Seminera
Almà 18: Nanompo sy nampianatra an’i Lamônia Mpanjaka i Amôna


“Almà 18: Nanompo sy nampianatra an’i Lamônia Mpanjaka i Amôna,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 18,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 18

Nanompo sy nampianatra an’i Lamônia Mpanjaka i Amôna

Sary
I Lamônia Mpanjaka ampianarin’i Amôna

Tsy fantatsika hoe nahoana i Lamônia Mpanjaka no nanaja be an’i Amôna tamin’izy ireo nihaona voalohany. Angamba ny fahavononan’i Amôna hanompo na ny fahazavan’i Kristy natarany izany, na noho izy zanak’i Môzià Mpanjaka. Na inona na inona anton’ny fahatsapana voalohany tsara nananan’i Lamônia momba an’i Amôna, i Lamônia dia voakasika lalina tamin’ny fahatokiana izay nanompoan’i Amôna azy nandritra ny telo andro manaraka. Noho ny zavatra tsapany dia vonona ny hino ny tenin’i Amôna rehetra i Lamônia. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hitady fomba hanampiana ny hafa hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy anananao.

Torio ny filazantsara

Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:

Ny iray amin’ireo toriteny tena lehibe indrindra natao hatramin’izay momba ny asa fitoriana dia ity torohevitra tsotra avy amin’i Masindahy François d’Assise ity: “Torio amin’ny fotoana rehetra ny filazantsara ary raha ilaina dia mampiasà teny.” (Dieter F. Uchtdorf, “Miandry eny amin’ilay Lalana Mankany Damaskosy,” Liahona, mey 2011, 77)

  • Ahoana no ahafantsika mitory ny filazantsara raha tsy mampiasa teny?

  • Ahoana no maha-fomba mahery vaika itoriana ny filazantsara izany?

I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’ny fampianarana ny filazantsara.

  • Ianao ve afaka mieritreritra fitantarana momba an’i Jesoa manampy ny hafa hianatra momba ny Ray any An-danitra na dia tsy dia miteny firy aza?

Sary
I Amôna niaro ny andian’ondriy

Mety ho tadidinao fa rehefa nanomboka ny iraka nataony teo amin’ny Lamanita tany amin’ny tanin’i Ismaela i Amôna, dia tsy tonga dia nanomboka nampianatra ny filazantsara avy hatrany izy. Tsy izany no nataony fa nampanantena ny mpanjaka toy izao izy: “ho mpanomponao aho” (Almà 17:25). Avy eo dia nomena asa hiambina ny andian’ondrin’ny mpanjaka i Amôna. Tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra no niarovany ny andian’ondry sy ny mpanompo hafa tamin’ny Lamanita izay nanandrana nanaparitaka ny ondry.

Rehefa mandalina ny Almà 18 ianao anio, dia jereo tsara ny fiantraikan’ny fanompoana mahatoky nataon’i Amôna tamin’i Lamônia Mpanjaka. Aoka ianao hieritreritra fomba ahafahanao manampy ny hafa hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana azy ireo amin’ny fomba araka an’i Kristy.

Ny fiantraikan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy nananan’i Amôna

Vakio ny Almà 18:1–11, hitadiavana ny vokatry ny zavatra nataon’i Amôna tamin’i Lamônia Mpanjaka. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Ammon Defends the King’s Flocks (Niaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:57 hatramin’ny 5:24 eo am-panarahana ao amin’ny soratra masinao. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no zavatra nanaitra anao tamin’ny zavatra nataon’i Amôna ao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no fiantraikan’ny zavatra nataon’i Amôna tamin’ny mpanjaka?

Rehefa avy nanomana ny soavaly sy kalesin’ny mpanjaka i Amôna, dia nankao amin’ny mpanjaka izy ary nahatsikaritra fa niova ny endrik’i Lamônia. Tamin’ny alalan’ny Fanahy, i Amôna dia nahatakatra ny eritreritry ny mpanjaka ary nahalala fa i Lamônia dia gaga tamin’ny fomba mahagaga niarovan’i Amôna ny andian’ondrin’ny mpanjaka (jereo ny Almà 18:12–19).

Vakio ny Almà 18:20–23, hitadiavana ny zavatra nirin’i Lamônia. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Ammon Teaches King Lamoni about the Gospel of Jesus Christ (Nampianatra an’i Lamônia mpanjaka momba ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:23 hatramin’ny 1:56 eo am-panarahana ao amin’ny soratra masinao. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona araka ny eritreritrao no anjara asa notanan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy nasehon’i Amôna tamin’ny fahavononan’ny mpanjaka hino ny tenin’i Amôna?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy ananantsika, Andriamanitra dia afaka manomana ny fon’ireo izay anaovantsika fanompoana handray fahamarinana ara-pilazantsara.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity:

    • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahantsika manampy ny hafa hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy ananantsika.

Nampianatra fahamarinana ara-pilazantsara an’i Lamônia i Amôna

Vakio ny Almà 18:24–43 hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Amôna an’i Lamônia. Azonao atao ny manao lisitra ny zavatra hitanao ka mijery tsara ny teny hoe: “notantarainy,” “nohazavainy,” ary ny hoe “nolazainy.” Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonantsary hoe “Ammon Teaches King Lamoni about the Gospel of Jesus Christ (Nampianatra an’i Lamônia mpanjaka momba ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:56 hatramin’ny 5:41, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ary manaraka ao amin’ny soratra masinao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy ireo fahamarinana manan-danja sasantsasany nanampian’i Amôna an’i Lamônia mba ho takany?

    • Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo tamin’i Lamônia?

    • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahatakatra ireo fahamarinana ireo ankehitriny?

Na dia maro tamin’ny Lamanita aza no nihevitra fa maty i Lamônia rehefa nianjera tamin’ny tany, dia nampian’i Amôna izy ireo hahatakatra fa ny mpanjaka dia “teo ambanin’ny herin’ Andriamanitra,” na “nentina tao amin’ Andriamanitra” (Almà 19:6). Hahalala misimisy kokoa momba ny fiovam-pon’i Lamônia ianao rehefa mandalina ny Almà 19.

Mampihatra ny zavatra nianaranao

Mieritrereta olona iray tsapanao fa azonao ampiana hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy.

  1. Valio ny fanontaniana avy amin’ny teboka roa farafahakeliny amin’ireto teboka manaraka ireto:

    • Ahoana no ahafahanao manompo na mampiseho fitiavana araka an’i Kristy amin’io olona io?

    • Ahoana no mety hanampian’ny ezaka ataonao an’io olona io hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra?

    • Inona avy no sakana hitanao hoe mety hahasarotra ny fanompoana io olona io amin’ny fitiavana madio? Ahoana ny ahafahanao mandresy ireny olana ireny?

Hamoaka printy