Seminera
Almà 1:1–18: Ny faharatsian’ny komiberaky ny mpisorona


“Almà 1:1–18: Ny faharatsian’ny komiberaky ny mpisorona,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 1:1–18,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 1:1–18

Ny faharatsian’ny komiberaky ny mpisorona

Sary
I Nehôra mitory teny

Isika dia miaina ao anatin’ny tontolo iray izay andokafan’ny olona ny tenany sy ny heviny mba hahazoana fiderana sy tombony ho an’ny tenany manokana. Ny finoana ireny fanao diso ireny dia mahatonga ny olona maro hanota sy handà an’i Jesoa Kristy Mpamonjiny. Marina ihany koa izany tamin’ireo Nefita. Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Nehôra nampianatra fotopampianarana diso izay nahatonga ny olona tamin’ny androny sy ireo hafa amin’ny taona ho avy, handà ny Mpamonjiny. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahafantatra sy handà ireo fampianaran-diso izay mety hampiala azy ireo amin’i Jesoa Kristy.

Fampianaran-diso

  • Amina amin’ny mari-drefy 1 hatramin’ny 5 (ka ny 1 no tsy manaiky tanteraka ary ny 5 no manaiky tanteraka), dia manao ahoana ny fanekenao na ny fandavanao ireto zavatra ambara manaraka ireto? Nahoana?

Ny ankamaroan’ny fampahalalana aseho ahy isan’andro dia marina. (Ohatra, ao amin’ny tambajotran-tserasera, amina dokambarotra, avy amina mpitarika sy mpitaona eo amin’ny fiarahamonina.)

Misy fiantraikany amin’ny finoako an’i Jesoa Kristy ilay fampahalalana.

Nanome fanampiana ahy hanavaka ny marina amin’ny diso Andriamanitra.

Isika dia miaina ao anatin’ny tontolo iray misy hafatra diso maro izay mety hampalemy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny Almà 1 ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mba hanampy anao hahafantatra ireo fampianaran-diso eo amin’ny tontolo manodidina anao izay mety hampiala anao amin’i Jesoa Kristy.

Talohan’ny nahafatesany, i Môzià Mpanjaka dia nanangana endri-pitondrana vaovao. Ho solon’ny fananana mpanjaka dia nifidy mpitsara hanatanteraka ny lalàna ny vahoaka. Voafidy ho lohan’ny mpitsara na governora i Almà zanany (jereo ny Almà 2:16). Mpisorona avo sy mpitarika ny Fiangonana ihany koa izy (jereo ny Môzià 29). Nanomboka nanara-maso ny fotoana nanomboka teo amin’ny fotoana niovan’ny fitondram-panjakan’izy ireo ny vahoaka.

Tamin’ny taona voalohan’ny fanjakan’ny mpitsara dia nisy lehilahy ratsy fanahy iray nantsoina hoe Nehôra nanomboka nitaona ny Nefita. Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny antony nahatonga ny tantaran’i Nehôra ho tafiditra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Ahitana ny tantaran’ny lehilahy iray antsoina hoe Nehôra ny Bokin’i Môrmôna. Mazava izao ny antony nieritreretan’i Môrmôna, rehefa nanambatra ireo rakitsoratr’ireo Nefita nandritra ny arivo taona maro izy ary nampiditra zavatra mahakasika ity lehilahy ity sy ilay fiantraikany maharitra nentin’ny fotopampianarany. Nikatsaka ny hampitandrina antsika i Môrmôna, satria fantany fa mbola hiverina amin’ izao androntsika izao izany foto-pisainana izany. (D. Todd Christofferson, “Ilay fanomezana masin’ny fibebahana,” Liahona, nôv. 2011, 38)

Vakio ny Almà 1:2–6, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Nehôra ny vahoaka. Manaova lisitra mitanisa ny fampianaran’i Nehôra. Asio soratra hoe “Marina”, “Diso”, na “Mifangaro” izy ireo.

Mety ho efa tsikaritrao fa nafangaron’i Nehôra tamina fanambarana marina ny fampianaran-disony. Izany dia maneho paikady izay ampiasain’i Satana ihany koa. Rehefa mampitaha an’i Nehôra amin’i Satana isika dia mianatra fa i Satana dia mampiasa lainga mifangaro amina fahamarinana mba hamitahana olona sy hampitodihana azy ireo hiala amin’i Jesoa Kristy.

  • Inona no porofo maneho izany hitanao ankehitriny?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia naneho ny fiantraikan’ny hevi-dison’i Nehôra amin’ny olona sasany ankehitriny:

[Fampianaran-diso iray izay manakana antsika tsy hibebaka] ny fiheverana fa tsy misy dikany ny fahotantsika satria tia antsika Andriamanitra na inona na inona ataontsika. Maka fanahy ny hino ny zavatra nampianarin’i Nehora ilay mpamitaka an’ireo olona tany Zarahemla: “[H]ovonjena ny olombelona rehetra amin’ny andro farany, ary tsy ilaina matahotra na mangovitra izy ireo … ary amin’ny farany, ny olon-drehetra dia hahazo ny fiainana mandrakizay.” [Almà 1:4] Diso anefa izany fihevitra mamitaka izany. Tena tia antsika Andriamanitra. Kanefa misy dikany Aminy sy amintsika ny zavatra ataontsika. Efa nanome torolalana mazava Izy momba ny tokony ho fitondrantenantsika. Antsointsika hoe didy izany. Ny fankasitrahany antsika sy ny fiainantsika mandrakizay dia miankina amin’ny fitondrantenantsika, anisan’izany ny fahavononantsika hikatsaka fibebahana tena izy amim-panetrentena. (Dale G. Renlund, “Ny fibebahana: safidy mahafaly,” Liahona, nôv. 2016, 123)

Mamantatra fampianaran-diso

Ny famantarana fampianaran-diso tahaka ny an’i Nehôra dia mety ho sarotra indraindray. Soa ihany fa afaka mamantatra azy ireny ianao. I Môrmôna dia nampianatra fa raha mandresy lahatra antsika “hanao ny ratsy sy tsy hino an’i Kristy, ary handà Azy sy tsy hanompo an’ Andriamanitra” ny hafatra na fampianarana iray, dia azontsika fantarina fa diso izany ary avy amin’ny devoly (Môrônia 7:17).

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ireo fampianaran’i Nehôra no afaka mahatonga ny olona iray hahatsapa fa tsy mila ny Mpamonjy izy?

  • Inona avy no fampianaran-diso hafa izay mampiala ny olona amin’i Jesoa Kristy ankehitriny?

Eritrereto ireo hafatra henonao na vakinao tsy tapaka. Inona no fiantraikan’izany eo aminao? Misy amin’izy ireny ve misy fiantraikany ratsy amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

Raha mandray hafatra diso amin’ny haino aman-jery izay misy fiantraikany ratsy amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy ianao dia vonoy na esory hiala amin’ny fiainanao ny loharanon’ireny hafatra ireny. Soloy hafatra izay hanorina ny finoanao an’i Jesoa Kristy izany. Ohatra, ny gazetiboky Ho zatovo mahery! sy Liahona, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, dia manana votoatiny manorina finoana.

Komiberaky ny mpisorona

Indray andro dia nihaona tamina mpitarika zokiny tao amin’ny Fiangonana nantsoina hoe Gideona i Nehôra. Rehefa niezaka nitarika ny olon’ny Fiangonana haniasia i Nehôra, dia “nanohitra [an’i Nehôra] sady nananatra azy tamin’ny tenin’ Andriamanitra” (Almà 1:7) i Gideona. Tonga tezitra tamin’i Gideona i Nehôra ary namono azy. Nentina teo anoloan’i Almà i Nehôra ary novonoina araka ny lalàna (jereo ny Almà 1:9–15).

Vakio ny Almà 1:12, hitadiavana ny fomba namaritan’i Almà ireo fampianaran’i Nehôra.

Vakio ny Almà 1:16 sy ny 2 Nefia 26:29, hitadiavana famaritana ny komiberaky ny mpisorona.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fahitanao ny fampianaran’i Nehôra amin’ny maha-ohatry ny komiberaky ny mpisorona azy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no malaza ny hevi-diso sasany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mampidi-doza ny komiberaky ny mpisorona?

Mandà fampianaran-diso

Tahaka an’i Gideona dia azontsika atao ny mampiasa ny tenin’ Andriamanitra hanampy antsika handà fampianaran-diso (jereo ny Almà 1:7, 9). Mifantena iray na maromaro amin’ireo fampianaran’i Nehôra na sasany henonao tamin’izao androntsika izao. Avy eo dia mitadiava soratra masina izay manitsy ilay lainga. Ohatra, azonao atao ny manohitra ireo fampianaran’i Nehôra ao amin’ny Almà 1:3 amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 23:11.

  1. Manaova iray amin’ireto manaraka ierto ao anatin’ny diary fandalinanao:

  1. Zarao ireo fampianaran-diso nofanteninao sy ireo soratra masina tsapanao fa manitsy izany.

  2. Zarao ny zavatra nianaranao avy ao amin’ny Almà 1 momba ny fomba famantarana sy fandavana fampianaran-diso.

Hamoaka printy