Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 9: Manakatra sy manazava fahamarinana


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 9: Manakatra sy manazava fahamarinana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 9,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 9

Manakatra sy manazava fahamarinana

Sary
zatovo iray manazava fahamarinana ao amin’ny filazantsara amin’ny hafa

Ahitana fahamarinana manan-danja momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanakatra ny fotopampianarana ampianarina amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hanazava izany amin’ny hafa.

Manazava fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina

  • Inona avy no toe-javatra nahafahan’ny fahaizanao manakatra sy manazava ny soratra masina nitondra fiovana teo amin’ny fiainan’ny olona iray?

Ny Loholona Arnulfo Valenzuela ao amin’ny Fitopololahy dia nizara zavatra niainany rehefa afaka nitahy ny hafa tamin’ny alalan’ny fampianarana mazava ny soratra masina izy. Jereo ilay horonantsary hoe “Mampiorina lalina ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy” manomboka eo amin’ny fe-potoana 6:34 hatramin’ny 7:31, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ilay teny nambara etsy ambany.

Nandritra ny fotoana nanaovako asa fitoriana fony aho tovolahy dia tsikaritro fa fiainan’olona maro no niova rehefa nampianatra tamin’ny alalan’ny soratra masina izahay. Nanjary fantatro ny hery tao anatin’izy ireny sy ny fomba ahafahan’izy ireny manova ny fiainantsika. Ny olona tsirairay nampianarinay ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia olona niavaka ary samy hafa ny zavatra nilainy. Ny soratra masina, eny, ireo faminaniana nosoratan’ireo mpaminany masina dia nitondra azy ireo ho amin’ny finoana ny Tompo sy ny fibebahana ary nampiova fo azy ireo.

Nameno azy ireo tamin’ny fifaliana ny soratra masina rehefa nahazo fitaomam-panahy, fitarihana, fampiononana, tanjaka ary valin’ny zavatra nilain’izy ireo izy ireo. Maro tamin’izy ireo no nanapa-kevitra ny hanova zavatra teo amin’ny fiainany ary nanomboka nitandrina ny didin’ Andriamanitra. (Arnulfo Valenzuela, “Mampiorina lalina ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2021, 60)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nisy fiantraikany lalina teo amin’ny olona nampianarin’ny Loholona Valenzuela ny soratra masina?

  • Oviana no nitahiana ny fiainanao tamin’ny alalan’ny fanazavan’ny olona iray ny soratra masina taminao?

  • Oviana ianao no afaka nitahy ny hafa tamin’ny alalan’ny fanazavanao ny soratra masina taminy?

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampivelatra kokoa ny fahaizanao manakatra sy manazava ny soratra masina. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fanaovana izany manampy anao hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy, izay nampiasa soratra masina matetika mba hampianarana ny hafa (jereo ny Lioka 24:27; Jaona 10:34–36).

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Voatanisa etsy ambany ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danjan’izy ireo raha mbola tsy nanao izany ianao.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo … [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa … amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo.”

Hevero ny fomba ahafahan’ny fampiasana ity lamina manaraka ity manampy anao hahatakatra sy hanazava tsara kokoa ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina.

  • Dingana 1: Takaro ny sahan-kevitr’ilay soratra masina ary farito ny fomba hanazavana izany amin’ny teninao manokana. Mey ho tafiditra ao amin’ilay sahan-kevitra ny toerana isehoan’ilay trangan-javatra sy ny hoe iza no miresaka amin’iza ary nahoana. Afaka manampy amin’izany ezaka izany ny famakiana ny sasin-tenin’ny toko sy ny andininy vitsivitsy manodidina izany.

  • Dingana 2: Takaro tsara ireo fahamarinana hita ao amin’ilay soratra masina mba hahafahana manazava azy ireo. Mba hanampiana anao dia hevero ny hametraka fanontaniana amin’ny tenanao toy ity manaraka ity: Inona no hafatra fototra ezahin’ny mpanoratra zaraina? Inona no ampianarin’ilay andinin-tsoratra masina momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Ahoana no ahafahako milaza ireo fahamarinana amin’ny fomba tsotra? Inona avy no toe-javatra sasantsasany mety hahazoan’ny olona iray tombony amin’ny fahatakarana io hafatra io?

  • Dingana 3: Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana hitanao manampy ny olona anazavanao azy ireo. Eritrereto ny toe-java-misy eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny olana atrehin’izy ireo. Ampifandraiso ireo fahamarinana sy izany toe-java-misy sy olana izany.

Fanazaran-tena

  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

    Misafidiana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na roa avy amin’ilay tabilao eo ambony izay tianao ho takarina tsara kokoa na tsapanao fa ho fitahiana ho anao na ny olona iray fantatrao. Ampiasao ilay lamina vao avy nianaranao mba hanoratana ny fomba hanazavanao azy ireo amin’ny olona iray hafa.

    Rehefa vitanao izany, dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no nampitomboan’ny fampiasana io lamina io ny fahatakaranao? Ahoana no nanampian’izany anao rehefa niomana sy nanazava ilay andalan-tsoratra masina tamin’ny hafa ianao?

    • Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana takatrao sy nohazavainao manampy anao amin’ireo toe-javatra misy anao manokana?

    • Ahoana no ahafahan’ny fampiasana io lamina izay natao mba hanakarana sy hanazavana ny soratra masina amin’ny fomba tsy miovaova kokoa io manampy anao ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa?

Hamoaka printy