Seminera
Môzià 27:24–37: “Aterak’ Andriamanitra”


“Môzià 27:24–37: -Aterak’ Andriamanitra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môzià 27:24–37,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môzià 27:24–37

“Aterak’ Andriamanitra”

Sary
I Almà zanany mivavaka

Ny fibebahan’i Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià dia afaka manome fanantenana izay rehetra manontany tena raha azo atao ny miova. Nanampy ireo zatovolahy izay voalaza fa “faraidiny indrindra tamin’ny fahotana” (Môzià 28:4), mba hovana “ho amin’ny toetry ny fahamarinana” (Môzià 27:25) ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hibebaka sy hampiseho finoana fa afaka manova ny fonao ny Mpamonjy.

Fiovana

Miezaha mieritreritra zavatra miova toetra izay miova tanteraka ka efa saika toa tsy azo inoana hoe ilay zavatra iray iny ihany io. Aseho amin’ity sary manaraka ity ny ohatra iray amin’izany.

Sary
fanday sy lolo
  • Ahoana no mety hahafahan’ny fandrosoantsika ara-panahy ho azo ampitahaina amin’ny fanday lasa lolo?

  • Inona no nataon’ Andriamanitra mba hahafahantsika hiova sy ho tonga tahaka Azy?

Eritrereto ao anatin’ny fotoana fohy ny fandrosoanao amin’ny fahatongavana tahaka an’ Andriamanitra kokoa. Misy zavatra momba ny tenanao izay tianao hovana na hatsaraina ve? Inona avy no sakana mety hatrehinao amin’ny fanaovana ireny fanovana irinao ireny?

Anio ianao dia handalina fiovana mahagaga izay nataon’ny Mpamonjy tamin’ny fiainan’ny zatovolahy sasany. Rehefa mandalina ianao dia henoy ny bitsiky ny Fanahy momba ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao hiova ihany koa.

I Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià

Sary
anjely iray niseho tamin’i Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià

Ampahatsiahivo fa ny tapany voalohany amin’ny Môzià 27 dia misy fitantarana ny namalian’ Andriamanitra ny vavak’i Almà. Nandefa anjely mba handresy lahatra an’i Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià amin’ny fahadisoan’ny lalan’izy ireo Andriamanitra. Tsy afa-niteny na nihetsika nandritra ny andro maromaro i Almà zanany taorian’io tranga io (jereo ny Môzià 27:19, 23). Nandritra izany fotoana izany dia niaina fahorian-tsaina tsy hay lazaina noho ny fahotany izy. Rehefa afaka niteny indray izy tamin’ny farany, dia nitantara ny zavatra nataon’ny Tompo taminy izy.

Soraty ny hoe “Azo tanterahina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny fiovana” eo ambony eo amin’ny taratasy iray. Avy eo dia manorita tsipika mijidina roa mba hizarana ilay taratasy ho tsanganana telo mitovy. Asio soratra hoe “taloha” ilay tsanganana eo amin’ny ankavia, “Anjara asan’i Jesoa Kristy” eo amin’ny tsanganana afovoany ary ny hoe “tatỳ aoriana” eo amin’ny tsanganana ankavanana.

Vakio ny Môzià 27:8–10; 28:4 hamerenana mijery ny hoe nanao ahoana i Almà zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià tany aloha tamin’ny fiainan’izy ireo. Manorata famaritana azy ireo ao amin’ny tsanganana hoe “taloha” eo amin’ny taratasinao.

Vakio amin’izay ny Môzià 27:32–37, ary manorata famaritana ny hoe lasa iza izy ireo ao amin’ny tsanganana hoe “tatỳ aoriana”.

Miatoa vetivety hisaintsainana ny fiovana hitanao tamin’ny olona iray izay nibebaka tamim-pinoana ny Mpamonjy. (Azonao atao mihitsy aza ny mieritreritra ny tenanao.) Mampidira famaritana ao amin’ireo tsanganana nataonao momba ny hoe nanao ahoana izy ireo (na ianao) taloha sy taorian’io fiovana io.

Vakio ny Môzià 27:23–26 hitadiavana andian-teny izay mamaritra ny fiovana tsy maintsy ilaintsika mba hahatongavantsika ho tahaka ny Mpamonjy. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny teny hoe manaram-batana (andininy 25) dia mety hidika hoe an’izao tontolo izao na ara-nofo, ary ny andian-teny hoe “tonga zanak’ [Andriamanitra] lahy sy vavy;” (andininy 25) dia afaka manondro ireo izay “mandova ny fanjakan’ Andriamanitra” (andininy 26).

Manorata andian-teny izay nanan-danja taminao ao amin’ilay tsanganana hoe “Anjara asan’i Jesoa Kristy” eo amin’ny taratasinao. Makà fotoana hisaintsainana ny hevitr’izy ireo. Raha ilaina dia jereo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ireo teny tianao ho takatra tsara kokoa.

Fahamarinana iray ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ny hoe ny olombelona rehetra dia mila ovana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Sary
icon, record
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona ireo andian-teny manan-danja indrindra aminao izay mamaritra ny fiovana izay nataon’i Jesoa Kristy ho azo tanterahina? Nahoana?

    • Ahoana no anovan’ny fandraisana ny famelan-keloky ny Mpamonjy antsika?

    • Araka ny voalazan’ny andininy 24, dia inona no takina amintsika mba hanasana ny Mpamonjy hanova antsika?

Ny fiovana dia dingana arahina fa tsy trangan-javatra

Nampianatra toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Na dia mety hiseho amin’ny fomba mahatalanjona be aza ny dingan’ny fibebahana ho an’ny sasany, toy ny tamin’ny an’i Almà, dia tranga maningana izany fa tsy izany no tena tokony ho fandehany. Ny ankamaroantsika dia mandeha tsikelikely mankamin’ny fahatsarana kokoa, fahatokiana kokoa ao amin’ny fanekempihavanantsika, fanompoana sy fanoloran-tena misimisy kokoa. (Neil L. Andersen, The Divine Gift of Forgiveness [2019], 11)

  • Nahoana no zava-dehibe ny hitadidiana ny teny nambaran’ny Loholona Andersen?

Makà fotoana hitanisana ireo zavatra sasantsasany azontsika atao mba hibebahana sy hovan’ny Tompo tsikelikely. (Mba hahitana hevitra dia avereno vakina ny teny nambaran’ny Loholona Andersen eo ambony ary hevero ny hamaky ny sasany amin’ireto andininy ireto: Môzià 26:29; 27:35; Almà 36:18; 3 Nefia 9:22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:9; 58:42–43).

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no azontsika atao mba hitodihana amin’ny Tompo sy hibebahana?

    • Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ireny ezaka ireny manampy antsika hiova tsikelikely amin’ny alalan’ny Mpamonjy?

Jereo ilay horonan-tsary hoe “L’éspoir de la lumière de Dieu” (6:46) ka tadiavo ny fomba nanampian’ny Mpamonjy olona iray hiova“ tsikelikely mankamin’ny fahatsarana”.

Makà fotoana hisaintsainana ny fomba iharan’io lesona io aminao. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  1. Inona avy ireo fiovana tsikelikely efa nanampian’ny Mpamonjy anao hatao? Ahoana no fahatsapanao ireo ezaka ataonao sy ny fanampian’ny Tompo?

  2. Inona no dingana manaraka tsapanao fa ampanaovin’ny Tompo anao mba hibebahana sy hanohizana miova amin’ny alalany?

  3. Inona avy ireo sakana mety hatrehinao amin’izany dingana izany, ary ahoana no ahafahanao mitodika amin’ny Tompo hanampy anao handresy azy ireny?

Hamoaka printy