2021
Joseph Smith—Ny Mpaminaniko
Janoary 2021


“Joseph Smith—Ny Mpaminaniko,” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 8–11.

Avia, hanaraka Ahy

Joseph Smith—Ny Mpaminaniko

Mpaminaninao koa izy. Afaka mandalina ireo fampianarany ianao amin’ity taona ity mba hahafahanao mandray azy bebe kokoa ho mpaminany.

Sary
Joseph Smith

Nisy teny nanana fiantraikany mahery vaika teo amiko tamin’ny zavatra nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2020: “Na aiza na aiza toerana honenanareo na inona toe-javatra iainanareo, dia i Jesoa Kristy Tompo no Mpamonjinareo, ary i Joseph Smith izay mpaminanin’ Andriamanitra no mpaminaninareo ” (“Henoy Izy” [ Liahona, mey 2020, 88]).

Hatramin’ny fahakeliko dia toy izany hatrany no fahatsapana nananako—i Joseph Smith no mpaminaniko . Io mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny io no nanampy ahy, mihoatra noho ny olon-drehetra, ho lasa nahafantatra an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Nandalina ireo fanambarana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana aho. Fony aho zatovo dia nomen’ny raiko boky iray misy ireo fampianaran’ny Mpaminany Joseph Smith aho, ary vetivety foana no namakiako izany tamim-pahafinaretana. Ny fandalinana ireo fampianarana ireo no lasa fototra fanorenana lehibe tamin’ny fijoroako ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

Toy izao no eritreritro nanomboka tamin’izay fotoana izay: fa inona momba ireo fampianaran’i Joseph Smith no nampisy fahatsapana lehibe toy izany tato amiko? Inona no zavatra namela ny Fanahy hijoro ho vavolombelona mahery vaika tamiko ny amin’ny fahamarinan’izy ireny? Dia hoy aho hoe zavatra telo izany: (1) fantatr’i Joseph Smith ny zavatra fantany, ary nolazainy tamim-pahasahiana izany; (2) nanana fomba nanazavana tsara ireo fahamarinana fantany avy tamin’ny fanambarana izy; ary (3) hita taratra hatrany ny toetrany sy ny maha-izy azy.

Fantany izay zavatra fantany, ary nolazainy tamim-pahasahiana izany

Nanomboka tamin’ny Fahitana Voalohany dia niatrika fanenjehana i Joseph Smith noho ny fizarana ny zavatra nianarany tamin’ny alalan’ny fanambarana. Kanefa fantany fa tsy afaka ny handà izany izy: “Nahoana aho no enjehina noho ny filazana ny fahamarinana? Nahita fahitana marina aho; ary iza moa aho ka afaka hifampitana amin’ Andriamanitra, na nahoana izao tontolo izao no mihevitra ny hampandà ahy izay zavatra efa hitako marina tokoa? Fa efa nahita fahitana aho; nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho” (Joseph Smith—Tantara 1:25).

Na dia fantany aza fa hitondra fanenjehana sy fankahalana maro azy ny fanaovana izany, dia nambaran’i Joseph Smith tamim-pahasahiana nandritra ny androm-piainany ireo fahamarinana izay nianarany avy tamin’ Andriamanitra .

Ohatra:

Na dia nino aza ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny tontolo Kristiana fa noharian’ Andriamanitra avy amin’ny tsinontsinona ny olombelona, dia tamim-pahatokiantena no nampianaran’i Joseph Smith zavatra tsy mitovy amin’izany:

“Niaraka tamin’ Andriamanitra koa ny olombelona tany am-piandohana. Ny faharanitan-tsaina na ny fahazavan’ny fahamarinana dia tsy nohariana na natao sady tsy mety ho izany marina tokoa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:29).

“Ny fanahy, ny sain’ny olombelona, dia fanahy tsy mety maty. Avy aiza izy io? Ireo manam-pahaizana sy ireo mpahay teolojia rehetra dia milaza fa tany am-piandohana Andriamanitra no nahary izany; fa tsy izany no izy: izany hevitra izany dia manambany ny olombelona araka ny hevitro. Tsy mino izany fotopampianarana izany aho; mahafantatra kokoa noho izany aho. Mihainoa, ry fokon’ny firenen-tsamy hafa; fa izany no nolazain’ Andriamanitra tamiko; ary raha toa ka tsy mino ahy ianareo, dia tsy hampiova ny fahamarinana izany” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 209).

Sary
I Joseph Smith mampianatra

Mazava tsara ny nanazavany ny fahamarinana

Misy fotoana i Joseph Smith dia mampiseho fa mahafantatra betsaka kokoa amin’ireo misterin’ Andriamanitra izy, izay ho sarotra aminy ny hizara izany amin’izao tontolo izao. Saingy rehefa nampianatra izy dia nanana fomba izay hahatonga ireo fahamarinan’ Andriamanitra ho tsotra sy mazava.

Ohatra:

Nanomboka tamin’ny Fahitana Voalohany dia nianatra fahamarinana maro momba ny toetoetran’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay i Joseph Smith. Ary nohazavainy tao anatin’ireo fampianarany ny dikan’ireny fahamarinana ireny. Ohatra, nanambara izy fa:

“Raha tsy mahatakatra ny toetoetran’ Andriamanitra ny olona, dia tsy mahatakatra ny toetoetrany manokana izy” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith, 40). Izany dia fanambarana mazava izay tena mahalaza hoe iza Andriamanitra, iza isika, inona no fifandraisantsika Aminy, ary ny hoe afaka ny tonga toy ny ahoana isika.

Narahiny tamin’izao fanambarana izao izany: “Toy antsika izao ihany Andriamanitra taloha, ary olona nasandratra Izy izao” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith, 40). Mbola mazava kokoa noho izany aza.

Dia nampianatra toy izao izy avy eo: “Raha teo anivon’ireo fanahy sy ny voninahitra Andriamanitra Tenany, satria Izy marani-tsaina kokoa, dia nahita fa tsara ny hametrahana lalàna izay hahafahan’ny sisa ambiny hanana tombontsoa mba hivoatra ho toy Azy” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith, 210). Eto i Joseph Smith dia naneho zavatra fototra amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra: tian’ny Ray Mandrakizay ho lasa toa Azy isika.

Sary
I Joseph Smith miresaka

Hita taratra hatrany ny toetrany sy ny maha-izy azy

Ny fomba firesak’i Joseph Smith dia mampiseho antsika hoe iza izy ary toy ny ahoana izy amin’ny maha-olona tsotra azy ary koa amin’ny maha-mpaminany azy. Manan-danja izany satria ny fifandraisana amin’olona dia toa manamora ny fandraisana hevitra. Hita taratra eo amin’ny fampianaran’i Joseph Smith ny toetoetrany.

Ohatra:

Na dia olona tia mitsikanikany aza no toetran’i Joseph Smith amin’ny ankapobeny (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:28), dia tsy mba nohamaivaniny raha ny momba ny zavatra izay nandidian’ny Tompo azy. Nianarany tamin’ny alalan’ny zavatra niainany ny mety ho vokatry ny fialana amin’ireo didy toy izany (jereo ohatra ny, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:4–9). Hitako hoe manahirana eo amin’ny maha-mpianatra io fifangaroan’ny toetra tia mivanivany sy ny fahamatorana ara-tsaina io—ary izaho manokana dia toy izany.

Sary
I Joseph Smith milalao

Amin’ny maha-mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny azy, dia nodidiana i Joseph hampianatra ireo fahamarinana nambaran’ Andriamanitra, ary maro tamin’ireny no vaovao tamin’ny rehetra. Tsy maintsy niezaka nanampy ny olona hianatra ireny fahamarinana vaovao ireny i Joseph. Saingy indraindray dia nahasorena izany. Niteny izy indray mandeha hoe:

“Misy fotoana tena nanahirana tokoa ny nampiditra zavatra ao an-dohan’ity taranaka ity. Toy ireny mamaky hazo kesika amin’ny mofo dipaina, sy manasamaka voatavo amin’ny maritoa ireny. Na dia ireo Olomasina aza dia votsa saina” (Enseignement des présidents de l’Eglise: Joseph Smith, 540).

Lohahevitra matotra tamin’i Joseph Smith izany. Mety ho tena betsaka ny zavatra tian’i Joseph ho fantatry ny olona sy ho takany, dia ho raisiny ary hiainany—fa dia tsy mety tsotra izao ny olona. Saingy ny fanoharana kely tsotsotra tany amin’ny sisin-tanin’i Etazonia tamin’ny taonjato faha-19 tany dia mampiseho ny toetra mahatsikaikin’i Joseph Smith ary mampahafantatra antsika sombintsombiny amin’ny toetrany.

Betsaka ny lafiny hafa amin’ny toetran’i Joseph Smith izay hita taratra teo amin’ireo fampianarany. Toyny fitiavany ny namany, ohatra: “Ny foko sy ny tanako dia ho tia sy hisasatra ho an’ireo izay tia ahy sy misasatra ho ahy, ary tsy hivadika na oviana na oviana amin’ireo namako aho” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith, 462).

Na ny hatsaram-panahiny sy ny fahalalahan-tanany: Indray mandeha raha nisy lehilahy maromaro naneho ny alahelon’izy ireo noho ny naha-main’ny afo ny tranon’ny lehilahy iray, dia hoy i Joseph avy hatrany: “Dimy dolara ny alahelo tsapako ho an’ity rahalahy ity; Ohatrinona ny alahelo tsapanareo ho azy?” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith 460).

Dia misy koa ny fitiavany fianakaviana, tsy fivadihana, fanetrentena, fahatokian-tena, fahamarinana sy tsy fiangarana, finoana, ao anatin’ny fitsapana sy ny fijaliana. Eo avokoa izany rehetra izany, voalaza miaraka amin’ireo fahamarinana sy ireo fitsipika mandrakizay izay tokony hiainana.

Izy no Mpaminaniko

Mazava ho azy fa ankehitriny dia mbola misy manenjika sy manakiana hatrany i Joseph Smith. Kanefa araka ny nolazainy dia: “Tsy mbola nilaza taminareo mihitsy aho hoe tonga lafatra aho; saingy tsy misy fahadisoana ao amin’ireo fanambarana izay nampianariko” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith, 522). Afaka mijoro ho vavolombelona amim-pahasahiana ny amin’ny maha-mpaminany azy isika. Mora tamiko ny mijoro ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith—tsy noho ny hoe misy valin-teny mora ho an’ireo fanontaniana mety hapetraky olona momba azy, fa satria aho nandalina ireo fanambarany sy ireo fampianarany amin’ny maha-mpaminany azy sady nahatsapa ny Fahany Masina nijoro ho vavolombelona fa marina izany. Toy ny nilazan’i Joseph Smith indray mandeha hoe:

“Afaka nanandrana tamin’ireo fitsipiky ny fiainana mandrakizay aho, ary afaka manao izany koa ianareo. Nomena ahy avy tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’i Jesoa Kristy ireny; ary fantatro fa rehefa milaza aminareo ireo tenin’ny fiainana mandrakizay araka izay nilazana azy ireny tamiko aho dia hanandrana azy ireny koa ianareo, ary fantatro fa mino azy ireny ianareo. Hoy ianareo hoe mamy ny tantely, ary izaho koa dia milaza izany. Afaka manandrana ny fanahin’ny fiainana mandrakizay koa aho. Fantatro fa tsara izany; ary rehefa milaza aminareo ireo zavatra ireo izay nomena ahy tamin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina aho, dia voafatotra ny handray azy ireny ho mamy ianareo, ary ho faly bebe kokoa hatrany” (Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph Smith, 525).

Nanandrana tamin’izany hamamiana izany aho. Izany dia nozaraina tamiko avy tamin’ny alalan’ny mpaminanikko , dia i Joseph Smith. Ary tahaka ny nolazain’ny Filoha Nelson, dia mpaminaninao koa izy. Azonao atao ny manao fandalinana matotra ny fiainany sy ny fampianarany amin’ity taona ity miaraka amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Avy eo ianao dia afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana mamy izay nanampiany anao mba ho andramanao.

Hamoaka printy