“Almà 30:30–60: ‘Misy ny Mpahary Faratampony,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)
“Almà 30:30–60,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna
Almà 30:30–60
“Misy ny Mpahary Faratampony”
Nijoro ho vavolombelona i Almà fa “ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra” (Almà 30:44). Saingy nahoana no tsy ny olon-drehetra no mahafantatra na miaiky fa misy porofo fa tena misy Andriamanitra? Nandà ny fisian’ Andriamanitra mandra-pahatonga azy nozoin’ny hamoanana tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra i Kôrihôra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra porofo fa misy Andriamanitra ary hisafidy ny hino Azy.
Ny fisian’ Andriamanitra
-
Ao amin’ny sekoly na fiarahamonina misy anao, manao ahoana ny hatetiky ny fahitan’ny olona ny porofon’ny fisian’ Andriamanitra eo amin’ny tontolo manodidina azy ireo (ohatra, rehefa mijery fodian’ny masoandro na mijery ny kintana)?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no afaka mijery zavatra mitovy ny olona saingy samy manana ny tsoa-keviny momba an’ Andriamanitra?
-
Inona no mety hitaona ny fahaizan’ny olona iray mamantatra ny fandraisan’ Andriamanitra anjara eo amin’ny fiainany?
Saintsaino ny mety hitahiana anao raha afaka mahita mazava kokoa an’ Andriamanitra sy ny fandraisany anjara eo amin’ny fiainanao ianao. Rehefa mandalina ianao androany dia katsaho ny hampitombo ny fahafahanao mahita porofo fa misy Andriamanitra amin’ny zavatra hitanao sy iainanao.
Niampanga mpitarika tao amin’ny Fiangonana i Kôrihôra
I Kôrihôra izay antikristy dia nahomby be tamin’ny fanaparitahana ny hafany manasohaso tany amin’ny tanin’i Zarahemlà (jereo ny Almà 30:12, 17–18). Niezaka nampianatra ny olona tany Jersôna sy Gideôna koa izy. Ny mpino an’ Andriamanitra tany dia nanohitra an’i Kôrihôra ka nitondra azy hijery ny lohan’ny mpitsara sy i Almà, ilay mpisorona avo.
Vakio ny Almà 30:30–36 hitadiavana ny zavatra navalin’i Almà tamin’ireo famelezana an’ Andriamanitra sy ny Fiangonana nataon’i Kôrihôra.
Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe fanevatevana ao amin’ny andininy 30 dia midika ho fanesoana na fitenenana “momba an’ Andriamanitra na ny zava-masina tsy am-piheverana na am-panajana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanevatevana, Manevateva,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ny teny hoe mampibosibosika ao amin’ireo andininy ireo dia midika hoe mampanankarena tena amin’ny.
-
Inona no niampangan’i Kôrihôra ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana ho nataon’izy ireo? (Jereo ny Almà 30:31.)
Ny fijoroan’i Almà ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra
Rehefa nanontanian’i Almà raha mino an’ Andriamanitra i Kôrihôra, dia nilaza i Kôrihôra fa tsy mino izy (jereo ny Almà 30:37–38).
Vakio ny Almà 30:39–44 hitadiavana ny fomba namalian’i Almà an’i Kôrihôra.
Ny Filoha Russel M. Nelson dia nanome ity torohevitra manaraka momba ny fahalalana fa misy Andriamanitra ity.
Fantaro fa raha vao tsy misy ny zavatra iainana miaraka amin’ Andriamanitra dia afaka miahiahy ny amin’ny fisian’ Andriamanitra ny olona iray. Koa ataovy izay ahafahanareo manomboka miaina zavatra miaraka Aminy. Manetre tena. Mivavaha mba hananana maso mahita ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo ary eo amin’ny tontolo manodidina anareo. Angataho Izy mba hilaza aminao raha toa ka tena eo marina Izy, raha toa ka mahafantatra anao Izy. Anontanio Azy ny fahitany anao. Ary avy eo dia mihainoa. (Russell M. Nelson, “Avia, manaraha Ahy,” Liahona, mey 2019, 90)
-
Araka ny nolazain’ny Filoha Nelson, inona no azonao atao mba hanamafisana orina ny fahalalanao fa tena misy Andriamanitra ary mandray anjara eo amin’ny fiainanao Izy?
Tsy ny fampiharana finoana mba hiainana zavatra miaraka amin’ Andriamanitra no nataon’i Kôrihôra fa ny tiany dia ny handresen’i Almà lahatra azy momba ny herin’ Andriamanitra ary nihantsy azy imbetsaka mba haneho famantarana aminy (jereo ny Almà 30:43, 45, 48).
-
Inona araka ny eritreritrao no tsy mampitovy ny olona iray manaraka ny fanasan’ny Filoha Nelson sy ny olona iray mitaky famantarana?
Vakio ny Almà 30:48–53, 59–60 hitadiavana ny fomba nahatongavan’i Kôrihôra ho resy lahatra tamin’ny herin’ Andriamanitra.
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Kôrihôra?
Diniho ny lesona nasongadin’i Môrmôna tamin’ny andian-teny hoe “toy izany no ahitantsika” ao amin’ny andininy 60. Eritrereto ny fomba mbola amitahan’ny devoly ny olona ankehitriny sy iezahany mandresy lahatra azy ireo handà izay zavatra fantatr’izy ireo fa marina.