Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 20: Ianaro tsianjery


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 20: Ianaro tsianjery,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 20,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 20

Ianaro tsianjery

Sary
zatovovavy mandalina ny soratra masina

Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana mitadidy toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andianteny manan-danja ao amin’izany ary hanao tsianjery ny andalan-tsoratra masina manontolo mihitsy aza.

Afaka manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina isika

Sary
ny Mpamonjy
  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahantsika manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy?

Ny fomba iray ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy dia amin’ny alalan’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. Ny Mpamonjy dia nampiasa soratra masina hainy tsianjery mba handresena ny fakam-panahy (jereo ny Matio 4:1–11) sy hampianarana ny hafa (jereo ny Lioka 24:27; 3 Nefia 22).

  • Inona avy no toe-javatra sasantsasany izay anampian’ny fahaizana tsianjery ny soratra masina?

Rehefa manao tsianjery andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina ianao, dia tsarovy fa manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy ianao.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andianteny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Eritrereto ny toe-javatra misy anao manokana. Avereno jerena ilay tabilaon’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary mifantena iray (na andianteny manan-danja vitsivitsy) izay tsapanao fa hanampy anao indrindra hitadidy izao dia izao. Hevero ny hampiasa ny iray amin’ireto tekinika manaraka ireto (na ireo fomba fianarana tsianjery ao amin’ny application Maîtrise de la doctrine) mba hanampy anao hitadidy ny andalan-tsoratra masina (na andianteny) nosafidianao.

  • Soraty ilay izy: Ataovy amina halavam-potoana antonony ny krônômetatra (ohatra, 30 segondra). Manorata zavatra betsaka amin’ilay andalan-tsoratra masina araka izay vitanao ka tsy mijery ny soratra masina na ny tabilao. Alefaso indray ny krônômetatra ary manorata misimisy kokoa. Avereno mandra-pahavoasoratrao ilay andalan-tsoratra masina iray manontolo. Avy eo dia azonao atao ny manandrana indray ilay sahanasa mba hahitana raha voasoratrao amina fotoana haingana kokoa izany.

  • Litera voalohany: Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny toko sy andininy sy ny andalan-tsoratra masina feno nosafidianao. Eo akaikin’izany, soraty ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay. Vakio hatramin’ny farany imbetsabetsaka ilay andalan-tsoratra masina iray manontolo. Avy eo dia takòny ilay andalan-tsoratra masina ary miezaha mampiasa ny litera voalohany fotsiny mba hamerenana ny toko sy andininy sy ny andalan-tsoratra masina (aseho araka izay ilaina ilay andalan-tsoratra masina iray manontolo). Ataovy imbetsaka izany mandra-pahavitanao mamerina ilay andalan-tsoratra masina tsy ankijery.

  • Isaky ny andianteny: Voalohany, saraho ho andianteny kely kokoa maromaro ny toko sy andininy sy ny andalan-tsoratra masina. Avy eo dia ianaro tsianjery ny andianteny voalohany ao amin’ilay andalan-tsoratra masina, amin’ny alalan’ny famerenana izany na fanoratana izany imbetsaka. Avy eo dia manaova toy izany ihany amin’ny andianteny faharoa. Avereno io dingana io mandra-pahavitanao tsianjery ny toko sy andininy sy ny andalan-tsoratra masina manontolo.

Avereno jerena

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Manorata taratasy fohy ho an’ny mpampianatra anao. Ampidiro ao anatin’izany ireto manaraka ireto:

    • Ny andalan-tsoratra masina na andianteny noezahinao natao tsianjery sy ny fomba fanaovana tsianjery nampiasainao.

    • Toe-javatra atrehinao amin’izao fotoana izao na hatrehinao amin’ny hoavy ka ao anatin’izany dia manampy anai ny fahaizana tsianjery io andalan-tsoratra masina na andianteny manan-danja io

    • Ny eritreritrao amin’ny fomba ahafahan’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina manampy anao hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy.

Mitadiava hirika hamerenana matetika ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andalan-tsoratra masina (na andianteny) hay tsianjery.

Hamoaka printy