Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 17: Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 17: Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 17,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 17

Ianaro tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
zatovovavy iray mandalina

Ny fahatsiarovana toko sy andinin-tsoratra masina sy ny zavatra ampianarin’izy ireo dia afaka mitahy ny fiainanao amin’ny lafiny maro. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tsianjery toko sy andininy maro ary ireo andianteny manan-danja avy ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 12 farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Manao tsianjery

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstoly Roambinifolo momba ny lanjan’ny fitadidiana soratra masina manaraka ity:

Misy hery lehibe azo avy amin’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. Toy ny manomboka finamanana vaovao ny fanaovana tsianjery soratra masina. Toy ny fiezahana mamantatra olona iray vaovao izay afaka manampy amin’ny fotoana ilana fanampiana izany, sy afaka manome fitaomam-panahy sy fankaherezana, ary ho loharano hahazoana risi-po hanaovana ny fanovana izay ilaina. (Richard G. Scott, “Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6)

  • Inona avy no soratra masina efa nataonao tsianjery? Nahoana izy ireny no nataonao tsianjery?

Rehefa mandray anjara amin’ireto sahanasa fanaovana tsianjery manaraka ireto ianao, dia manàna fahatokiana fa ny Tompo dia afaka manampy anao hanao tsianjery ireo toko sy andininy manan-danja sy andianteny manan-danja ireo.

Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy fanaovana tsianjery

Eo ambany ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana ny fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna 12 farany.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Makà fotoana hanamboarana andian-karatra fitadidiana azonao ampiasaina mandritra ny taona. Raha ilaina, dia ampiasao ireto torolalana manaraka ireto mba hanampy anao amin’ny fanamboarana ny karatra fitadidianao:

Dingana 1: Manamboara karatra miisa 12

Amin’ny alalan’ny fampiasana ny lafiny manontolo amin’ny taratasy iray, manaova tsipika eo amin’ny fisasahan’ilay taratasy mba hamoronana tsanganana roa. Avy eo dia manorita tsipika roa mitsivalana manapaka ilay taratasy mba hamoronana efajoro telo mitovy habe isaky ny tsanganana, izay manome anao efajoro miisa enina ny fitambarany. Jereo ity sary manaraka ity hatao ohatra amin’ny endrika tokony hisehoan’ny pejinao:

Sary
Tabilao tsy misy n’inona n’inona

Avadiho ilay taratasy ary manaova toy zany ihany koa eo amin’io lafiny io. Avereno amina taratasy hafa io dingana arahina io mba hamoronana ilay efajoro miisa 12 ilainao.

Amin’ny lafiny iray amin’ny tsirairay amin’ireo taratasinao, manorata toko sy andinin-tsoratra masina avy amin’ilay tabilao ao anatin’ny efajoro tsirairay. Ankoatra ilay andinin-tsoratra masina, mety ho azonao heverina ny hanao sary tsotsotra eo amin’io lafin’ny taratasinao io izay hanampy anao hahatsiaro ny andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Na dia tokony hanampy anao hahatsiaro ny andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina aza ilay sary, dia tokony hampiseho fanajana araka ny tokony ho izy ny toetra masina ananan’ilay andalan-tsoratra masina ihany koa izany.

Dingana 2: Soraty eo amin’ny lafiny iray ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana

Soraty eo amin’ny lafiny iray amin’ireo taratasinao anankiroa ny toko sy andinin-tsoratra masina avy amin’ilay tabilao ao anatin’ny efajoro tsirairay. Ankoatra ilay toko sy andinin-tsoratra masina, dia azonao atao ihany koa ny manao sary tsotsotra izay hanampy anao hahatsiaro ilay andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Dingana 3: Soraty ao ambadika ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Avadiho daholo ny taratasinao, ary soraty ao amin’ny efajoro tsirairay ny andianteny manan-danja mifandray amin’ny toko sy andininy ao ambadika.

Dingana 4: Tapaho ny karatrao

Tapaho tsirairay ho tonga karatra ireo efajoro namboarinao.

Mampiasa ny karatra fitadidianao

Mahaiza mamorona amin’ny fampiasana ny karatra fitadidianao. Misafidiana iray amin’ireto hevitra manaraka ireto na mamoròna anankiray anao manokana. Mety ho azonao safidina ihany koa ireo loharano hita ao amin’ny appli Maîtrise de la doctrine.

  • Mametraha andiam-panontaniana ho an’ny tenanao: Hazony ny karatra fitadidiana mba hahitanao ny toko sy andininy ihany na ny andianteny manan-danja ihany. Manandrama milaza andianteny manan-danja na toko sy andininy mifandray amin’izany. Avereno imbetsaka miaraka amin’ny toko sy andininy tsirairay sy ny andianteny mifandray amin’izany.

  • Sahanasa fampifandraisana: Miaraha miasa amin’olona iray. Manasà olona iray hametraka ny karatrany ka ny lafiny misy ny toko sy andininy no ambony ary olona iray hafa hametraka ny karatrany ka ny lafiny misy ny andianteny manan-danja no ambony. Ampifandraiso amin’ny toko sy andininy mifandray aminy ny andianteny manan-danja, amin’ny alalan’ny fametrahana ilay karatra misy ny andianteny eo ambonin’ny karatry ny toko sy andininy.

  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no toko sy andininy sy andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina tsapanao fa hanampy indrindra anao ny nanaovanao tsianjery azy? Nahoana?

    • Inona avy no fahamarinana sasantsasany ampianarin’ireo andininy ireo momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany?

Hamoaka printy