2021
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Topimaso
Janoary 2021


“Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Topimaso,” Ry tanora, mahereza Jan. 2021, 14–15.

Avia, hanaraka Ahy

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Topimaso

Sary
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Topimaso
Sary
I Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

I Joseph sy i Sydney nosoratan’i Annie Henrie Nader

Inona ilay izy?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia fitambarana fanambarana maoderina avy amin’ Andriamanitra izay noraisina tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny ankabeazany. Maro amin’ireo fanambarana ireo no nomena ho valin’ireo fanontaniana napetrak’i Joseph sy ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa tany aloha tamin’ Andriamanitra.

Inona no antony nanaovana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana?

Nandritra ireo andro voalohany nisian’ny Fiangonana, dia vitsy ireo tahadika nosoratan-tanana an’ireo fanambarana ireo. Tamin’ny taona 1831 dia nanapa-kevitra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana fa hatonta printy sy avoaka ho boky ireo fanambarana ao amin’ny Bokin’ireo Didy. Nandritra ny fihaonambe iray tamin’ny volana nôvambra 1831 raha teo am-piresahana momba ilay Bokin’ireo Didy, dia nandray ilay fanambarana izay ao amin’ny fizarana 1 ankehitriny i Joseph, dia ny teny fampidirana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Ny fotopampianarana

Ireo fanambarana natambatra ho boky voalohany dia nantsoina hoe ny Bokin’ireo Didy. Ireo fanambarana taoriana dia nantsoina hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana satria nanampy fampianarana momba ny “fotopampianaran’ny Fiangonana,” izay fantatra amin’ny hoe teny fohy hoe “fotopampianarana” izany (izay antsoina hoe Lectures on Faith ankehitriny). Nanomboka tamin’ny edisiôna taona 1921, ny Lectures on Faith dia tsy nampidirina intsony saingy nijanona ilay anarana hoe Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.1

Ny fanekempihavanana

Ny ambin’ny boky dia mirakitra ireo fanambarana noraisin’i Joseph Smith. Io ampahany io dia fantatra amin’ny hoe “ireo fanekempihavanana sy ireo didin’ny Tompo” na “fanekempihavanana” raha afohezina. Ny mpikambana voalohany teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana dia nampiasa ny teny hoe “fanekempihavanana” na “didy” entina anondroana ireo fanambarana voarain’ny Mpaminany mba tsy hifangaroan’izy ireny amin’ireo asa soratra hafa an’i Joseph Smith, ohatra amin’izany ireo toriteniny sy ny dikantenin’ny Baiboly izay nataony.2

Nahoana no manan-danja ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’izao andro izao?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mirakitra ireo fanambarana avy amin’i Jesoa Kristy ho an’ny vahoakany. Mampianatra antsika izy io fa Andriamanitra dia mahalala antsika tsirairay avy amin’ny anarantsika, fa Izy dia maheno ireo vavaka ataontsika sy mamaly ireo fanontaniantsika, ary Andriamanitra dia mbola miteny amintsika ankehitriny. Izy io ihany koa dia mampianatra antsika fitsipika manan-danja momba ny drafitry ny famonjena, ary manome antsika hevi-baovao fanampiny ny amin’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy. Manome fampiononana izany amin’ny alalan’ny fanehoana ny fomba itiavan’ Andriamanitra antsika sy mbola iantsoany antsika ho any Aminy na dia manao fahadisoana aza isika.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Sujets de l’histoire de l’Eglise, “Cours de théologie (-Lectures on Faith-),” ChurchofJesusChrist.org.

  2. Jereo ny Sujets de l’histoire de l’Eglise, “Doctrines et Alliances” sy ny “Révélation de Joseph Smith,” ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy