2021
Miaro ireo zavatra inoako
Janoary 2021


“Miaro ireo zavatra inoako,” Ry tanora, mahereza, jan. 2021, 27.

Fototra mafy orina

Miaro ireo zavatra inoako

Sary
namana

Sary nataon’i Luca Di Bartolomeo

Indray alina aho niara-nipetrapetraka tamina andiana namana vitsivitsy. Niresadresaka teo izahay dia nanomboka nifosa ny namako hafa izay tsy niaraka taminay izy ireo. Nahatsapa ho tsy nahazo aina aho tamin’ny zavatra nolazain’izy ireo. Avy eo dia nahazo fitaomana avy amin’ny Fanahy aho fa tokony hijoro amin’ny zavatra inoako.

Tsy nisalasala akory aho fa avy dia nolazaiko azy ireo fa tsy nampahazo aina ahy ny zavatra noresahin’izy ireo ka nangataka aho raha toa ka azon’izy ireo atao ny tsy hifosafosa rehefa eo aho. Hoy izy ireo hoe ampahan-javatra amin’ny fiainana izany ka tsy maninona. Tsy tezitra tamin’ny fomba famalin’izy ireo aho, fa nihaino ny hevitr’izy ireo ary avy eo nanazava ny zavatra inoako. Dia nitsangana aho ary nandeha.

Ny zavatra niainako tamin’io alina io dia nampahatsiahy ahy ny zavatra niainan’i Joseph Smith. Niaina fanenjehana betsaka i Joseph Smith rehefa nahazo ireo takela-barahina. Na dia betsaka aza ny fanenjehana nisy dia mbola niaro ny zavatra ninoany hatrany i Joseph Smith ary tsy nihozongozona. Niaraka tamin’i Joseph Smith Andriamanitra ary nanampy azy, ary fantatro fa niaraka tamiko koa Andriamanitra rehefa niaro ny marina aho.

Very namana vitsivitsy tokoa aho tamin’io alina io noho ny fiarovana ireo zavatra inoako, ary nampalahelo ahy izany. Nefa dia nahatsapa fiadanana sy fampiononana aho satria nanao izay marina. Fotoana kely taorian’izany dia nisaotra ahy ny iray tamin’ireo namako tamin’ny zavatra noteneniko. Noho izany dia niverina tamiko ilay namako ary mahery kokoa noho ny taloha ny finamananay.

Andrew F., Utah, Etazonia

Hamoaka printy