Seminera
Tombano ny fianaranao 6: Almà 17–Almà 52


“Tombano ny fianaranao 6: Almà 17–Almà 52,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao 6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 6

Almà 17Almà 52

Sary
zatovovavy mandalina ny soratra masina

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombana ireo tanjona napetrakao sy ny fitomboana izay niainanao hatreto nandritra ny fandalinanao vao haingana ny Bokin’i Môrmôna.

Mandrefy ny fitomboana

  • Inona no ampiasana ireto fitaovana manaraka ireto?

Sary
fitsapana hafanana atao amin’ny vava
Sary
fitaovana fandrefesana tosi-drà
Sary
fandajana
  • Ahoana no maha sarobidy sy manan-danja ny tsirairay amin’ireo fitaovana ireo?

Tahaka ny maha-zava-dehibe ny fandrefesana ny fahasalamana sy fitomboana ara-batana, no maha-zava-dehibe ny fanombanana ny fahasalamana sy fivoaranao ara-panahy. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hanao izany.

  • Inona no zavatra nianaranao vao haingana ka ankasitrahinao?

  • Inona avy no fiovana voamarikao tamin’ny fahatsapanao na toe-tsainao tato ho ato?

  • Inona avy no fomba sasantsasany nampiharanao ny zavatra nianaranao?

Vitao ireto sahanasa manaraka ireto mba hanombanana ny fianaranao sy ny fitomboanao ara-panahy. Hevero ny hangataka ny Ray any An-danitra hanampy anao hamantatra ny fandrosoana nataonao sy ireo sehatra izay mety ilanao fanatsarana.

Hazavao ireo fahamarinana manan-danja momba ny drafitry ny famonjena sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy

Avy amin’ny fandalinanao ny Almà, mety nianatra zavatra maromaro izay afaka manampy anao hanazava tsara kokoa fahamarinana momba ny drafitry ny famonjena sy ny anjara asa manan-danjan’i Jesoa Kristy ianao.

Misafidiana sahanasa iray hovitaina amin’ireto manaraka ireto.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

Sahanasa 1: Ny drafitry ny famonjena

Alaovy sary an-tsaina hoe vao haingana no namoy olona akaiky azy ny iray amin’ireo namanao.

  • Rehefa mieritreritra ny sasany amin’ireo fahamarinana tao amin’ny zavatra nohalalininao vao haingana ianao, inona no azonao zaraina amin’ny namanao momba ny drafitry ny famonjena? Ahoana no mety hanampian’izany azy? (Jereo ny Almà 11; 12; 40.)

Sahanasa 2: Ny anjara asan’i Jesoa Kristy

Alaovy sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny olona iray izay misalasala ny amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy ianao.

  • Rehefa mieritreritra ny sasany amin’ireo fahamarinana tao amin’ny zavatra nohalalininao vao haingana ianao, inona no azonao zaraina amin’io olona io momba ny anjara asa manan-danjan’i Jesoa Kristy? (Jereo ny Almà 26; 34; 36.)

Mahatsapa faniriana hiova mitombo noho i Jesoa Kristy

Tamin’ny fandalinana vao haingana nataonao, ianao dia nianatra mombana olona maro izay niova satria nianatra momba an’i Jesoa Kristy.

Halalino ireto soratra masina manaraka ireto mba hanampy anao hahatsiaro ny fiovana izay niainan’ireo olona ireo. Hevero ny zavatra tsapanao teo am-pandalinana momba ireo olona ireo.

  • Inona no tsikaritrao momba ny fahavononan’izy ireo hiova?

Saintsaino ny fanirianao hiova noho i Jesoa Kristy. Mety hanampy anao hanao izany ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao heverina ny hamaly ireto ao amin’ny diary fandalinanao.

  • Efa nahatsapa ny sasany amin’ireo faniriana izay tsapan’ireo olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ve ianao? Nahoana no nahatsapa toy izany ianao?

  • Inona araka ny eritreritrao no afaka nitarika na nitarika anao hahatsapa ireo faniriana ireo?

Mandray fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina

Tanjona iray manan-danja amin’ny seminera ny hanampy anao hampitombo ny fahafahanao mandray fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina.

Saintsaino ny zavatra vao haingana niainanao tamin’ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina. Mety ho azonao atao ny mamerina mijery ny sasany amin’ireo fanamarihana nosoratanao tao amin’ny soratra masinao na diary fandalinanao rehefa nandalina tao an-dakilasy na tany an-trano ianao.

  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

    • Inona avy no hevi-baovao noraisinao tamin’ny Fanahy Masina tamin’ny fandalinanao vao haingana ny Bokin’i Môrmôna?

    • Inona no nanampian’ny Fanahy anao ho takatrao na ho tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

    • Inona avy no asa marina nibitsihan’ny Fanahy Masina anao vao haingana ny hanaovana azy?

Hamoaka printy