Lemoela ao amin’ny 1 Nefia 2:12: “Ary dia toy izany no nimonomononan’ i Lamàna sy i Lemoela … satria tsy fantany ny fitondran’ilay Andriamanitra izay efa nahary azy ireo.” Tena faly aho fa mahafantatra ahy tsara ny Tompo, ary nitahy ahy, na dia nitaraina aza aho.

Mety tsy hitia ny fihinanana holatra mihitsy aho Saingy raha tsy teo ny holatra dia halahelo aho raha ny marina, satria tsy ho nanana fahafahana hahatsiarovana ireo zavatra niainako niaraka tamin’ny fianakaviako. Noho ireny holatra ireny no nahafahako nianatra hanome lanja ireo fitahiana azoko ary hatoky ny drafitry ny Tompo—ary tsy hitaraina! Noho izany, na dia tsy tia holatra aza aho, dia mankasitraka ny fisian’izy ireny. Ny holatra dia marika lehibe ho ahy hahatsiarovako ny fifandraisan’ny mpianakavy.

Monina any Shinagawa City Japana ny mpanoratra.

Hamoaka printy