Seminera
Helamàna 7–10: Ilay mpaminanin’ny Tompo


“Helamàna 7–10: Ilay mpaminanin’ny Tompo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 7–10,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 7–10

Ilay mpaminanin’ny Tompo

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Amina tontolo iray feno feo mifanohitra, aiza no ahafahantsika mitodika mba hahazo fitarihana sy fahamarinana? Fomba iray ikatsahan’ny Tompo ny hitari-dalana sy hanampy antsika amin’ny fiainana an-tany ny fiantsoana mpaminany iray. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny anjara asa tena manan-danja tanan’ny mpaminany amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Nahoana Andriamanitra no miantso mpaminany?

Alaovy sary an-tsaina hoe ny iray amin’ireo namanao izay tsy mpikamban’ny Fiangonana dia gaga amin’ny fahafantarana fa ianao dia mino fa miantso mpaminany ny Tompo amin’izao androntsika izao. Manontany tena ny namanao hoe nahoana no tsy maintsy ilaina amin’izao androntsika izao ny mpaminany.

  • Inona avy no fomba sasantsasany azonao amaliana ny namanao?

Eritrereto ny fahatsapanao momba ny mpaminanin’ny Tompo sy ny fahavononanao hihaino sy hanaraka azy ireny. Rehefa mandalina ianao anio dia hanana fahafahana hamantatra fahamarinana manan-danja momba ny mpaminany.

Amina pejy tsy misy na inona na inona ao amin’ny diary fandalinanao, soraty ity lohateny manaraka ity: Ireo fahamarinana momba ny mpaminanin’ny Tompo. Mandritra ny lesona dia soraty eo ambanin’io lohateny io ireo fahamarinana ianaranao momba ny mpaminany.

I Nefia mpaminany

Sary
Mivavaka eo amin’ny tilikambon-jaridainany i Nefia, nataon’i Jerry Thompson

Anio, hianatra momba an’i Nefia, ilay zanakalahin’i Helamàna ianao. Rehefa avy nolavin’ny Nefita tany amin’ny tany avaratra i Nefia, dia niverina nody tany Zarahemlà. Tena ratsy fanahy ihany koa ny olona tany. Rehefa nalahelo tamin’ny faharatsian’izy ireo i Nefia, dia nandeha tao amin’ny tilikambon-jaridainany izy ary nitomany tamin’ Andriamanitra (jereo ny Helamàna 7:1–11).

Vakio ny Helamàna 7:12–22, hitadiavana ny zavatra nolazain’i Nefia taorian’ny nahafantarany fa niangona nihaino ny fitalahoany.

  • Inona no fahamarinana iray azonao fantarina momba ny mpaminanin’ny Tompo miainga amin’ny zavatra nolazain’i Nefia ao amin’ireo andininy ireo?

Fahamarinana iray mety ho hitanao ny hoe ny mpaminanin’ Andriamanitra dia manasa ny olona hibebaka. Soraty ao amin’ilay lisitra ao amin’ny diary fandalinanao io fahamarinana io.

  • Inona no ampianarin’izany anao momba an’ Andriamanitra izay hiantso mpaminany mba hiantsoantso fibebahana Izy?

Maro ny olona lasa tezitra tamin’ny hafatra nentin’i Nefia. Mba hanampiana ny olona hahatakatra fa nilaza ny fahamarinana izy, dia nilaza tamin’izy ireo tamin’ny fomba mahagaga mombana tranga izay niseho teo am-pitoriana tamin’izy ireo i Nefia.

Nolazain’i Nefia tamin’ny olona aloha fa nisy namono i Sezôrama lohan’ny mpitsaran’izy ireo (jereo ny Helamàna 8:27–28). Nieritreritra ny olona fa “tsy maintsy ho efa nifanaiky tamin’ny sasany mba hamono ny mpitsara i Nefia” (Helamàna 9:16). Avy eo i Nefia dia niteny tamin’ny olona mba hitady an’i Seantoma, izay rahalahin’i Sezôrama, ary hametraka fanontaniana aminy. Nolazain’i Nefia marina tsara tamin’ny olona ny fomba hamalian’i Seantoma (jereo ny Helamàna 9:26–36). Izany dia nitarika tamin’ny fiaiken’i Seantoma fa izy no mpamono ary tsy nanan-tsiny i Nefia (jereo ny Helamàna 9:37).

Vakio ny Helamàna 9:37–41, hitadiavana ny fihetsika navalin’ny olona rehefa avy nanatri-maso ireo tranga ireo.

  • Inona no fahamarinana iray ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Nefia ka azonao ampidirina amin’ny lisitrao?

Fahamarinana iray mety ho hitanao ny hoe ho tanteraka ireo tenin’ny mpaminany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny fahafantarana io fahamarinana momba ny mpaminany io?

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny fahatanterahan’ireo tenin’ny mpaminany?

Fahamarinana hafa mikasika ny mpaminany

Ankoatra ireo fahamarinana efa hita dia fahamarinana maro hafa momba ny anjara asa tanan’ny mpaminanin’ny Tompo no asehon’i Nefia sy ny fifaneraserany tamin’ny olona. Manohiza mampihatra ny fahaiza-mamantatra fahamarinana rehefa mandalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Ampidiro ao amin’ny lisitrao ny zavatra hitanao.

  • Helamàna 7:29: Ny fanambaran’i Nefia tamin’ny olona izay niangona rehefa avy naheno azy nivavaka

  • Helamàna 8:1–4: Ny fihetsika navalin’ireo mpitsara ny tenin’i Nefia

  • Helamàna 8:22–23: Ny valintenin’i Nefia tamin’ny olona izay nanevateva azy sy ny teniny

  • Helamàna 10:5–7: Ny resaka nataon’ny Tompo tamin’i Nefia rehefa avy nampianatra ny vahoakany izy

  • Fahamarinana inona momba ny mpaminany no hitanao tao amin’ireo andininy ireo?

Ireto manaraka ireto dia sasantsasany amin’ireo fahamarinana mety ho hitanao:

Ny maha-zava-dehibe ny mpaminany velona

Avereno eritreretina ilay rafi-tantara tany alohaloha tao amin’ny lesona momba ny namanao izay nanontany tena momba ny antony tsy maintsy ilana ny mpaminany.

  1. Vitao ity sahanasa manaraka ity:

    Manorata valinteny iray any amin’ny namanao izay manazava ny antony maha-zava-dehibe ny iantsoan’ny Tompo mpaminany amin’izao androntsika izao. Tokony ho andiam-pehezanteny iray farafahakeliny no halavan’ny valinteninao.

    Afaka manampy anao amin’ny valinteninao ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no ahafahan’ny iray na maromaro amin’ireo fanontaniana hitanao manampy antsika amin’ireo zava-tsarotra atrehintsika?

    • Inona no zavatra niainanao nanampy anao hahafantatra ilay fitahian’ny fananana mpaminany velona eto an-tany?

Hamoaka printy