2021
Salama e!
Janoary 2021


“Salama e!” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, fonony eo anoloana anatiny.

Salama e!

Inty ny gazetibokinao vaovao.

Sary
zatovo

Ry tanora, mahereza dia gazetibokinao , natao manokana ho an’ny zatovo.

Ahita zavatra miavaka ianao ao amin’ny laharana tsirairay. Hahazo hafatra mampahery ara-panahy avy amin’ny Apôstôly sy mpitarika hafa isika, fijoroana ho vavolombelona sy traikefa avy amin’ny zatovo, zavatra mampiala voly, ary zavatra hafa maro ihany koa.

Eto amin’ity fizarana ity no ampisehoanay ireo zatovo avy amin’ny faritra maro maneran-tany miresaka momba izay zavatra tian’izy ireo ary anomezanay santionany amin’ny fiainan’izy ireo. Tianay ihany koa ny hizara ny tantaranao! Alefaso aty aminay ny hafatra mitantara ny fialam-boly tianao indrindra, ny soratra masina tianao indrindra, sy famaritana fohy ny mombamomba ny fianakavianao, ary zavatra niainana fohy nahatsapanao fa nanampy anao ny Tompo. Andefaso email izahay ao amin’ny ftsoy@ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy