“Helamàna 11–12: Ny fitamberimberenan’ny avonavona,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Helamàna 11–12,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Helamàna 11–12
Ny fitamberimberenan’ny avonavona
Iray amin’ireo rafi-tantara manerana ny Bokin’i Môrmôna ny hoe mitady hanadino an’ Andriamanitra ny olona ary lasa feno avonavona rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra. Etsy ankilany kosa, mirona manetry tena sy mitodika amin’ Andriamanitra ny olona rehefa sarotra ny zava-misy. Efa tsikaritrao teo amin’ny fiarahamonina na teo amin’ny fiainanao ve io lamina io? Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hitombo fanetren-tena manoloana an’ Andriamanitra.
Lamina
Jereo ireto tarehimarika manaraka ireto. Ao anatin’ny 30 segondra, mitadiava tarehimarika betsaka araka izay tratranao milahatra arakaraka ny habetsany, manomboka amin’ny “1”.
-
Firy ny tarehimarika hitanao tao anatin’ny 30 segondra? Mahita lamina eo amin’ny toerana misy ireo tarehimarika ve ianao?
Manaraka lamina ireo tarehimarika eo amin’ny tabilao. Raha anatsofohanao tsipika mijidina iray sy tsipika marindrano iray eo afovoan’ilay tabilao mba hahazoana ampahefa-paribolana efatra mitovy, dia ho hitanao fa manaraka lamina manaraka fihodim-pamantaranandro ireo tarehimarika ireo, araka ny asehon’ny tondro. Ohatra, ny “1” dia ao amin’ny ampahefa-paribolana ambony ankavia, ny “2” eo ambony ankavanana ary dia toy izany hatrany hatrany.
Makà 30 segondra fanampiny hamerenana manao ilay fanamby sy hijerena ny fahasamihafana ateraky ny fanarahana lamina.
-
Inona no lanjan’ny famantarana lamina toy izany?
Ny fahafahana mamantatra lamina dia fahaiza-manao izay afaka manatsara ny fandalinanao soratra masina. Ny fanaovana izany dia afaka manampy anao hampihatra tsara kokoa eo amin’ny fiainanao ny zavatra ao amin’ny soratra masina.
Ao amin’ny lesona anio ianao dia hianatra mombana lamina izay matetika no antsoina hoe fitamberimberenan’ny avonavona. Rehefa mandalina ianao, dia eritrereto ny fomba mety hitrangan’izany lamina izany eo amin’ny fiainanao manokana sy ny zavatra azonao atao mba hialana amin’ny avonavona sy hitomboana amin’ny fanetren-tena.
Ny fitamberimberenan’ny avonavona
Mety tsaroanao fa i Nefia mpaminany dia nazoto ary ny hanao ny sitrapon’ny Tompo ihany no nokatsahiny. Vokatr’izany, nitahy azy tamin’ny hery lehibe ny Tompo ary nampanantena fa ny “zava-drehetra aza dia hatao aminy araka ny teni[ny]” (Helamàna 10:5). Ny zava-niseho taorian’ny nanomezana an’i Nefia io hery io dia afaka manampy antsika hahita ohatra amin’ny fitamberimberenan’ny avonavona teo amin’ny Nefita.
Vakio ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ilay kisary, manomboka amin’ny Helamàna 10:13–15. Mitadiava teny na andian-teny izay mamaritra ny dingan’ny fitamberimberenan’avonavona nisy ny olona. Hevero ny hanisiana marika ireny teny sy andianteny ireny sy hanoratra ny anaran’ilay dingana eny amin’ny sisin’ny soratra masinao eo akaikin’ireo andininy mifandray amin’izany.
-
Nahoana no mety hanampy antsika ny fahafantarana io lamina io?
Eritrereto ny hoe aiza no ahitanao ny tenanao amin’io lamina io. Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahanao mitombo fanetren-tena sy fianteherana amin’ny Tompo.
Mianatra avy amin’ny fitamberimberenan’ny avonavona
Taorian’ny nanesoran’ny Tompo ny mosary dia nambinina ny olona. Na izany aza, tao anatin’ny taona vitsy monja, dia lasa niavonavona indray ny olona ary niaina ady sy fahoriana (jereo ny Helamàna 11:21–33). Nofohazina izy ireo mba hahatsiaro an’ Andriamanitra saingy vetivety dia nianjera tamin’ny fiavonavonana sy faharatsiana indray (jereo ny Helamàna 11:34–38).
Mety tsikaritrao tamin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna fa nisy tranga izay nampiatoan’i Môrmôna ny fitantarany ny tantara sasany mba hahitana izay lesona azontsika ianarana. Nampiasainy matetika ny andianteny toy ny hoe “ary dia toy izany no ahitantsika” na ny hoe “ary dia toy izany no ahafahantsika mahita.”
-
Miainga amin’ny zavatra nohalalininao momba ny Nefita ao amin’ny Helamàna 11, ahoana no hamenoanao ity fanambarana ity: “Ary dia toy izany no ahafahantsika mahita …”?
Vakio ny Helamàna 12:1–6, hitadiavana ny sasany amin’ireo fehin-kevitra nataon’i Môrmôna taorian’ny nizarany io tantara io.
Fahamarinana iray izay afaka manampy antsika hijanona eo amin’ny ampahany tsara kokoa amin’io fitamberimberenana io ny hoe raha safidìntsika ny hahatsiaro ny Tompo sy hanetry tena ary hibebaka, dia afaka misoroka ny avonavona sy ny vokatr’izany isika.
Tombano ny tenanao
Eritrereto ny fomba ifandraisan’ireo fahamarinana nohalalininao androany aminao. Afaka manampy amin’izany ity fanombanan-tena manaraka ity. Omeo naoty amina ambaratonga 1 hatramin’ny 5 ny ezaka ataonao amin’ireto sehatra manaraka ireto, ka ny 1 dia “tsia mihitsy” ary ny 5 dia “mandrakariva”.
-
Mahatsapa sy maneho fankasitrahana an’ Andriamanitra sy ny hafa ve ianao?
-
Manokana fotoana ho an’ Andriamanitra isan’andro ve ianao?
-
Tsapanao ve ianao fa ny fahombiazanao dia vokatry ny ezaka nataonao manokana?
-
Mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra sy ny fitarihany ve ianao eo amin’ny fiainanao?
-
Mitondra ny hafa amin-katsaram-panahy sy fanajana ve ianao?
-
Manakiana ny hafa na manao fitsarana tsy marina amin’izy ireny ve ianao?