2021
Valin-teny ho an’i Oliver
Janoary 2021


“Valin-teny ho an’i Oliver,” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 12–13.

Avia, hanaraka Ahy

Valin-teny ho an’i Oliver

Sary
Valin-teny ho an’i Oliver

Tonga i Oliver Cowdery ka nipetraka tao an-tranon’i Joseph Rainy sy i Lucy Mack Smith raha nampianatra tao amin’ny sekoly iray teo akaikin’ny toeram-piompiana sy fambolen’izy ireo.

Nahare momba an’i Joseph zanakalahin’izy ireo syireo takela-bolamena i Oliver. Te hahafantatra bebe kokoa izy.

Nahatalanjona an’i Oliver ny naheno ny fomba nanomezan’ Andriamanitra hery an’i Joseph handikana ireo takela-bolamena.

Te hanampy amin’ny fandikana aho.

Rehefa mirava ny fianarana dia handeha hanampy an’i Joseph aho.

Tokony hivavaka ianao ary hanontany ny Tompo raha mety ho anao izany.

Tamin’io alina io dia nivavaka i Oliver ary nanontany ny Tompo izay tokony hataony.

Nahatsapa fiadana i Oliver raha nivavaka momba ny tokony hanampiany an’i Joseph handika.

Fotoana fohy taorian’izany i Oliver dia nandeha nivoaka mba hihaona amin’i Joseph Smith. Niara-dia tamin’i Samuel rahalahin’i Joseph izy.

Joseph a, izaho dia hanampy anao. Afaka ho mpitan-tsoratrao aho.

Misaotra. Feno fankasitrahana ny amin’ny fanampianao aho.

Nanomboka nandika teny i Joseph sy i Oliver. Nampientanentana an’i Oliver ity traikefa ity, saingy mbola nanana fanontaniana izy.

Indray andro i Joseph dia nandray fanambarana ho an’i Oliver, nampahatsiaro azy ny valin’ilay vavaka nataony.

“Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha maniry vavolombelona fanampiny ianao, dia avereno ao an-tsainao ilay alina izay nitalahoanao Tamiko tao am-ponao, mba hahafantaranao ny momba ny fahamarinan’ireto zavatra ireto.

“Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?”1

Nivavaka aho mba hahafantarako raha tokony ho avy sy hanampy anao, ary dia nahatsapa fiadanana aho. Tsy ho nisy olona afaka nahafantatra momba izany ankoatra an’ Andriamanitra.

Fantatr’i Oliver fa tena marina ilay asa. Vitany sy i Joseph ny fandikanteny izay lasa ny Bokin’i Môrmôna.

Hamoaka printy