“Almà 20–22: -Inona no hataoko mba hahafahako manana … fiainana mandrakizay?-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Almà 20–22,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Almà 20–22
“Inona no hataoko mba hahafahako manana … fiainana mandrakizay?”
Inona no afaka manampy anao haniry ny hanaraka an’ Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra? Ny rain’i Lamônia Mpanjaka dia lehilahy ratsy fanahy fahiny, saingy taorian’ny nahafantarany ireo fahamarinana manan-danja momba ny Mpamonjintsika sy ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra, dia nanomboka niova be ny faniriany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao haniry ny zavatr’ Andriamanitra mihoatra noho ny zava-drehetra azon’izao tontolo izao atolotra.
Vonona ve ianao?
Efa tsikaritrao ve fa ny toe-java-misy sasany dia afaka ny hisy fiantraikany amin’ny fahavononanao hanao zavatra—na tsy hanao zavatra?
Ohatra, mieritrereta toe-javatra misy izay mahavonona anao hanao ireto manaraka ireto. Avy eo dia mieritrereta toe-javatra izay mety hahatonga anao ho tsy vonona kokoa hanao azy ireo.
-
Manadio ny efitrano fatorianao.
-
Mamaky boky.
-
Manao dia an-tongotra.
Afaka mandrisika antsika hanaraka an’ Andriamanitra ny zavatra sasany.
Makà fotoana hieritreretana momba ny fanirianao hanaraka an’ Andriamanitra. Raha mahatsapa faniriana hanaraka Azy ianao, inona no nanampy anao hahatsapa izany faniriana izany? Raha tsy manam-paniriana hanaraka Azy ianao amin’izao fotoana izao, inona no heverinao ho mandray anjara amin’izany fahatsapana izany?
Anio ianao dia hianatra momba ny lehilahy iray izay nitombo aoka izany tao anatin’ny fotoana fohy ny faniriany hanaraka an’ Andriamanitra. Rehefa mandalina ianao, dia jereo tsara ny zavatra nahatonga io fiovana io. Mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hanana faniriana lehibe kokoa hanaraka an’ Andriamanitra sy handray ireo fitahiana izay Izy ihany no afaka manome azy.
I Amôna sy i Lamônia nihaona tamin’ny rain’i Lamônia
Nandritra ny fotoana nanompoan’i Amôna sy nampianarany an’i Lamônia Mpanjaka tany amin’ny tanin’i Ismaela, ny Tompo dia nanambara tamin’i Amôna fa i Aharôna sy ny hafa tao amin’ny vondrona nisy azy ireo dia nogadraina tany amin’ny tanin’i Midônia. Nanao drafitra handeha hankany hanafaka an’i Aharôna sy ireo hafa i Amôna sy ny mpanjaka. Teny an-dalana izy ireo dia nihaona tamin’ny rain’i Lamônià izay mpanjaka nanerana ny tany rehetra (jereo ny Almà 20:1–8).
Vakio ny Almà 20:13–28 hitadiavana ny fifaneraserana nisy teo amin’i Amôna sy i Lamônia ary ny rain’i Lamônia.
-
Ahoana no nahitanao ny fiovan’ny fanirian’ny rain’i Lamônia nandritra ny fifaneraserany tamin’i Amôna sy i Lamônia?
-
Inona avy no sasantsasany tamin’ireo zavatra izay nandray anjara tamin’izany fiovana izany?
Hevero ny hanisy marika ao amin’ny andininy 23 ny zavatra vonona ny hafoin’ny rain’i Lamônia raha hitsimbina ny ainy i Amôna. Azonao atao ny mampitaha ny fihetsika nasetriny ao amin’io andininy io sy ny fihetsika nasetriny ao amin’ny andininy hafa hohalalininao any aoriana amin’ny lesona.
Nampianatra ny rain’i Lamônià i Aharôna
Rehefa avy navoaka tany am-ponja i Aharôna sy ireo izay niaraka taminy, dia niverina tany amin’ny tanin’i Ismaela niaraka tamin’i Lamônia Mpanjaka i Amôna. Notarihin’ny Fanahy hitsidika ny rain’i Lamania tany amin’ny tanin’ny Nefia i Aharôna (jereo ny Almà 22:1).
Vakio ny Almà 22:2–6, hitadiavana ny fanontaniana nananan’ny rain’i Lamônia tamin’ny fotoana nihaonany tamin’i Aharôna. .
-
Inona no mety hozarainao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny hamaliana ireo fanontanian’ny mpanjaka ao amin’ny andininy 5–6?
Vakio ny Almà 22:7–14 ary tadiavo ny fomba namalian’i Aharôna ireo fanontanian’ny mpanjaka. Mariho fa ilay teny hoe mendrika ao amin’ny andininy 14 dia midika hoe “mahazo noho ny ezaka.”
-
Inona no nianaran’ny mpanjaka momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny ka mety ho nisy fiantraikany tamin’ny fomba fijeriny momba ny fiainana?
-
Ahoana no ahafahan’ny finoana sy fahatakarana ireo fampianaran’i Aharôna momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny miantraika amintsika?
Vakio ny Almà 22:15–18 hitadiavana ny zavatra nirin’ny mpanjaka sy nahavonona azy hatao rehefa avy nampianatra azy i Aharôna.
Ny fomba ahafahan’ny faniriana marina ananantsika miantraika amintsika
Ny zavatra niainan’ny mpanjaka niaraka tamin’i Aharôna dia nisy fiantraikany lalina tamin’ny mpanjaka sy ny vahoakany. Ny mpanjaka, ny vadiny, ny tokantranony manontolo ary ireo Lamanita maro hafa dia lasa niova fo ho an’ny Tompo ary nahatoky Taminy tamin’ny androm-piainan’izy ireo sisa (jereo ny Almà 22:23; 23:6).
Avereno eritreretina ny zavatra nolazain’ny mpanjaka fa iriny ao amin’ny andininy 15–18. Tafiditra ao anatin’izany
-
ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay (andininy 15, 18);
-
ny “haterak’ Andriamanitra, rehefa hongotana hiala ao an-tratra[ny] izao faharatsiam-panahy izao” (andininy 15);
-
ny handray ny Fanahy Masina (andininy 15);
-
ny hofenoina fifaliana (andininy 15); sy
-
ny hahafantatra an’ Andriamanitra (andininy 18).