Seminera
3 Nefia 17: “Manana fangorahana anareo Aho”


“3 Nefia 17: -Manana fangorahana anareo Aho,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 17,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 17

“Manana fangorahana anareo Aho”

Sary
I Kristy manasitrana vehivavy iray

Efa lava tamin’ny vahoaka Nefita ny andro vao nanambara ny Mpamonjy fa tonga ny fotoana tokony handehanany. Na izany aza, nikasika ny fony ny ranomaso sy fanirian’ny vahoaka ny hijanonany elaela kokoa. Tamina fihetsika mahafinaritra naneho fangorahana no nanasitranany azy ireo, nivavahany ho azy ireo ary nanomezany tsodrano tsirairay ny zanak’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa ny fangorahan’i Jesoa Kristy anao.

Ny fahatsapan’ny Mpamonjy

Alaivo sary an-tsaina hoe vao avy nandany andro iray niaraka tamin’ny Mpamonjy ianao ary nanambara Izy fa tonga ny fotoana tokony handehanany.

  • Ahoana no mety ho fahatsapanao eo anatrehan’izany toe-javatra izany?

Tao anatin’ny roa herinandro lasa dia nandalina ny zavatra nataon’ny Mpamonjy sy ireo fampianarany tamin’ny Nefita tamin’ny fotoana nisehoany voalohany tamin’izy ireo ao amin’ny 3 Nefia 11–16 ianao. Eritrereto ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy teo anivon’ireo Nefita mba hanehoany ny fitiavany. Ny famerenana mijery ny zavatra nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao eo ambanin’ny hoe “Fianarana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia” dia mety hanampy anao hahatadidy.

  • Ahoana no nanehoan’ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ny fitiavany ny Nefita?

Anio ianao dia hamaky misimisy kokoa momba ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ny fangorahany feno fitiavany teo anivon’ny Nefita. Rehefa mandalina ianao dia eritrereto hoe inona no ampianarin’ny zavatra nataony momba ny toetrany. Ifantohy tsara ny fahatsapanao momba Azy.

Mety hanampy ny fahalalana fa ny zava-niseho rehetra voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 11–17 dia nitranga tao anatin’ny indray andro.

Vakio ny 3 Nefia 17:1–6 hitadiavana ny zavatra azonao ianarana momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny teniny sy ny zavatra nataony.

  • Inona avy no hitanao tao amin’ireo andininy ireo?

Mety nahita fahamarinana mitovitovy amin’ity manaraka ity ianao: Feno fangorahana ahy i Jesoa Kristy. Hevero ny hirakitra an-tsoratra io fahamarinana io eo akaikin’ny andininy 6.

Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Manan-danja ny mahita fa ireo asa nentanim-pangorahana nataon’i Jesoa dia tsy hoe tsindraindray na noterena, arakaraka ny lisitry ny asa mila vitaina, fa fanehoana amin’ny andavanandrom-piainana ny fisian’ny fitiavany madio ho an’ Andriamanitra sy ireo zanany ary ny faniriany tsy manam-petra ny hanampy azy ireo. (Ulisses Soares, “Ny fangorahana tsy manam-petran’ny Mpamonjy,” Liahona, nôv. 2021)

  • Amin’ny teninao manokana, inona no ampinarin’ny Loholona Soares momba ny fangorahan’ny Mpamonjy?

Ny fangorahan’ny Mpamonjy

Ny ambin’ny 3 Nefia 17 dia maneho ny toetra mangoraka ananan’ny Mpamonjy. Tsarovy fa ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia 17 dia nitranga satria tsapany ny faniriana marina nananan’ny Nefita ary tena te hiaraka amin’izy ireo sy hitahy azy ireo Izy.

Halalino tsara ny tsirairay amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ary alaovy sary an-tsaina hoe mety ho nanao ahoana raha tany ianao. Asao hampianatra anao ny Fanahy Masina rehefa mamaky sy misaintsaina ianao. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao eo ambanin’ny “Fianarana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia” ny eritreritra sy fahatsapanao.

Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina sy hahatsapa ny Fanahy Masina manamarina ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny 3 Nefia 17 dia hevero ny handefa ilay horonantsary hoe “Jesus Christ and Angels Minister with Compassion” manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:30 hatramin’ny 11:45.

Mba hanampiana anao haka sary an-tsaina ny zavatra nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 17, dia azonao atao ny mijery ny “Jesus Christ and Angels Minister with Compassion” manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:30 hatramin’ny 11:45.

  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Raha teo ianao, dia inona no mety ho fiantraikan’io zavatra niainanao io teo amin’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy anao?

    • Ahoana araka ny eritreritrao no anehoan’i Jesoa Kristy fangorahana amintsika ankehitriny?

    • Voatosika hanao inona ianao mba hanehoana ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy