Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 14: Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 14: Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 14,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 14

Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
andian-tsoratra masina nasiana marika ny lahatsoratra ao aminy

Ny fitadidiana toko sy andinin-tsoratra masina sy ny zavatra ampianarina ao anatin’izy ireny dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tsianjery toko sy andininy maro ary ireo andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Tombony amin’ny fitadidiana soratra masina

  • Inona no holazainao amin’ny olona iray izay manontany tena momba ny antony mety hahatsara ny fanaovana tsianjery soratra masina?

Vakio ny Almà 31:5 hitadiavana antony iray mety hanaovan’ny olona iray tsianjery ny soratra masina.

  • Ahoana no mety hanampian’ny fitadidiana soratra masina anao mba hahazo ny herin’ Andriamanitra?

  • Inona ny andinin-tsoratra masina iray nataonao tsianjery? Inona no tombontsoa azonao tamin’ny fanaovana tsianjery soratra masina?

Avereno jerena ireto toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireto andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ireto. Misafidiana telo na efatra tianao hatao tsianjery.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Mizàra manao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja izay nosafidinao. Afaka mampiasa ny sasany na ny rehetra amin’ireto fomba fanazaran-tena manaraka ireto ianao:

  1. Raha misy dia ampiasao ny flash card ao amin’ilay application Maîtrise de la doctrine.

  2. Soraty ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja tsirairay, ka esory ny teny vitsivitsy. Mizàra mamerina ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny famenoana ny teny tsy eo.

  3. Soraty ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja. Ataovy amin’ny tsirairay amin’ireo andinin-tsoratra masina tianao hatao tsianjery izany. Mizàra mitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja amin’ny alalan’ny fampiasana ireo litera voalohany.

  4. Soraty ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja. Akorontano amin’ny alalan’ny fanapahana ilay taratasy ho teny misaratsaraka ny teny sy tarehimarika. Afangaroy ny teny sy tarehimarika ary avy eo dia avereno amin’ny filaharany marina.

  5. Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray farafahakeliny ary jereo raha hainao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina iray manontolo. Hevero ny hampiasa ilay fahafahana mianatra tsianjery ao amin’ny application Maîtrise de la doctrine na ny iray amin’ireo fomba fiasa voatanisa etsy ambony mba hanampy anao hitadidy.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina nataonao tsianjery?

    • Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina ny mitadidy soratra masina?

    • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fitadidiana soratra masina manampy anao ho tonga mpanara-dia an’i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy