Seminera
Almà 43, 48–50: Mianatra avy amin’ireo toko momba ny ady


“Almà 43, 48–50: Mianatra amin’ireo toko momba ny ady,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 43, 48–50,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 43, 48–50

Mianatra avy amin’ireo toko momba ny ady

Sary
Nefita mirongo fiadiana ao amina toeram-pialofana iray

Ny ampahany farany amin’ny bokin’i Almà dia milazalaza fotoanan’ny fifandirana sy ady. Ny paikady nampiasain’ny Nefita tao amin’ireo ady ireo dia afaka manampy antsika hampivelatra paikady azontsika ampiasaina amin’ny ady isan’andro ataontsika amin’i Satana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampihatra ny soratra masina amin’ny tenanao mba handraisanao ny fiarovan’ny Tompo amin’ireo fanafihana tsy tapaka sy mitombo ataon’ilay fahavalo.

Mamantatra ny fahavalo

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitandrina toy izao:

Mitombo ao anatin’ ny faritry ny fahavalo ianareo. … [Ny fahavalo] dia hita any amin’ ireo tokantrano, fialamboly, fampitam-baovao, fiteny—ao amin’ ny zavatra rehetra manodidina anareo. Raha ny ankamaroan’ ny zava-miseho dia tsy hita ny fanatrehany eo. (Boyd K. Packer, “Ahoana no ahafahana manohy miaina araka ny tokony ho izy ao amin’ny faritry ny fahavalo,” Liahona, ôkt. 2012, 2)

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana anananao momba io fanambarana io?

  • Inona avy no ohatra azonao eritreretina ka maneho ny zavatra noresahin’ny Filoha Packer?

Saintsaino mandritra ny fotoana fohy ny fomba iharan’ny teny nambaran’ny Filoha Packer aminao. Inona avy no sasantsasany amin’ireo fomba voamarikao fa iantraikan’ny fakam-panahin’i Satana aminao na amin’ny olona akaiky ny fonao? Inona avy no ezaka ataonao hiarovana ny tenanao amin’ny fanafihany?

Ireo ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita

Ny fiafaran’ny bokin’i Almà dia milazalaza ny sasany amin’ireo ady izay niseho teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Rehefa mandalina ireo tantara ireo ianao, dia afaka mianatra lesona sarobidy izay afaka manampy anao amin’ny ady ataonao amin’i Satana. Ohatra, ireo tanjona sy tetikadin’ny Lamanita dia azo ampitahaina amin’ireo tanjona sy tetikadin’i Satana amintsika.

Vakio ny Almà 43:5–8; 46:3–5, 10, ka tadiavo ny zavatra nataon’ny mpitarika ratsy fanahin’ny Lamanita izay mitovy amin’ireo tanjona sy tetikadin’i Satana.

  • Ahoana no itovian’ny tanjona sy tetikadin’ireo mpitarika ireo amin’ny an’i Satana?

Sary
I Môrônia niaraka tamin’ny fanevan’ny fahafahana

Ny tafiky ny Nefita dia notarihin’ny lehilahy marina iray nantsoina hoe Môrônia.

Vakio ny Almà 48:11–13, 17, hitadiavana ireo toetra mifanaraka amin’i Kristy na ireo toetoetran’i Môrônia.

  • Inona no hitanao?

Mampihatra ny soratra masina amin’ny tenanao

Ireo fampitahana nataonao tao amin’ny soratra masina hatreto, dia afaka manomana anao hampitaha, na hampifandray, antsipiriany hafa avy amin’ireo tantara ireo amin’ny fiainanao.

Ity dingana manaraka ity dia afaka manampy anao hampihatra ny soratra masina amin’ny fiainanao. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ireto dingana ireto.

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana amin’ny fiainanao.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Farito ny fampiharana ataon’ny tena manokana.

Ampiharo amin’ny alalan’ny fampiasana io dingana io ny fahaiza-mandalina soratra masina mampitaha, rehefa mianatra momba ny iray amin’ireo ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita ianao.

Dingana 1: Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja

Vakio ny Almà 43:17–21, 37–39, 51–54 ka tadiavo antsipiriany manan-danja. Mety ho isan’ireny antsipiriany ireny ny olona, na toerana, na zavatra, na fihetsika izay nasongadina.

Ao anatin’ireo antsipiriany mety ho tsikaritrao ny fiarovan’i Môrônia ny tafiny amina fiadiana sy fanamiana matevina, ny Lamanita tsy manao fiarovana, ary ny Nefita mandresy ny Lamanita na dia vitsy an’isa tokoa aza.

Dingana 2: Manaova fampitahana amin’ny fiainanao

Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo antsipiriany hitanao tao amin’ny dingana teo aloha mitaha amin-javatra ara-panahy na toe-javatra eo amin’ny fiainanao.

Mety ho nampitahainao tamin’ny fiadian’ny Nefita ny fiadian’ Andriamanitra. Mety ho nampitahainao tamin’ny fandresena an’i Satana sy ny fakam-panahiny ihany koa ny fandresen’ny Nefita.

Dingana 3: Fantaro ireo lesona sarobidy

Eritrereto ny zavatra nianaranao tamin’io tantara io ka afaka mihatra aminao. Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ny zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy.

  • Inona avy no lesona sasantsasany ianaranao avy amin’io ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita io ka afaka manampy anao amin’ireo ady ataonao amin’i Satana?

  • Inona no ampianarin’io tantara io anao momba an’i Jesoa Kristy?

Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe i Jesoa Kristy dia manolotra antsika ny fiarovana ilaintsika amin’ny ady ataontsika amin’i Satana.

Dingana 4: Farito ny fampiharana ataon’ny tena manokana

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampihatra ireo lesona hitanao tao amin’ny dingana teo aloha.

  • Inona no azonao atao mba handraisana ny fiarovan’i Jesoa Kristy amin’i Satana?

Ankoatra ireo fomba maro ampiharana io fahamarinana io, mety ho tao an’eritreritrao ny fomba isian’ny fiarovan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fihetsika mahatoky toy ny vavaka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5), fandalinana soratra masina (jereo ny 1 Nefia 15:24), na fitandremana ireo didin’ny Tompo (jereo ny Môzià 2:41).

Ampiharo indray ilay fampiharana ny soratra masina

Misafidiana roa farafahakeliny amin’ireto andian’andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary rehefa mandalina ianao, dia mizàra mampiasa ilay dingana arahina misy dingana efatra amin’ny fampiharana ny soratra masina.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no antsipiriany manan-danja hitanao tamina tantara iray nohalalininao?

    • Inona avy no fampitahana sasantsasany nataonao tamin’ireo antsipiriany ireo sy ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainanao?

    • Inona no lesona iray na maromaro nianaranao avy tamin’io tantara io?

    • Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo lesona ireo eo amin’ny fiainanao?

Hamoaka printy