2021
Milalao jeux vidéos sahaza ho an’ny zatovo daholo ny namako, saingy izaho dia misafidy ny tsy hilalao. Tsy mampaninona ve ny jeux vidéos sahaza ho an’ny zatovo?
Janoary 2021


“Milalao jeux vidéos sahaza ho an’ny zatovo daholo ny namako saingy izaho dia misafidy ny tsy hilalao. Tsy mampaninona ve ny jeux vidéos sahaza ho an’ny zatovo?” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 30–31.

Fanontaniana sy Valiny

“Milalao jeux vidéos sahaza ho an’ny zatovo daholo ny namako saingy izaho dia misafidy ny tsy hilalao. Tsy mampaninona ve ny jeux vidéos sahaza ho an’ny zatovo?”

Fenitr’izao tontolo izao

“Misafidy ny tsy hilalao jeux vidéos sahaza ho an’ny zatovo koa aho. Mety mahafinaritra ny sasany amin’izy ireny, fa tsy fantatrao izay mety hitranga. Miara-milalao kilalao mahafinaritra amin’ny fianakaviako aho, ary mahatsiaro ho maivamaivana aho tsy milalao jeux vidéos sahaza ho an’ny zatovo. Ireo fenitr’izao tontolo izao ankehitriny dia tsy mitovy amin’ireo fenitr’ Andriamanitra, ary izaho dia maniry ny ho tahaka Azy.”

Payton D., 13, Nevada, Etazonia

Henoy ny Fanahy

“Ahitana fanimbazimbana na tsy fahamaotinana ve ny jeux vidéos? Tokony halavirantsika ireny satria ireny zavatra ireny dia mandroaka ny Fanahy. Ny herisetra koa dia mandroaka ny Fanahy. Diniho amim-pitandremana sy am-bavaka raha mahatsapa ny Fanahy na tsia ianao eo amin’ny fiainanao rehefa milalao ireny lalao ireny matetika.”

Miriana B., 18, Washington, Etazonia

Solontenan’i Jesoa Kristy

“Zava-dehibe ny mahatsiaro fa nandray ny anaran’i Jesoa Kristy teo amintsika isika, koa solontenany isika noho izany. Amin’ny zavatra rehetra izay ataontsika dia tokony hanontany tena isika hoe toy izao ve no ho nataony ary mampanakaiky ny tenantsika Aminy ve isika.”

Brandon K., 17, Ohio, Etazonia

Ny tsara, sy ny tsaratsara kokoa, ary ny tsara indrindra

“Tokony hotsaroantsika fa misy foana ny zavatra tsara, sy tsara kokoa, ary tsara indrindra izay azontsika jerena, sy ilalaovana, ary henoina. Na dia misy aza ny zavatra ratsy kokoa mety ho ataontsika dia azo antoka fa misy koa ny zavatra mahasoa sy mampahery kokoa izay azontsika hatao.”

Ash H., 17, Virginia, Etazonia

Ahoana no mety ho fahatsapan’ny Mpamonjy?

“Rehefa misafidy fialam-boly aho dia manontany tena hoe mety ho mahazo aina ve ny Mpamonjy raha hiara-hijery na hiara-hilalao amiko. Raha tsia ny valiny, dia tsy misafidy an’izany fialam-boly izany aho na toy ny ahoana na toy ny ahoana sokajin-taona natokana ho amin’izany. Betsaka ny lalao tsara izay mety mahafinaritra sy mitaky fahasahiana kanefa mbola manasa ny Fanahy hiaraka amintsika.”

Brigitte D., California, Etazonia

Hamoaka printy