2021
Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany
Janoary 2021


“Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 2.

Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ry zatovo rahalahy sy anabavy malalanay isany,

Mahafaly anay ny mampahafantatra anareo ny gazetiboky vaovao an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho an’ny zatovo: Ry tanora, mahereza. Mankasitraka izahay noho ny fahatsaranareo sy ny tanjakareo amin’ny maha zatovon’ny Fiangonana anareo amin’izao fotoana izao. Fanantenana ho an’i Isiraely tokoa ianareo. Irianay tokoa ny hanampian’ity gazetiboky vaovao ity anareo hitoetra ho mahery ary ho akaiky ny Raintsika any Andanitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Manana asa lehibe ho anareo sy ny taranakareo ny Tompo. Mba hanampiana anareo, ity gazetiboky ity dia hanome fampianarana izay hifanaraka tanteraka amin’ny fotoana ilana izany avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina, izay tia anareo. Rehefa mandalina ny soratra masina ianareo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharanom-pitaovana Avia, hanaraka Ahy an’ny Fiangonana ho fiainana sy fianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia azonareo atao koa ny mijery ao amin’ity gazetiboky ity mba hahazoana fahalalana, sy hevi-baovao ary fitaoman-panahy fanampiny.

Sambany ity boky mitokana natao ho an’ny zatovo ity no hita any amin’ny firenena samihafa sy amin’ny fiteny samihafa. Manantena izahay fa hitondra fahatsapana fiombonana sy firaisan-kina maneran-tany izany ary hahazo hery avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ireo zavatra niainana zarain’ireo zatovo hafa manerana izao tontolo izao ianareo.

Ny anaran’ity gazetiboky ity dia maneho ny fatokisanay ny herinareo amin’ny maha zatovon’ny Fiangonana anareo. Mijoro ho vavolombelona izahay fa ny fifaliana marina dia azo amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, sy ny filazantsarany, ary ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny.

Amim-pitiavana,

Ny Fiadidiana Voalohany

Hamoaka printy