Seminera
3 Nefia 19: “Izy ireo dia heniky ny Fanahy Masina”


“3 Nefia 19: -Izy ireo dia heniky ny Fanahy Masina,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 19,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 19

“Izy ireo dia heniky ny Fanahy Masina”

Sary
mpianatra nivavaka nanodidina an’i Kristy

Tsy nisy zavatra nirin’ny mpianatra Nefita roa ambin’ny folo mihoatra noho ny hanana fiarahana amin’ny Fanahy Masina. Izany no antom-bavak’izy ireo tamin’ny Ray any An-danitra rehefa namarana ny andro voalohan’ny asa fanompoany teo anivon’izy ireo ny Mpamonjy. Inona no tokony hataontsika mba hananana ny Fanahy Masina miaraka amintsika? Ahoana no ahafahantsika misitraka ny fiarahana Aminy eo amin’ny fiainantsika? Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fomba fandraisana ireo fitahian’ny Fanahy Masina.

Faniriana marina ao amin’ny tanora

  • Raha hanao fitsapan-kevitra amina zatovo miisa 100 eo amin’ny faritra misy anao ianao, inona araka ny eritreritrao no ho anisan’ny faniriana marina iombonan’izy ireo indrindra?

Saintsaino hoe inona amin’ireo faniriana ireo no mahakasika anao manokana. Rehefa mandalina ny 3 Nefia 19 ianao dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatratra ny faniriana marina ao aminao.

Taorian’ny nanompoany, nampianarany, nanasitranany, ary nanomezany tsodrano ny olona, dia “lasana Izy niala teo aminy ary niakatra nankany an-danitra” (3 Nefia 18:39) niaraka tamin’ny fampanantenana fa hiverina Izy ny ampitson’io. Niverina tany an-trano ny olona, ary “nandritra ny alina manontolo dia niely lavitra ny feo momba an’i Jesoa,” “ary maro tokoa no … nilofo fatratra tokoa tamin’izany manontolo alina izany mba hahatongavany eo amin’ny toerana izay hanehoan’i Jesoa ny tenany amin’ny valalabemandry ny ampitso” (3 Nefia 19:3). Ny ampitson’iny, ny mpianatra roa ambin’ny folo izay nofidin’i Jesoa dia namory ny olona sy nampianatra azy ireo ny “teny izay notenenin’i Jesoa”. Avy eo dia nandohalika ny mpianatra ary “nivavaka tamin’ny Ray tamin’ny anaran’i Jesoa” (3 Nefia 19:8).

Vakio ny 3 Nefia 19:9 mba hahitana ny zavatra nirin’izy ireo indrindra rehefa nivavaka izy ireo.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana, araka ny eritreritrao, no naniry mafy tokoa ny Fanahy Masina izy ireo?

    • Inona avy no toe-javatra sasantsasany mety hatrehinao any amin’ny hoavy ka tianao hahafantarana sy hahatakarana ny bitsiky ny Fanahy Masina?

Saintsaino raha maniry marina ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao ianao ary ny mety hampiova ny fiainanao raha maniry tsy tapaka kokoa ny hery mitarika ananany ianao.

Mikatsaka ny Fanahy Masina

Vakio ny 3 Nefia 19:10–23, ary mitadiava fomba azonao amenoana ity fanambarana manaraka ity:

  • Afaka ny ho heniky ny Fanahy Masina isika rehefa …

Ny fomba sasantsasany azo hamenoana io fanambarana io dia:

  • … maniry sy mivavaka amin-kitsimpo mba hanana ny fiarahana Aminy.

  • … mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara.

Eritrereto am-bavaka ny olona iray fantatrao izay tsapanao fa afaka mahazo tombony amin’ny fahatakarana tsara kokoa ny fomba fandraisana ny tari-dalana sy fampiononan’ny Fanahy Masina matetika kokoa. Vitao ny sahanasa A sy B ary eritrereto ny fomba ahafahanao manampy io olona io.

Sahanasa A: Afaka ny ho heniky ny Fanahy Masina isika rehefa maniry sy mivavaka amin-kitsimpo mba hanana fiarahana Aminy.

  • Ahoana no ahafahan’ny faniriantsika sy ny vavaka ataontsika manampy antsika ho heniky ny Fanahy Masina?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahan’ny faniriana sy ny vavaka manampy antsika hanana ny Fanahy miaraka amintsika.

Moa ve isika mahatsiaro … ny mivavaka am-pahavitrihana sy tsy tapaka ho an’izay tokony iriantsika indrindra dia tsy inona fa ny Fanahy Masina? Sa voarebirebin’ny fiahiana izao tontolo izao isika sy ny fahazaran’ny fiainana andavanandro ary mihevitra ho mandeha ho azy na koa manamaivana aza izay sarobidy indrindra amin’ny fanomezana rehetra? Ny fandraisana ny Fanahy Masina dia manomboka amin’ny faniriantsika amin-kitsimpo sy tsy tapaka ny fiarahany eo amin’ny fiainantsika. (David A. Bednar, “Raiso ny Fanahy Masina,” Liahona, nôv. 2010)

 ChurchofJesusChrist.org

  • Oviana no nanampian’ny faniriana sy ny vavaka feno fahamarinana tao aminao anao mba hahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

Sahanasa B: Afaka ny ho heniky ny Fanahy Masina isika rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara.

Vakio ny 3 Nefia 18:7, 11; 27:20, hitadiavana ny fomba ahafahan’ireo ôrdônansy manampy antsika ho heniky ny Fanahy Masina.

Nampianatra toy izao ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44):

Ny batisa dia ôrdônansy masina hiomanana amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina. Io no fantsona sy fanalahidy entina hanomezana ny Fanahy Masina. Ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana dia tsy afaka raisina amin’ny alalan’ny fitsipika hafa ankoatra ny fitsipiky ny fahamarinana. (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 95–96.)

  • Inona no nianaranao momba ny anjara asan’ireo ôrdônansy (toy ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo) amin’ny fanampiana antsika ho heniky ny Fanahy Masina?

  • Oviana ianao no heniky ny Fanahy Masina rehefa nandray anjara tamina ôrdônansin’ny filazantsara?

  1. Tadidio ilay olona noeritreretinao izay mety mahazo tombony amin’ny fahatakarana tsara kokoa ny fomba fandraisana ny Fanahy Masina. Manomàna hafatra azonao zaraina aminy. Mizarà zavatra niainanao manokana izay nanampian’ny faniriana sy ny vavaka na ny fandraisana anjara tamina ôrdônansy anao na ny hafa mba handray ny Fanahy Masina.

Fampiharana amin’ny tena manokana

Eritrereto ny filanao manokana ny Fanahy Masina sy ny antony anirianao ny fitarihany eo amin’ny fiainanao. Mitadiava zavatra iray tsapanao fa tokony hataonao mba hihazonana ny Fanahy Masina miaraka aminao. Miezaha mafy hahatontosa hatramin’ny farany izany fahatsapana izany.

Hamoaka printy