“Almà 34:17–41: Izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)
“Almà 34:17–41,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna
Almà 34:17–41
Izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra
Efa nanontany tena ve ianao hoe hanao ahoana izany mihaona amin’ny Ray any An-danitra aorian’ity fiainana ity izany? I Amioleka dia nampahatsiahy ny Zôramita fa “izao fiainana izao no fotoana … hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra” (Almà 34:32) ary niangavy azy ireo mba tsy hanemotra ny andron’ny fibebahan’izy ireo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao amin’ny ezaka ataonao hiomanana hihaona amin’ Andriamanitra.
Ny maha zava-dehibe ny fiomanana
Mieritrereta zavatra iray tsy maintsy nomaninao teo amin’ny fiainanao, toy ny fitsapam-pahaizana, na fampisehoana, na hetsika ara-panatanjahantena iray.
-
Inona ireo paikady sasantsasany nampiasainao mba hanampy anao ho vonona?
-
Inona avy ireo zavatra sasantsasany nahatonga na mety hahatonga ny fiomanana ho sarotra?
Ampahatsiahivo fa i Almà sy i Amioleka dia nitory tamina vondrona Zôramita izay noroahina niala tao amin’ny sinagôgan’izy ireo noho ny fahantran’izy ireo. Ireo Zôramita ireo dia tsy nino an’i Jesoa Kristy tany aloha (jereo ny Almà 31:16), koa namporisika azy ireo hanisy toerana ao am-pon’izy ireo mba hanirian’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy i Almà sy i Amioleka (jereo ny Almà 32:27–28; 34:4–6). Teo am-pampianarana ireo olona ireo, i Amioleka dia nizara zavatra iray izay tokony hiomanantsika rehetra.
Vakio ny Almà 34:32, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Amioleka.
Ianarantsika avy amin’ireo fampianaran’i Amioleka fa izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra.
-
Inona avy ireo toe-tsaina sy fitondrantena andrasanao amin’ny olona iray izay miomana hihaona amin’ Andriamanitra?
Makà fotoana hisaintsainana ny fahatsapanao momba ny fiverenana eo anatrehan’ Andriamanitra. Diniho raha miezaka amim-pahamendrehana ny hiverina eo anatrehany ianao ary diniho ny zavatra mety hanelingelina anao amin’izany tanjona izany. Rehefa manohy mandalina ianao, dia mieritrereta fomba ahafahanao mampihatra ireo fampianarana ao amin’ny Almà 34 mba hanampy anao ho vonona tsara kokoa hihaona amin’ Andriamanitra.
Fomba ahafahantsika miomana hihaona amin’ Andriamanitra
Maro amin’ireo fampianaran’i Amioleka ao amin’ny Almà 34 no manampy antsika hahatakatra ny fomba ahafahantsika miomana hihaona amin’ Andriamanitra.
Misafidiana telo farafahakeliny amin’ireto andian’andininy manaraka ireto hohalalinina, ka tadiavo ireo fampianarana izay afaka manampy antsika hiomana hihaona amin’ Andriamanitra.
Aza ahemotra ny fibebahanao
Jereo ny teny nambaran’i Amioleka ao amin’ny andininy 33: “Aza ahemotra hatramin’ny farany ny andron’ny fibebahanareo.” Hevero ny hanisy marika io andian-teny io ao amin’ny soratra masinao.
-
Nahoana no mety halaim-panahy hanemotra ny fibebahana ny olona sasany?
Vakio ny Almà 34:33–35 hitadiavana ny antony namporisihan’i Amioleka ny mba tsy hanemorantsika ny fibebahantsika.
Ampianarina isika fa ny fibebahana dia afaka mitranga any amin’ny tontolon’ny fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:31, 33, 58). Saingy ny mpaminanin’ny soratra masina sy ny andro farany dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fibebahantsika mandritra ny fiainana an-tany. Ny Loholona Melvin J. Ballard [1873–1939] tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ity tari-dalana ity:
Mora lavitra ny mandresy sy manompo ny Tompo rehefa mbola mitambatra ho iray ny nofo sy ny fanahy. Izao no fotoana ananan’ny olombelona toetra mora ifandaminana sy mahay mandray. … Eto amin’ity fiainana ity no fotoana hibebahana. (Melvin J. Ballard: Crusader for Righteousness (1966), 212–13; nindramina ho ao amin’ny Dallin H. Oaks, “Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana,” Liahona, mey 2019, 94)
-
Inona no anampian’ny andininy 33–35 sy io teny nambara io anao hahatakaranao ny momba ny antony tsy tokony hanemorantsika ny fibebahantsika?
Ny fibebahana dia ampahany tena ilaina amin’ny fiomanana hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra. Tsarovy fa ny Tompo dia mamindra fo amim-pitiavana amin’ireo izay miezaka mibebaka, na dia misy fotoana aza sarotra ho azy ireo ny fandresena ny fahotana sasantsasany.
Nampianatrany Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Indraindray isika, mandritra ny fibebahantsika sy ny ezaka ataontsika isan’andro mba hitovy bebe kokoa amin’i Kristy, dia mahita fa sahirana miady foana amin’ireo zava-tsarotra izay miverimberina foana isika. …. Aza kivy. Raha miezaka mafy sy miasa mba hibebahana ianao, dia efa eo amin’ny dingan’ny fibebahana ianao. (Neil L. Andersen, “Repent …. That I May Heal You,” Liahona, Nov. 2009, 41)
Saintsaino ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany momba ny fiomanana hihaona amin’ Andriamanitra sy ny tsy fanemorana ny fibebahana. Eritrereto ireo andraikitra tianao horaisina noho ny zavatra nohalalininao androany. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao.