Seminera
Almà 47–48: I Amalikià sy i Lehôntia


“Almà 47–48: I Amalikià sy i Lehôntia,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 47–48,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 47–48

I Amalikià sy i Lehôntia

Sary
Olona mijoro eny an-tampon’ny tendrombohitra

Efa naheno olona niteny ve ianao hoe “Tsy maninona raha indray mandeha fotsiny,” “Kely fotsiny,” na hoe “Tsy dia ratsy akory”? Rehefa manapa-kevitra ny hanaiky ny fakam-panahin’i Satana isika na dia kely fotsiny aza, dia manome azy fahefana amintsika isika. Ao amin’ny Almà 47, isika dia mianatra momba ny lehilahy iray nantsoina hoe Lehôntia izay nanaiky kely fotsiny ny fahavalony ary tonga tamina toe-javatra tena mampidi-doza sy mahafaty mihitsy aza izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanohitra ny fanandraman’i Satana hanana fahefana aminao.

Jono

Sary
Haranjono miaraka amin’ny jono

Ny jono anjonoana dia karazana famandrika ampiasaina hisamborana trondro. Ny jono dia misarika ny sain’ny trondro ary afaka misarika ny trondro hiezaka hanaikitra izany. Avy eo, raha vao voafaingoka ny trondro dia azo samborina.

  ChurchofJesusChrist.org

  • Inona avy no sasantsasany amin’ireo jono ampiasain’i Satana hisarihana antsika hanota?

  • Nahoana ianao no te hanohitra ireo jono ireo?

  • Inona no mety hahasarotra ny fanoherana fakam-panahy?

Mety ho tsaroanao fa i Amalikià sy ny vondrona Nefita mpifanditra dia nikatsaka ny handrodana ny fahafahan’ny Nefita ary hamotika ny fiangonan’ Andriamanitra (jereo ny Almà 46:10). Rehefa avy nosakanan’i Môrônia sy ny Nefita hafa i Amalikià, dia nandositra tany amin’ny Lamanita ary nanandrana namoky azy ireo ho tezitra tamin’ny Nefita (jereo ny Almà 46:29–33; 47:1).

Anio ianao dia hianatra momba ny fanandramana misimisy kokoa nataon’i Amalikià mba hahazoana fahefana. Maro amin’ireo tetikadiny no mitovitovy amin’ireo tetikady ampiasain’i Satana amintsika ankehitriny. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hiala amin’ireo jono ampiasain’i Satana hanimbana anao.

Nikatsaka ny ho tonga mpanjakan’ny Lamanita i Amalikià

Vakio ny Almà 47:1–8, ary tadiavo hoe inona ireo drafitr’i Amalikià rehefa nankany amin’ny Lamanita izy.

  • Inona no nataon’i Amalikià mba hananany hery sy fahefana teo amin’ny Lamanita?

  • Ahoana no itovitovian’ireo tanjon’i Amalikià amin’ny an’i Satana? (jereo ny 2 Nefia 26:22).

  • Inona no tsy mampitovy ireo tanjon’ny Ray any An-danitra amin’ny an’i Satana? (jereo ny Mosesy 1:39). Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro izany?

Ny andiana Lamanita izay nandà ny handeha hiady amin’ny Nefita dia notarihan’ny lehilahy iray nantsoina hoe Lehôntia.

Vakio ny Almà 47:9–12, hitadiavana ny zavatra tian’i Amalikià hataon’i Lehôntia.

Sary
Fanehoana an’i Lehôntia sy i Amalikià teo amin’ny havoanan’i Antipasy
  • Inona avy no antony sasantsasany mety ho niheveran’i Lehôntia ny hanaiky ny fanasana farany nataon’i Amalikià andininy 12?

  • Inona no mety ho noteneninao tamin’i Lehôntia raha tao amin’ny tafika nisy azy ianao ary nangataka torohevitra avy taminao momba ny hoe hihaona amin’ Amalikià sa tsia izy? Nahoana?

Vakio ny Almà 47:13–19, hitadiavana ny fomba namalian’i Lehôntia ireo ezaka hafa avy amin’i Amalikià sy ny zavatra nitranga vokatr’izany.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitovian’ny tetikadin’i Amalikià amin’ny tetikady ampiasain’i Satana hanimbana antsika? (Raha ilaina dia jereo ny 2 Nefia 28:7–8, 21–22.)

Ny adinao amin’i Satana

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe raha manaiky ny fakam-panahin’i Satana na dia kely fotsiny aza isika, dia manome azy hery mitarika lehibe kokoa hitarihana antsika haniasia.

Eritrereto ny fomba nahitanao io fahamarinana io nitranga teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny hafa. Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao hamantatra ireo fomba sasantsasany mety hiezahan’i Satana hanao izay hahatonga anao ho mora andairan’ireo fakam-panahiny sy ireo fomba azon’ny Mpamonjy anampiana amin’ny fiarovana anao amin’ireny fakam-panahy ireny.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

    • Dingana 1: Manaova sarina zatovo iray mijoro eny an-tampon’ny tendrombohitra iray. Eo am-pototr’ilay tendrombohitra, ataovy lisitra ireo fakam-panahy na tetikady ampiasain’i Satana mba hiezahany manao izay hidinantsika kely mba hahazoany fahefana amintsika. Aza adinoina ny mamela toerana malalaka eo anelanelan’ilay zatovo sy ireo fakam-panahy nataonao lisitra mba hanananao toerana ho an’ny dingana 2.

    • Dingana 2: Eo amin’ny tampon’ilay tendrombohitra, ataovy lisitra ny sasany amin’ireo loharano na fampianarana nomen’ny Tompo antsika ka afaka miaro antsika amin’ireo fakam-panahin’i Satana. (Mba hahitana ohatra vitsivitsy, dia hevero ny handalina vitsivitsy amin’ireto andininy manaraka ireto: 1 Nefia 15:24; Helamàna 5:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5; 11:12–13; 20:22; 87:8.)

Manaova drafitra

Eritrereto ny fomba iharan’ireo fahamarinana nohalalininao androany amin’ny fiainanao. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ianao no nanohitra ireo fakam-panahin’i Satana tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana nomen’ny Tompo anao?

  • Ahoana no hiezahanao mikatsaka tsara kokoa ny fanampian’ Andriamanitra mba hanoherana ireo fakam-panahin’i Satana?

Hamoaka printy