2021
Miala voly kely
Janoary 2021


“Miala voly kely,” Ho zatovo mahery! jan. 2021, 28–29.

Miala voly kely

Sary
Miala voly kely

Tontolon’ny isa

Ny olona manatanteraka batisa dia tsy maintsy manonona teny voafaritra tsara. Hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 ireo teny ireo fa andininy fahafiry? Ataovy ireto kajikajy manaraka ireto amin’ny fampiasana ny isa ao amin’ny soratra masina ahazoana ny valiny.

  1. Alaivo ny isan’ireo fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary analao ny taonan’i Joseph Smith tamin’ny nandraisany ny Fahitana Voalohany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:23).

  2. Raiso ny valin’ny A ary zarao amin’ny isan’ireo boky ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mitondra ny anarana hoe “Nefia.”

  3. Raiso ny valin’ny B ary ampitomboy amin’ny isan’ny fotoana nitsidihan’ny anjely Môrônia an’i Joseph Smith tamin’ny alin’ny 21–22 septambra, 1823 (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:30–47).

  4. Raiso ny valin’ny D ary analao ny isan’ireo fokon’i Isiraely (jereo, ohatra, ny Genesisy 49:28).

  5. Raiso ny valin’ny E ary analao ny taona azo hanaovana batisa ny olona iray.

Valiny

Tadiavo ireo zavatra tsy mitovy

Vitanao ve ny mahita ireo zavatra 10 tsy mitovy ao amin’ireto sary anankiroa ireto?

Valiny

Tantara an-tsary

Sary
zanakalahy sy reny

Mety ho eo ankavananao sy ankavianao ny Fanahy ary manodidina anao ny anjely kanefa dia mbola manao aro-loha ihany ianao!

Arie Van de Graaff

Sary
reny sy zanakavavy

Misaotra nanampy ahy nitatitra ny enta-madinika! Aza hohanina fotsiny ireo biscuits. Ilaiko amin’ny lesona Sekoly Alahady ampianariko ireo!

Ryan Stoker

  1. Tontolon’ny isa: A. 138-14=124 B. 124÷4=31 D. 31×3=93 E. 93-12=81 F. 81-8=73 Valiny: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:73

  2. Tadiavo ireo zavatra tsy mitovy: 1. Niova loko ny voninkazo. 2. Niova loko ny karavato. 3. Tsy misy bretelles. 4. Niova loko ny noeud papillon. 5. Tsy misy rojo ny monocle. 6. Tsy misy vola ao amin’ny paosin’ny lobaka. 7. Tsy misy fehiloha fotsy. 8. Niova loko ny plummeau. 9. Niova loko ny rindrina ao aoriana. 10. Niova ny lokon’ny akanjon’ilay vehivahy eo ampovoany, eo amin’ny laharana andamosina.

Hamoaka printy