Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 4: Mitady valiny amina fanontaniana ara-panahy


“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 4: Mitady valiny amina fanontaniana ara-panahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 4,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 4

Mitady valiny amina fanontaniana ara-panahy

Sary
mpianatra mametra-panontaniana

Indraindray, mety manana fanontaniana na ahiahy ara-panahy mombana lohahevitra ara-potopampianarana, na manokana, na ara-piarahamonina, na ara-tantara ianao. Rehefa manana fanontaniana na ahiahy toy izany ianao dia afaka manao asa am-pinoana, mamakafaka ireo hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Fanamby amin’ny finoana

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto. Na azonao atao ny mijery ny horonantsary hoe “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:43 hatramin’ny 4:19, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

I Ashlyn dia zatovovavy izay naheno zavatra izay nampanahy azy momba ny Fiangonana tamin’ny namana iray. Tsapany hoe nafenina taminy ilay fampahalalana ary nandaingana tamin’ny alalan’ny tsy fitenenana taminy ireny zavatra ireny alohaloha kokoa teo amin’ny fiainany izy. Nanomboka niresaka tamin’ny hafa izay sosotra ihany koa izy ary namaky fanehoan-kevitra miiba momba ilay resaka.

Nianatra mombana lohahevitra ara-potopampianarana sarotra iray tamina seminera i Hugo ary nandeha tao amin’ny aterineto mba hianatra misimisy kokoa. Nahita loharano izay manakiana ny Fiangonana momba io resaka io izy. Noho ny fahalianana dia nijery horonantsary iray izay maneho ireo fampianaran’ny Fiangonana momba ilay lohahevitra amin’ny fomba miiba izy. Io zavatra niainany io dia namela azy hametra-panontaniana amin’ny fahamarinan’ny Fiangonana voalohany ndrindra teo amin’ny fiainany.

  • Ahoana no mety ho fahatsapanao amin’ireo zava-misy ireo?

  • Ahoana araka ny hevitrao no mety ho fihetsika havalinao?

Mety ho sarotra izany hoe manana fanontaniana ara-panahy mombana lohahevitra ara-potopampianarana, manokana, ara-piarahamonina, na ara-tantara tsy voavaly izany. Mieritrereta fanontaniana toy izany mety hanananao ary hevero ny hanoratra azy ireny ho an’ity lesona ity.

Misy zavatra azonao ianarana sy atao izay afaka manampy anao hamaly fanontaniana na ahiahy amim-pahitsiana sy finoana. Rehefa mandalina io lesona io ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny fampahalalana ianaranao manampy anao hamaly ireo fanontanianao manokana amim-pahatokiana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Ireto fitsipika manaraka ireto dia afaka mitari-dalana anao amin’ireo ezaka ataonao handraisana fitarihana sy fahatakarana mombana resaka ara-panahy:

  • Manao asa amim-pinoana.

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Mikatsaka fampahalalana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Manao asa amim-pinoana

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto. Na azonao atao ny mijery ny horonantsary hoe “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:19 hatramin’ny 5:35, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Azonao atao ihany koa ny mamaky ny andiam-pehezanteny 5–7 ao amin’ny fizaràna hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) alohan’ny hamakiana ireo rafi-tantara sy hijerena ilay horonantsary.

Rehefa avy nahalala ny zavatra nataony i Ashlyn, dia tena sosotra izy ka najanony ny fandraisany anjara ao amin’ny Fiangonana. Nandritra ny herintaona mahery, nanalavitra ny Fiangonana izy. Tamin’ny farany, nisy namana akaiky nanontany azy ny antony nijanonany tsy nandray anjara. Nizara lahateny avy amina fihaonambe maneran-tany izay noheveriny fa hanampy taminy izy, ary nanasa azy hivavaka momba ny zavatra novakiny.

Nohazonin’i Hugo ho azy ny fisalasalany sy ny ahiahiny saingy nanohy nandray anjara tao amin’ny fiangonana izy. Na izany aza, tsy niala ny fahatsapany fisafotofotoana. Tamina fotoana iray, tena nahatsapa izy fa tokony hiresaka amin’ny ray aman-dreniny momba ny ahiahiny. Izany no fahatsapana ara-panahy voalohany tsapany hatramin’izay niainany zavatra tamin’ny aterineto.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no ahitanao an’i Ashlyn sy i Hugo manao zavatra na tsy manao zavatra amim-pinoana?

    • Inona no azonao lazaina ka mety hamporisika azy ireo hitodika amin’ Andriamanitra ho setrin’ny fanamby atrehin’izy ireo?

    • Inona no soratra masina afaka manampy ny olona iray hanao zavatra amim-pinoana rehefa manana fanontaniana izay tsy voavaly mora foana izy?

    Manorata soratra masina iray farafahakeliny ao amin’ny diary fandalinanao ary hazavao ny antony ahatsapanao fa mety hanampy izany. Raha sahirana ianao mitady iray, dia avereno jerena ny andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 8–10 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana..

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana ny mety ho nanampian’ny famakafakana hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay an’i Ashlyn na i Hugo tamin’ny fotoana nitrangan’ny ahiahin’izy ireo voalohany?

    • Ahoana no ahafahan’izany manampy azy ireo amin’ny toe-javatra misy azy ireo ankehitriny?

    • Inona no tianao ho takatr’i Hugo sy i Ashlyn momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny amin’io fotoana eo amin’ny fiainan’izy ireo io?

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 11–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana..

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto. Na azonao atao ny mijery ny horonantsary hoe “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” manomboka eo amin’ny mari-potoana 5:35 hatramin’ny 7:01, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Nanapa-kevitra hamaky ilay lahateny avy amina fihaonambe maneran-tany natoron’ny namany azy i Ashlyn. Rehefa namaky izy dia nahatsapa fiadanana sy fianinana izay tena tsy nitovy tamin’ny zavatra tsapany tamin’ny fotoana namakiany fanehoan-kevitra miiba momba ny Fiangonana. Nahatsapa fahazoana antoka manokana izy fa nisy fahatsarana sy fahamarinana tao amin’ny zavatra novakiny. Tamin’ny farany, tamin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana mahatoky, tsapany fa natanjahina ny fijoroany ho vavolombelona, na dia mbola nanana fanontaniana tsy voavaly aza izy.

Niresaka tamin’ny ray aman-dreniny i Hugo ary nahita fa tena tsara fanahy izy ireo ary mahatakatra ny ahiahiny. Nampahafantarin’izy ireo ny loharano Gospel Topics (Lohahevitra ara-pilazantsara) ao amin’ny Gospel Library izy, ary niara-namaky mombana lohahevitra iray izay nahakasika azy izy ireo. Nahita fampiononana tamin’ny fahalalana fa misy valiny ara-paminaniana azony andrandraina amin’ny valin’ny fanontaniany izy.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Avy amina loharano inona avy no nahazoan’ny olona tsirairay ao amin’ireo rafi-tantara fampahalalana? Inona avy no loharano azo itokiana? Nahoana, na nahoana no tsia?

    • Inona no fahasamihafana rehefa nitodika tamina loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra i Ashlyn sy i Hugo?

    • Inona avy no loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ankasitrahanao? Nahoana?

    Eritrereto ny zavatra nianaranao androany sy ny fomba mety hanampian’izany amina fanontaniana na fanamby ara-panahy anananao na ny hafa. Hevero ny hanoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao ka mety hanampy anao hahita fiadanana sy fahatakarana. Asao ny hery mitariky ny Ray any An-danitra mba hanome anao aingam-panahy rehefa misaintsaina sy manoratra ianao.

Hamoaka printy