Seminera
3 Nefia 24: Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena


“3 Nefia 24: Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“3 Nefia 24,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

3 Nefia 24

Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena

Sary
olona mameno taratasy fenoina fanomezana ny fahafolonkarena

Inona no nampanantenain’ny Tompo antsika raha mandoa fahafolonkarena isika? Ny Mpamonjy dia nampiasa ny tenin’i Malakia mba hampianarana ny Nefita momba ny lalàn’ny fahafolonkarena sy ireo fitahiana amin’ny fiainana io didy io. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa faniriana handoa fahafolonkarena.

Ny zavatra niainanao

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto, hitadiavana ireo izay tena mifanaraka aminao na ny zatovo eo amin’ny faritra misy anao:

  • Manangom-bola hividianana telefaonina i Carlos. Tsy mieritreritra ny handoa fahafolonkarena izy.

  • Nandoa fahafolonkarena foana i Sita fony izy tanora, saingy amin’izao izy manana asa sy mandray vola misimisy kokoa izao dia lasa sarotra atao kokoa izany.

  • Omen’i Oneka hanampiana ny fianakaviany avokoa ny vola rehetra azony. Manontany tena izy raha toa ka tokony handoa fahafolonkarena kanefa mila ilay vola ny fianakaviany.

  • Tsy manana fidiram-bola i Anjum ka manontany tena izy raha toa ka mihatra aminy ny lalàn’ny fahafolonkarena.

  • Toe-javatra inona no tsapanao fa tokony hampiasaina indrindra? Nahoana?

  • Inona avy no fanontaniana na ahiahy mety hananan’ny zatovo momba ny fahafolonkarena?

Eritrereto ny traikefanao manokana sy ny fahatakaranao ny fahafolonkarena. Mandoa fahafolonkarena ve ianao, na vonona handoa ny fahafolonkarena ve ianao? Nahoana raha eny na nahoana raha tsia? Inona no zavatra nianaranao tamin’ny zavatra niainanao momba ny fahafolonkarena? Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hankatò io lalàna io.

Ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena

Teo am-pampianarana ny Nefita i Jesoa dia nandidy azy ireo hanoratra ny teny izay noraketin’i Malakia teo ho eo amin’ny 400 taona tany aloha. Naminany momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fitsarana ny ratsy fanahy i Malakia (jereo ny 3 Nefia 24:1–6).

Vakio ny 3 Nefia 24:7, hitadiavana ny olana natrehin’ny olona tamin’ny andron’i Malakia.

  • Ahoana no mety ho nitovian’ny Nefita tamin’ny olona tamin’ny andron’i Malakia?

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo ny olona raha miverina Aminy izy ireo?

Mba hamporisihana ny olona hiverina amin’ny Tompo sy hiomana amin’ny fiaviany, dia nampianatra momba ny fahafolonkarena tamin’ny alalan’i Malakia ny Tompo.

Vakio ny 3 Nefia 24:8–12 ary hevero ny hanisy marika ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny lalàn’ny fahafolonkarena. Mariho fa “ilay mpibosibosika” (andininy 11) dia mety hanondro areti-mandringana, haintany na tondradrano na i Satana mihitsy aza.

  • Inona no manan-danja aminao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no mety hitovian’ny fandavana ny fandoavana fahafolonkarena amin’ny fandrobana an’ Andriamanitra?

  • Ahoana no mety hamarananao ity fehezanteny manaraka ity: “Raha mankatò ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena isika …”?

Fomba iray mety hamarananao ilay fehezanteny ity: Raha mankatò ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena isika, dia handraraka fitahiana eo amintsika Izy.

Tamin’ny andron’i Malakia sy tamin’ny andron’ny Nefita, ny Olomasina dia azo inoana ho nandoa fahafolonkarena tamin’ny alalan’ny fanomezana ny ampahafolon’ny sakafo na fananan’izy ireo. Ankehitriny “ny mpikamban’ny Fiangonana dia manome ny Tompo ny ampahafolon’ny vola miditra amin’izy ireo amin’ny alalan’ny Fiangonany. Ireny vola ireny dia ampiasaina mba hampitomboana ny Fiangonana sy hampandrosoana ny asan’ny Tompo manerana izao tontolo izao” (Gospel Topics, “Tithing,” topics.ChurchofJesusChrist.org). Raha tsy misy fidiram-bola ny olona iray, dia tsy takina handoa fahafolonkarena izy, kanefa tokony ho vonona amin’izany kosa izy amin’ny hoavy.

Mampiasa andianteny mahery vaika sy mazava tsara ny Tompo rehefa miresaka momba ny fahafolonkarena: “Izahao toetra [na tsapao] Aho … raha tsy hovohako ho anareo ny varavaran’ny lanitra sy harotsako aminareo ny fitahiana izay tsy hisy ny toerana ampy handraisana izany” (3 Nefia 24:10).

  • Inona, araka ny eritreritrao, no nantitranterin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo teny sy andianteny nampiasainy? Inona no ianaranao momba Azy?

Manaova sarina varavarankely lehibe ao amin’ny diary fandalinanao. Rehefa mamita roa farafahakeliny amin’ireto sahanasa ireto ianao, dia soraty ao amin’ilay varavarankely ireo fitahiana azontsika raisina rehefa mandoa ny fahafolonkarenantsika isika.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no iantraikan’ireo fitahiana ireo amin’ny fanirianao handoa fahafolonkarena?

    • Nahoana araka ny eritreritrao no mandidy ny olony mba handoa fahafolonkarena ny Tompo?

    • Ahoana no anampian’ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena antsika “hiverina” (3 Nefia 24:7) na ho tonga akaiky kokoa ny Tompo?

Fampiharana amin’ny tena manokana

Eritrereto ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany rehefa eo am-pamakiana ity teny manaraka nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Ny fandoavana amin-kitsimpo ny fahafolonkarena dia mihoatra kokoa noho ny hoe adidy. Dingana manan-danja iray ao amin’ny lamin’ny fanamasinana ny tena manokana izany. Midera anareo izay mandoa ny fahafolonkarenanareo aho.

Ho an’ireo izay tsy manaja ny lalàn’ny fahafolonkarena amin’izao fotoana izao dia manasa anareo aho mba handinika ny lalanareo ary hibebaka. Mijoro ho vavolombelona aho fa hisokatra ho anareo ny varavaran’ny lanitra rehefa mankatò io lalàn’ny Tompo io ianareo. (David A. Bednar, “Ny varavaran’ny lanitra,” Liahona, nôv. 2013, 20)

Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny fahatsapanao momba ny fahafolonkarena sy ny anton’izany. Raha tsapanao fa manahirana na hanahirana anao ny fandoavana fahafolonkarena, dia ampidiro ny zavatra azonao atao mba hanasana ny Tompo hamaly ireo fanontanianao sy hamaly ireo fanahianao.

Hamoaka printy