Seminera
Almà 1:19–33: Mahita fiadanana ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fitoerana ho mahatoky ao anatin’ny fanenjehana


“Almà 1:19–33: Mahita fiadanana ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fitoerana ho mahatoky ao anatin’ny fanenjehana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 1:19–33,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 1:19–33

Mahita fiadanana ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fitoerana ho mahatoky ao anatin’ny fanenjehana

Sary
misiônera falifaly mampianatra vehivavy iray sy ankizy kely

Mino isika fa ny olon-drehetra dia manana zo hanompo an’ Andriamanitra araka ny baikon’ny fieritreretan’izy ireo (jereo ny Fanekem-pinoana 1:11). Kanefa inona no miseho raha manenjika anao noho ny finoanao ny hafa? Ahoana no ahafahanao mamaly na mahita fiadanana raha manakiana anao amin’ny finoanao ny hafa? Tamin’ny andron’i Almà, ny olona dia “rafitra nanenjika ireo izay isan’ny fiangonan’ Andriamanitra” (jereo ny Almà 1:19). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamaly amim-pahatokiana sy hahatsapa fiadanana na dia miatrika fanenjehana noho ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao aza.

Enjehina noho ny finoanao

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoro hevitra ny zatovon’ny Fiangonana. Jereo ilay horonan-tsary hoe “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:25 hatramin’ny 2:05, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ny fanambarana eto ambany:

Ao anatin’ny fiderana sy famporisihana ireo rehetra izay mila miorina mafy amin’izao andro farany izao no ilazako amin’ny rehetra, indrindra amin’ireo tanoran’ny Fiangonana, fa ho avy ny fotoana indray andro any, raha toa ka mbola tsy nitranga izany, izay hanananareo fahafahana hiaro ny finoanareo, na hiaritra herisetra mihitsy aza noho ianareo hoe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsotra izao fotsiny. Ny fotoana toy izany dia sady mitaky herim-po no mitaky fahalalam-pomba avy aminareo.

Ohatra, vao haingana no nisy rahavavy misiônera iray nanoratra taty amiko hoe: “Nahita lehilahy iray nipetraka sy nisakafo teo amin’ny dabilio teo akaikin’ny lapan’ny tanàna izaho sy ny rahavavy mpiara-miasa tamiko. Rehefa nanatona azy izahay, dia nitraka izy ka nahita ny soratra famantarana ny misiônera teny aminay. Nahatsiravina ny fijeriny, ary nitsangana izy sady nanainga ny tanany handeha hamely ahy. Nahay niala aho, saingy naloany teny amiko indray ny sakafony sady nanomboka nanompa anay tamin’ny teny ratsy faran’izay mahatsiravina izy. Niala teo izahay ary tsy niteny na inona na inona. Niezaka namafa ny sakafo teny amin’ny tarehiko aho, kanjo nisy vaingan’ovy voapotsitra namely ahy indray avy tao amin’ny hatoka. Indraindray dia tena sarotra ny manao asa fitoriana satria tamin’izay fotoana izay aho dia naniry ny hiverin-dalana, sy hisambotra ilay rangahy kely ka hiteny hoe: –AZAFADY KELY HOE!– Saingy tsy nanao izany aho.” (Jeffrey R. Holland, “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 6)

  • Mety ho nanao ahoana no fomba nasetrinao raha ianao ilay misiônera tamin’io toe-java-misy io?

  • Nahoana no mety ho sarotra ny mamaly amin’ny fomba tahaka ny ho nataon’i Kristy?

  • Oviana ianao no nanaovana fitondrana tsy mety na nenjehina noho ny finoanao?

  • Inona no mety ho toe-javatra any amin’ny hoavy izay mety hanenjehana anao noho ny finoanao?

Rehefa mandalina ny ohatr’ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ianao dia mitadiava fomba ahafahanao mijanona ho tsy azo hozongozonina sy hahita fiadanana ao amin’i Jesoa Kristy mandritra ny fanenjehana.

Fanenjehana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Niatrika fanamby maro i Almà nandritra ny androny tamin’ny naha-lohan’ny mpitsara azy. Taorian’ny namonoana an’i Nehôra noho ny namonoany an’i Gideona dia nanohy nino ireo fampianaran’i Nehôra ny sasany tamin’ny vahoaka. Vakio ny Almà 1:19–24, hitadiavana ireo fanamby natrehin’ny Nefita.

  • Inona avy ireo fitoviana hitanao eo amin’ny zavatra natrehin’ny Nefita sy ny zavatra niainanao?

  • Inona avy ireo zavatra nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana ka niteraka tamin’ireo fanamby ireo (jereo ny andininy 22)?

Vakio ny Almà 1:25–28 hitadiavana ny zavatra nataon’ny mpikambana marin’ny Fiangonana. Mba hanampy anao handamina ny zavatra halalininao dia manaova lisitry ny zavatra nataon’ny olona. Azonao atao ao amin’ny diary fandalinanao izany, na azonao marihina ao amin’ny soratra masinao ny zavatra hitanao.

  • Inona avy no sasantsasany tamin’ireo fomba samy hafa nasetrin’ny mpikamban’ny Fiangonana ny fanenjehana?

Fenoy amina zavatra iray nianaranao tamin’ny ohatry ny Nefita ity andian-teny manaraka ity.

  • Ny … dia afaka manampy antsika hahatsapa ny fiadanana mitohin’ny Mpamonjy na amin’ny fotoana anenjehana antsika noho ny finoana Azy aza.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ny famaliana amin’izany fomba izany manampy ny olona iray hahatsapa ny fiadanan’ny Mpamonjy?

    • Inona amin’ireny andininy ireny na ny lisitra nataonao no tianao hotadidìna indrindra raha sendra miatrika fanenjehana noho ny finoanao ianao? Nahoana?

    • Inona no zavatra iainanao eo amin’ny fiainanao ka mahatonga anao hahatsapa ho mila ny fiadanana atolotr’i Jesoa Kristy?

Mihoatra noho ny fiadanana fotsiny

Ankoatra ny fiainana fiadanana dia notahin’ny Ray any An-danitra tamin’ny fomba hafa ireo Nefita nahatoky. Vakio ny Almà 1:29–32, hitadiavana ireo fitahiana nomen’ny Ray any An-danitra ny Nefita rehefa nitoetra ho mafy orina nandritra ny andro sarotra izy ireo.

  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity ary vitao ilay sahanasa:

    • Ahoana no nahitanao ireo fitahian’ny Ray any An-danitra rehefa nitoetra ho mahatoky nandritra ny fanenjehana ianao na ny olona hafa fantatrao?

    Mifantena roa farafahakeliny amin’ireo zavatra nataon’ny Nefita mba hanehoana fitiavana sy fangoraham-po ho an’ny olon-drehetra na dia teo aza ny fanenjehana (jereo ny Almà 1:25–30). Fariparito ny fomba ahafahan’ny olona iray manao toy izany amin’izao androntsika izao.

Hamoaka printy