Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 10: Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 10: Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 10,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 10

Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
zatovo mandalina eo amin’ny solosaina

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hizatra hampihatra ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nohalalininao tamin’ity taona ity amin’ny fiainanao manokana.

Avereno jerena ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Amin’ny alalan’ny fampiasana ity tabilao manaraka ity dia avereno jerena ireo andinin-tsoratra msina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Avy eo dia misafidiana iray izay hitanao fa manan-danja ary vakio ilay andalan-tsoratra masina iray manontolo.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa … amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

  • Inona no andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hitanao ho manan-danja indrindra? Nahoana? (Hevero ny hizara ny andalan-tsoratra masina nosafidinao amin’ny namana iray na amin’olona iray ao amin’ny fianakaviana.)

Mampifandray fahamarinan’ny filazantsara amin’ny fiainanao sy ny toe-javatra misy anao

Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia fomba iray hanaovana ny zavatra ianaranao ho anao manokana sy hampiharana izany ny fiezahana mampifandray izany amin’ny fiainanao manokana sy ny toe-javatra iainanao. Ohatra, mety ho sahirana mafy amina fanontaniana na fanamby iray manokana ianao. Ny fitadiavana valiny eo am-pamakiana ny soratra masina dia fomba iray mahomby hampitomboana ny lanjan’ny fandalinana ataonao.

Sahanasa A

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Mieritrereta fanamby na olana amin’izao fotoana izao izay fahita matetika eo amin’izao tontolo izao ankehitriny ka hitanao fa mampanahy. Fariparito fohifohy ilay fanamby ary avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Misy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay heverinao fa mahasahana ilay olana ve? Ahoana no mety ho fiovan’izao tontolo izao raha mampihatra ilay fahamarinana avy ao amin’ny andalan-tsoratra masina nosafidinao ny ankamaroan’ny olona? Mizarà ohatra manokana iray na roa.

    • Raha mampiasa ilay fotopampianarana avy ao amin’ny andalan-tsoratra masina nosafidinao dia inona no mety holazainao amin’ny olona iray izay miatrika io fanamby io?

Sahanasa B

Eritrereto ny toe-javatra iainanao amin’izao fotoana izao, tafiditra amin’izany ny fanontaniana, na fanamby, na fitondran-tena an’ny tena manokana izay mety hoitadiavanao fanampiana. Avereno jerena ny lisitr’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, hitadiavana fahamarinana izay afaka manampy anao amin’ireo fanontaniana, na fanamby na fitondran-tena ireo. Misafidiana andalan-tsoratra masina iray farafahakeliny izay afaka manampy anao amin’ny zavatra iray izay atrehinao amin’izao fotoana izao.

  1. Soraty hoe inona no andalan-tsoratra masina nosafidinao, avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto ka tsy mizara na inona na inona mahakasika an’ny tena manokana loatra:

    • Ahoana no ahafahan’ny fampiharana ilay fotopampianarana avy ao amin’ny andalan-tsoratra masina nosafidinao ho fitahiana amin’ny fiainanao sy ny toe-javatra misy anao?

    • Ahoana no ahafahan’ny fampiharana ireo fahamarinana avy amin’izany andalan-tsoratra masina izany manampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy ho tonga tahaka Azy kokoa?

    • Inona no dingana kely iray na roa azonao atao mba hanombohana mampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainanao?

Hamoaka printy